Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Isaia 26:3: “Ny Saina Tsy Miovaova dia Harovanao ao Amin’ny Fiadanana Tanteraka”

Isaia 26:3: “Ny Saina Tsy Miovaova dia Harovanao ao Amin’ny Fiadanana Tanteraka”

 “Harovanao izay miantehitra tanteraka aminao. Hampiadaninao foana izy ireo, satria ianao no itokisany.”​—Isaia 26:3, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.”​—Isaia 26:3, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Isaia 26:3 holazaina?

 Asehon’i Isaia mpaminany amin’ireo teny manome toky ireo hoe arovan’Andriamanitra izay miantehitra tanteraka aminy. Ataony izay hahatonga azy ireo hiadana sy hahatsiaro hoe voaro.

 “Harovanao izay miantehitra tanteraka aminao.” Miresaka momba ny olona tena tapa-kevitra ny hitoky amin’i Jehovah a Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra io ampahany amin’ilay andininy io. Miaiky ny olona hoatr’izany hoe mila miantehitra amin’Andriamanitra foana izy. Tsy miantehitra amin’ny heviny manokana fotsiny, ohatra, izy rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Aleony kosa mampifanaraka an’izay ataony amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra. (Ohabolana 3:5, 6) Mamaky tsara ny Tenin’Andriamanitra izy, izany hoe ny Baiboly, sady misaintsaina lalina an’izay vakiny, dia izay no ahafantarany ny fihevitr’Andriamanitra momba ny toe-javatra anankiray. (Salamo 1:2; 119:15) Rehefa misy olana mahazo azy dia mivavaka mafy amin’i Jehovah izy mba hanampy azy. (Salamo 37:5; 55:22) Asehony amin’izany rehetra izany hoe miantehitra amin’Andriamanitra izy. Omen’Andriamanitra fiadanana izy rehefa mitoky aminy hoatr’izany.

 “Hampiadaninao foana izy ireo.” Miseho eo indroa ilay teny midika hoe “fiadanana” ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany, satria tiana hasongadina ilay izy. Azo adika hoe “fiadanana foana” na “fiadanana tanteraka” na “tena fiadanana” ilay izy, mba hivoaka tsara izay hevitra izay. Raha atao amin’ny teny hafa dia azo lazaina hoe hiadana izay miantehitra tanteraka amin’i Jehovah, izany hoe ho tony foana izy any anatiny any, na inona na inona zavatra iainany. (Salamo 112:7; 119:165) Manana an’io fiadanana anaty io izy satria mifandray tsara amin’i Jehovah, sady miezaka mafy mba hanao zavatra tsara eo imasony foana.​—Ohabolana 3:32; Isaia 48:18.

 Ilay hoe ‘miadana foana’ anefa tsy midika hoe esorin’Andriamanitra daholo izay olana mahazo ny mpanompony, dia amin’izay ry zareo tsy manahy mihitsy. (1 Samoela 1:6, 7; Joba 6:1, 2; Salamo 31:9) Ampiany hiatrika an’ireny olana ireny kosa ry zareo. (Isaia 41:10, 13) Valiany ny vavaka ataon-dry zareo, dia omeny fahendrena sy hery ary fampiononana ry zareo. (Salamo 94:19; Ohabolana 2:6; Isaia 40:29) Vokatr’izany dia lasa tony foana ry zareo na dia misy zava-tsarotra atrehiny aza.​—Filipianina 4:6, 7.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Isaia 26:3?

 Velona tany ho any amin’ny 2 800 taona lasa tany i Isaia mpaminany. Be dia be tamin’ny mponina tao Joda no nivadika tamin’izay, dia tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitra. Navelan’i Jehovah ho rava àry i Jerosalema renivohitr’i Joda, tamin’ny 607 T.K.

 Nanoratra hira fiderana ho an’i Jehovah anefa i Isaia, 100 taona mahery talohan’io fandravana io. Hita ao amin’ny toko 26 amin’ny bokiny izany. (Isaia 26:1-6) Asehon’io hira io fa haverina amin’ny laoniny indray ny tanàna iray any Joda indray andro any. Azo inoana fa i Jerosalema io tanàna io.

 Voaorina indray i Jerosalema, taorian’ny taona 537 T.K. Niverina tany Jerosalema ny Jiosy tsy nivadika tamin’izay, dia nahatsiaro ho voaro sady afaka niteny hoe: “Manana tanàna matanjaka isika.” (Isaia 26:1) Tsy ilay manda ngezabe nanodidina an’ilay tanàna anefa no nahatonga an’ilay izy hatanjaka, fa ny fitahian’i Jehovah sy ny fiarovany.​—Isaia 26:2.

 Hoatr’izany koa amin’izao. Mahatsiaro ho voaro izay miantehitra tanteraka amin’i Jehovah, satria ataon-dry zareo hoatran’ny “Vatolampy” na fialofana izy.​—Isaia 26:4.

 Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’i Isaia.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?