Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Nieritreritra Be Aho hoe Ahoana no Hiafaran’ny Fiainako”

“Nieritreritra Be Aho hoe Ahoana no Hiafaran’ny Fiainako”
  • TERAKA: 1941

  • FIRENENA: AOSTRALIA

  • FIAINANY TALOHA: MPIFOKA SIGARA SADY MPIBOBOKA TOAKA

NY FIAINAKO TALOHA:

Nihalehibe tany Warialda, tanàna kely any Nouvelle-Galles Atsimo, aho. Mpiompy omby aman’ondry ny olona any sady mpamboly. Madio io tanàna io, ary tsy dia misy heloka bevava.

Folo mianadahy izahay, ary izaho no lahimatoa. Vao 13 taona aho dia efa niasa, mba hanampiana ny vola niditra tao an-trano. Tsy dia nahita fianarana anefa aho, ka niasa tany amin’ny toeram-piompiana. Mpamolaka soavaly no asako tamin’izaho 15 taona.

Nisy lafy tsarany sy lafy ratsiny ny niasa tany amin’ny toeram-piompiana. Tena tiako ny asako sy ny tontolo iainana tany. Nitanina afo aho rehefa alina, ary nijery ny volana sy ny kintana. Ny tsio-drivotra koa nitondra ny hanitry ny kirihitrala teny amin’ny manodidina. Nieritreritra aho tamin’izay hoe tsy maintsy ho nisy namorona ireny zavatra mahatalanjona ireny. Ny tsininy anefa dia izao: Fandre matetika ny olona niteny ratsy, ary tsy sarotra ny nahita sigara, ka lasa zatra nifoka sigara sy niteny ratsy aho.

Nifindra tany Sydney aho tamin’izaho 18 taona. Mba te ho lasa miaramila aho fa tsy voaray satria tsy dia nahita fianarana. Nahita asa aho ary nijanona tany herintaona. Tamin’izay aho no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nanasa hivory aho ary nandeha tokoa. Tsapako avy hatrany hoe marina ny fampianaran’izy ireo.

Tapa-kevitra ny hiverina tany ambanivohitra anefa aho, tsy ela taorian’izay, ka tonga teto Goondiwindi, atỳ Queensland. Nahita asa aho ary nanambady. Nanomboka nisotro toaka koa anefa aho.

 Rehefa teraka ireo zanakay roa lahy, dia nanomboka nieritreritra be aho hoe ahoana no hiafaran’ny fiainako. Tadidiko ireo zavatra noresahina tamin’ny fivorian’ny Vavolombelona tany Sydney, ka nanapa-kevitra ny hanao zavatra aho.

Nahita Tilikambo Fiambenana efa tranainy aho, ary nisy adiresin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Aostralia tao. Nanoratra tany aho, ka nisy Vavolombelona iray tsara fanahy sy be fitiavana tonga nitsidika ahy. Tsy ela izahay dia niara-nianatra Baiboly.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Tsapako fa tena nila niova aho, rehefa nandeha ny fianarana. Nisy vokany be tamiko, ohatra, ny 2 Korintianina 7:1, izay mampirisika antsika “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo.”

Nanapa-kevitra aho fa tsy hifoka sigara na hiboboka toaka intsony. Efa fanaoko hatramin’ny ela ireo, ka tsy mora ny niala taminy. Vonona ny hiova anefa aho mba hampifaliana an’Andriamanitra. Tena nanampy ahy ny toro lalana ao amin’ny Romanina 12:2 hoe: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo.” Tsapako hoe ny fomba fisainako mihitsy no mila miova, raha te hanova ny fahazarako aho. Tokony hanana ny fomba fijerin’Andriamanitra aho, ka hiaiky hoe ratsy ireny zavatra fanaoko ireny. Nanampy ahy izy, ka resiko ihany ireo fahazaran-dratsiko ireo.

“Tsapako hoe ny fomba fisainako mihitsy no mila miova, raha te hanova ny fahazarako aho”

Tena tsy mora tamiko anefa ny tsy hiteny ratsy intsony. Fantatro ilay torohevitra ao amin’ny Efesianina 4:29 hoe: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo.” Tsy tonga dia nahavita nampihatra an’izany anefa aho. Nanampy ahy ny nisaintsaina ny Isaia 40:26. Izao no lazainy momba ny lanitra feno kintana: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.” Nieritreritra aho hoe raha manana hery hamoronana an’izao rehetra izao midadasika Andriamanitra, tsy ho vitany koa ve ny hanampy ahy hiova mba hampifaliana azy? Nivavaka mafy aho ary niezaka be, ka tsy niteny ratsy intsony tatỳ aoriana.

NY SOA NORAISIKO:

Tsy dia afaka niresaka tamin’olona aho, tamin’izaho namolaka soavaly. Tsy dia nisy olona mantsy teny akaikin’ireo toeram-piompiana niasako. Nianatra naneho hevitra anefa aho, noho ireo fampiofanana tany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanampy ahy hiresaka tamin’ny olona momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra koa ireny fampiofanana ireny.—Matio 6:9, 10; 24:14.

Efa taona maromaro aho izao no anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Raisiko ho tombontsoa ny manao izay azoko atao mba hanampiana ny mpiray finoana amiko. Ny fitahiana lehibe indrindra azoko anefa, dia ny hoe miara-manompo an’i Jehovah izahay mianakavy.

Misaotra an’i Jehovah aho noho izy vonona ny hampianatra ahy, izay olona tsy dia nahita fianarana. (Isaia 54:13) Marina mihitsy ny voalazan’ny Ohabolana 10:22 hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena.” Tsy andrinay mianakavy ny hianarana bebe kokoa momba an’i Jehovah sy hanompoana azy mandrakizay.