Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Ohabolana 3:5, 6: “Aza Miankina Amin’ny Fahalalanao”

Ohabolana 3:5, 6: “Aza Miankina Amin’ny Fahalalanao”

 “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”—Ohabolana 3:5, 6, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”—Ohabolana 3:5, 6. Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Ohabolana 3:5, 6 holazaina?

 Mila mitady ny tari-dalan’i Jehovah a Andriamanitra isika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe, fa tsy miantehitra amin’ny fahaizantsika manokana.

 “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo.” Mampiseho isika hoe matoky an’Andriamanitra rehefa manaraka ny heviny. Mila matoky tanteraka an’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo isika. Rehefa miresaka momba ny fo ny Baiboly, dia ny maha izy antsika matetika no tiany horesahina, izany hoe ny fihetseham-pontsika, ny antony manosika antsika hanao zavatra, ny fomba fisainantsika, ary ny toetrantsika. Tsy hoe fihetseham-po fotsiny àry ilay hoe matoky an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo. Misafidy ny hatoky azy isika, satria tena mino sy resy lahatra tanteraka hoe mahalala an’izay tsara indrindra ho antsika ilay Mpamorona antsika.—Romanina 12:1.

 “Aza miantehitra amin’ny fahaizanao.” Mila miantehitra amin’Andriamanitra isika satria tsy azo ianteherana ny fomba fisainantsika. Tsy lavorary mantsy isika. Raha miantehitra amin’ny fahaizantsika na ny fihetseham-pontsika fotsiny isika, dia mety hieritreritra hoe tsara ny fanapahan-kevitra raisintsika, nefa mety ho ratsy ny vokany avy eo. (Ohabolana 14:12; Jeremia 17:9) Hendry lavitra noho isika anefa Andriamanitra. (Isaia 55:8, 9) Hahomby izay ataontsika raha manaraka ny toroheviny isika.—Salamo 1:1-3; Ohabolana 2:6-9; 16:20.

 “Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao.” Mila fantarintsika hoe inona ny hevitr’Andriamanitra, alohan’ny handraisantsika fanapahan-kevitra lehibe. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Mivavaka aminy isika mba hanoro hevitra antsika, dia manaraka an’izay lazainy ao amin’ny Teniny koa isika.—Salamo 25:4; 2 Timoty 3:16, 17.

 “Hataony mandeha tsara ny fiainanao.” Ampian’i Jehovah hankatò ny lalàny isika, mba hahatonga ny fiainantsika handeha tsara. (Ohabolana 11:5) Tsy midi-kizo isika amin’izay, dia falifaly kokoa.—Salamo 19:7, 8; Isaia 48:17, 18.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Ohabolana 3:5, 6?

 Misy toro lalana manampy antsika ho sambatra sy hampifaly an’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny Ohabolana. Hoatran’ny hoe torohevitra omen’ny ray be fitiavana ho an’ny zanany tena tiany ny toko sivy voalohany. Asongadin’ny toko faha-3 hoe inona ny soa horaisin’izay mankamamy sy mankatò ny torohevitra feno fahendrena avy amin’ilay Mpamorona antsika.—Ohabolana 3:13-26.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.