Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafoy Tena Izy Ireo: Philippines

Nahafoy Tena Izy Ireo: Philippines

NIASA manontolo andro sady mpisava lalana tany Manille i Gregorio sy Marilou, folo taona lasa izay, tamin’izy mivady 30 taona mahery. Sarotra ilay izy, nefa vitan’izy ireo ihany. Lasa tale tao amin’ilay banky niasany i Marilou, tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tena niadana izahay satria tsara asa.” Be vola izy ireo ka nanapa-kevitra ny hanao trano teo amin’ny toerana iray tena tsara, 19 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’i Manille. Nanakarama orinasa iray izy ireo mba hanorina an’ilay trano faran’izay tsara, ary nanaiky handoa vola isam-bolana mandritra ny folo taona.

“TOY NY NANDROBA AN’I JEHOVAH AHO”

Hoy i Marilou: “Nandany fotoana sy hery be ilay asako vaovao, ka lasa kamokamo aho teo amin’ny ara-panahy. Tsapako fa toy ny nandroba an’i Jehovah aho.” Hoy koa izy: “Tsy afaka nanome an’i Jehovah an’ilay fotoana natokako hanompoana azy intsony aho.” Nahakivy azy mivady izany, ka nipetraka mihitsy izy ireo indray andro mba handinika hoe inona marina no tanjony. Hoy i Gregorio: “Te hanova zavatra izahay, nefa tsy hitanay izay hatao. Nodinihinay izay azonay atao mba hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa, sady izahay tsy  nanan-janaka. Nangataka tari-dalana tamin’i Jehovah izahay.”

Nandre lahateny maromaro momba ny fanitarana faritany izy ireo. Hoy i Gregorio: “Tsapanay hoe valim-bavaka ireny lahateny ireny.” Nivavaka izy mivady mba hanana finoana bebe kokoa, ka hanana herim-po handraisana fanapahan-kevitra tsara. Ilay tranon-dry zareo no tena olana, satria efa natomboka ny fanorenana sady efa nandoa vola nandritra ny telo taona ry zareo. Inona àry no nataon’izy mivady? Hoy i Marilou: “Ho very daholo ny vola be efa naloanay, raha ajanonay ny fanamboarana an’ilay trano. Tsapanay anefa hoe nila nisafidy izahay, na hanao loha laharana ny sitrapon’i Jehovah, na hanao izay tianay.” Nosaintsainin’izy ireo ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe ‘niditra fatiantoka’ izy. (Fil. 3:8) Najanon’izy ireo àry ny fanorenana an’ilay trano, nialany ny asany, namidiny ny ankamaroan’ny fananany, ary nifindra tany amin’ny nosy Palawan, tokotokony ho 480 kilaometatra any atsimon’i Manille, izy ireo.

‘NIANATRA’ NY HO AFA-PO AMIN’IZAY MISY

Efa niomana ny hanana fiainana tsotra i Gregorio sy Marilou, talohan’ny nifindrany. Rehefa tonga tany Palawan anefa izy ireo vao tena hitany izany fiainana tsotra izany. Hoy i Marilou: “Tsy nampoizinay mihitsy fa hay ilay toerana tsy misy herinaratra na fitaovana mba manamoramora ny fiainana. Tsy maintsy nikapa kitay izahay mba handrahoana vary, fa tsy afaka nampiasa fitaovana fandrahoam-bary mandeha amin’ny herinaratra. Nalahelo aho fa tsy afaka niantsena tany amin’ny fivarotana lehibe sy nisakafo tany amin’ny hotely ary nanao an’ireo zavatra hafa fanao tany an-tanàn-dehibe.” Notadidin’izy mivady foana anefa ny antony nifindrany tany, ary tsy ela dia zatra ihany izy ireo. Hoy i Marilou: “Faly aho izao mandinika ny hakanton’ny zavaboary, anisan’izany ny kintana mamirapiratra amin’ny alina. Fa ny tena mahafinaritra ahy dia ny mahita ny olona miramirana rehefa itorianay. ‘Nianatra’ ny ho afa-po amin’izay misy izahay tatỳ.”—Fil. 4:12.

“Tsy misy mahafaly noho ny hoe mahita olona maro manaiky ny fahamarinana! Izao vao tena tsapanay fa misy dikany ny fiainanay.”—Gregorio sy Marilou

Hoy i Gregorio: “Efatra monja ny Vavolombelona tatỳ, tamin’izahay vao tonga. Faly be izy ireo rehefa nanomboka nanao lahateny ho an’ny besinimaro isan-kerinandro aho, sady nitendry gitara nandritra ny hira tany am-pivoriana.” Nitombo be ilay antoko-mpitory tao anatin’ny herintaona, ka lasa fiangonana nisy mpitory 24. Hoy i Gregorio: “Be fitiavana ilay fiangonana ary tena manohina ny fonay izany.” Enin-taona izao izy mivady no tany amin’ilay faritra mitokana, ka izao no tsapany: “Tsy misy mahafaly noho ny hoe mahita olona maro manaiky ny fahamarinana! Izao vao tena tsapanay fa misy dikany ny fiainanay.”

 “‘NANANDRANA’ AHO KA NAHITA FA ‘TSARA I JEHOVAH’!”

Rahalahy sy anabavy efa ho 3 000 any Philippines no manitatra faritany. Ny 500 eo ho eo amin’ireo no anabavy mpitovo. Anisan’izy ireo i Karen.

Karen

Lehibe tany Baggao, any Cagayan, i Karen, izay 25 taona. Matetika izy no nieritreritra ny hanitatra faritany, tamin’izy mbola tsy ampy taona. Hoy izy: “Fantatro fa kely sisa ny fotoana tavela nefa mila mandre ny vaovao tsara ny karazan’olona rehetra. Te hitory any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa àry aho.” Nisy havany nilaza hoe aleo manao fianarana ambony, toy izay hifindra any amin’ny toerana lavitra mba hitory. Nitady tari-dalana tamin’i Jehovah i Karen, sady niresaka tamin’ny mpitory manompo any amin’ny toerana mitokana. Nifindra tany amin’ny tanàna iray any amin’ny 64 kilaometatra avy teo Baggao àry izy, tamin’izy 18 taona.

Nanampy fiangonana kely tany amin’ny faritra be tendrombohitra manamorona ny Ranomasina Pasifika i Karen. Hoy izy: “Nandeha an-tongotra telo andro avy ao Baggao izahay, vao tonga tany amin’ilay fiangonana. Namakivaky tendrombohitra sy niampita renirano in-30 mahery izahay tamin’izany.” Hoy koa izy: “Nandeha an-tongotra adiny enina aho vao tonga tany amin’ny mpianatra Baiboly sasany. Natory tany aho, ary nandeha adiny enina indray ny ampitson’iny rehefa nody.” Nisy vokany ve izany ezaka be nataony izany? Hoy izy: “Nanaintaina aloha ny tongotro indraindray e!” Nitsiky be izy avy eo nilaza hoe: “Nahatratra 18 be izao anefa ny fampianarako Baiboly. ‘Nanandrana’ aho ka nahita fa ‘tsara i Jehovah’!”—Sal. 34:8.

‘NIANATRA NITOKY TAMIN’I JEHOVAH AHO’

Sukhi

Anabavy mpitovo 40 taona mahery kely i Sukhi, ary avy any Etazonia. Inona no nandrisika azy hifindra tany Philippines? Nisy mpivady nadinadinina tamin’ny fivoriamben’ny faritra natrehiny tamin’ny 2011. Nitantara ilay mpivady hoe namidiny ny ankamaroan’ny fananany, ary nifindra tany Meksika izy ireo mba hanampy tamin’ny fitoriana tany. Hoy i Sukhi: “Nahatonga ahy hieritreritra tanjona mbola tsy noeritreretiko mihitsy iny fanadinadinana iny.” Ren’i Sukhi hoe mila fanampiana ny mpitory any Philippines mba hitoriana amin’ny Karàna miteny pendjabi, ka nifindra tany izy. Karàna koa mantsy izy. Nisy zava-tsarotra natrehiny ve?

Hoy i Sukhi: “Tena sarotra ny nifidy an’izay entana hamidy sy tsy hamidy. Efa zatra nipetraka irery sy niadana koa aho nandritra ny 13 taona, nefa lasa tsy maintsy niara-nipetraka tamin’ny fianakaviako. Nanampy ahy ho zatra fiainana tsotra  izany, na dia tsy mora aza.” Inona indray no zava-tsarotra natrehiny rehefa tonga tany Philippines izy? Hoy izy: “Faran’izay natahotra bibikely aho. Izany no tena mafy tamiko, ankoatra ny hoe manina ny tany aminay. Vao mainka aho nianatra nitoky tamin’i Jehovah.” Nanenina ve izy? Tsia. Nitsiky izy sady niteny hoe: “Efa nilaza i Jehovah hoe: ‘Tsapao toetra aho dia handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo.’ Tsapako hoe tena marina ireo teny ireo, rehefa misy olona itoriako manontany hoe: ‘Rahoviana ianao no afaka miverina fa misy fanontaniana be dia be tiako hapetraka aminao?’ Tena faly sy afa-po aho fa afaka manampy olona hianatra momba an’i Jehovah!” (Mal. 3:10) Hoy koa i Sukhi: “Ny nanapa-kevitra no sarotra indrindra. Raha vao tapa-kevitra ny hifindra anefa aho, dia nahagaga fa nalamin’i Jehovah ny zava-drehetra.”

NANDRESY NY TAHOTRA IZY

Rahalahy manambady i Sime, ary efa ho 40 taona. Niala tany Philippines izy satria nahita asa be karama tany amin’ny tany iray any atsimo andrefan’i Azia. Nampaherezin’ny mpiandraikitra ny faritra izy tany, sady nandre lahateny nataon’ny rahalahy iray anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nandrisika azy hanao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah izany. Hoy i Sime: “Natahotra be aho raha vao nieritreritra hoe hiala amin’ny asako.” Nialany ihany anefa ilay asa ary nody tany Philippines izy. Manompo any Davao del Sur, any amin’ny faritra atsimo, izao izy sy Haidee vadiny. Tena mila mpitory maro any satria midadasika be ny faritany. Hoy i Sime: “Tena faly aho satria na dia natahotra ny hiala tamin’ny asako aza, dia resiko izany ary nataoko loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy misy mahafa-po noho ny manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah!”

Sime sy Haidee

“TENA MAHAFA-PO ILAY IZY”

Mpisava lalana i Ramilo sy Juliet vadiny, izay samy 30 taona mahery kely. Nanolo-tena hanampy izy ireo, rehefa nandre hoe misy fiangonana mila fanampiana, tokotokony ho 30 kilaometatra avy eo aminy. Mandeha mivory sy mitory any izy mivady isan-kerinandro, na tsara ny andro na ratsy, ka môtô no ivezivezeny. Hoy i Ramilo: “Manana mpianatra 11 izahay mivady. Tena mahafa-po ny manitatra faritany, na dia misy zavatra tsy maintsy afoinao aza.”—1 Kor. 15:58.

Juliet sy Ramilo

Mahaliana anao ve ny hanitatra faritany ao amin’ny tany misy anao na any an-tany hafa? Miresaha amin’ny mpiandraikitra ny faritrareo, ary vakio ilay lahatsoratra hoe “Afaka ‘Miampita Mankany Makedonia’ ve Ianao?”, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 2011.