Hijery ny anatiny

Tokony Hivavaka Amin’ny Sary ve Isika?

Tokony Hivavaka Amin’ny Sary ve Isika?

Valiny ara-baiboly

 Tsia. Hoy ny New Catholic Encyclopedia momba ny lalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’Israely: “Hita amin’ny tantara maro ao amin’ny Baiboly fa tsy nampiasaina tamin’ny fivavahana marina tamin’Andriamanitra ny sary.” Diniho ireto andinin-teny ireto:

  •   “Aza manao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy, fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.” (Eksodosy 20:4, 5) ‘Mitaky ny hanompoana azy irery ihany’ Andriamanitra, ka tsy ho faly mihitsy izy raha mivavaka amin’ny sary, na sampy, na sary masina, na sarivongana isika.

  •   “Ny fiderana ahy tsy homeko ho an’ny sary sokitra.” (Isaia 42:8) Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fampiasana sary rehefa mivavaka aminy. Nilaza Andriamanitra hoe ‘nanao ratsy’ ny Israelita sasany, rehefa nampiasa sarivongana zanak’omby mba hivavahana taminy.​—Eksodosy 32:7-9.

  •   Isika dia “tsy tokony hihevitra an’Andriamanitra ho tahaka ny volamena na volafotsy na vato, na tahaka ny sokitra vitan’ny fahaizan’olombelona sy ny fahiratan-tsainy.” (Asan’ny Apostoly 17:29) Matetika ny mpanompo sampy no mampiasa sary “sokitra vitan’ny fahaizan’olombelona sy ny fahiratan-tsainy.” Tsy toy izany kosa ny Kristianina, satria milaza ny Baiboly fa ‘finoana no [tokony] handehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.’​—2 Korintianina 5:7.

  •   “Mitandrema ianareo amin’ny sampy.” (1 Jaona 5:21) Hita amin’ny didy nomen’Andriamanitra ny firenen’Israely sy ny Kristianina fa tsy mitombina ilay fampianarana hoe eken’Andriamanitra ny fampiasana sary amin’ny fivavahana.