Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Burnett, Simone, Eston, ary Caleb

Nahafoy Tena Izy Ireo: Oseania

Nahafoy Tena Izy Ireo: Oseania

EFA tia nanompo foana ny fianakavian’i Reneé, nanomboka tamin’izy mbola kely. Avy any Aostralia io anabavy io, ary 35 taona eo ho eo. Hoy izy: “Imbetsaka izahay no nifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa. Nataon’ny dadanay sy mamanay nahafinaritra be foana ny fiainanay ka tsy nankaleo mihitsy. Rehefa nanan-janaka roa aho tatỳ aoriana, dia tiako ho hoatr’izany koa ny fiainan-dry zareo.”

Nitovy tamin’izany koa ny tanjon’i Shane vadin’i Reneé. Efapolo taona latsaka kely i Shane. Hoy izy: “Vao teraka kelikely ny zanakay faharoa, dia nisy Tilikambo Fiambenana iray novakinay. Hitanay tao hoe nisy fianakaviana nitondra sambo nankany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Pasifika, mba hitory tany amin’ny Nosy Tonga. * Nisy vokany tsara taminay izany, ka nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’i Aostralia sy Nouvelle-Zélande izahay mba hanontany hoe aiza no mila mpitory maro kokoa. * Nasaina nifindra tany Tonga àry izahay. Ilay tany voaresaka tao amin’ilay lahatsoratra mihitsy no nasaina nalehanay!”

Jacob, Reneé, Skye, ary Shane

Nisy rotaka nisesisesy tany Tonga, herintaona teo ho eo taorian’ny nahatongavan’i Shane sy Reneé ary Jacob sy Skye zanany. Voatery nody tany Aostralia ry zareo nefa mbola te hanitatra faritany foana. Nifindra tany amin’ny Nosy Norfolk izy mianakavy tamin’ny 2011. Nosy kely any Pasifika izy io, ary 1500 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’i Aostralia. Dia nanao ahoana ny tany? Hoy i Jacob, izay 14 taona izao: “Nikarakara anay i Jehovah, dia nataony nahafinaritra be koa ny fanompoanay.”

SAMY NIEZAKA NY TSIRAIRAY

Maro koa ny fianakaviana Vavolombelona nahafoy tena toa an-dry Shane sy Reneé ary ny zanany, ka nandeha nanitatra faritany. Inona no nandrisika azy ireo?

“Be dia be ny olona liana tamin’ny vaovao tsara, ka tianay hampianarina Baiboly tsy tapaka.”—Burnett

Nifindra tany Burketown, tanàna any ambanivohitr’i Queensland, any Aostralia, i Burnett sy Simone, mpivady 35 taona eo ho eo. Nentin-dry zareo koa i Eston zanany lahy 12 taona, sy Caleb, izay 9 taona izao. Hoy i Burnett: “Isaky ny telo taona na efa-taona vao nisy Vavolombelona nitory tany. Be dia be ny olona liana tamin’ny vaovao tsara, ka tianay hampianarina Baiboly tsy tapaka.”

Jim, Jack, Mark, ary Karen

Samy 50 taona mahery kely i Mark sy Karen. I Jessica sy Jim ary Jack no zanany. Niara-nanompo tamin’ny fiangonana maromaro tany akaikin’i Sydney, any Aostralia izy ireo, ary nifindra tany Nhulunbuy avy eo. Tanàna mitokana any amin’ny Faritany Avaratra any Aostralia izy io, ary misy toeram-pitrandrahana. Hoy i Mark: “Tia manampy olona aho ka tiako raha misy zavatra betsaka azoko atao eo anivon’ny fiangonana sy eny amin’ny fanompoana.” Tsy nazoto hifindra kosa i Karen. Nitantara anefa izy tatỳ aoriana hoe: “Nanandrana ihany aho rehefa avy nampirisihin’i Mark sy ny olon-kafa. Soa ihany aho fa nandeha!”

Benjamin, Jade, Bria, ary Carolyn

Avy any Queensland, any Aostralia, i Benjamin sy Carolyn ary Jade sy Bria zanany vavikely roa. Nifindra tany Timaoro Atsinanana izy ireo tamin’ny 2011. Firenena kely any amin’ny vondronosin’i Indonezia izy io. Hoy i Benjamin: “Efa mpisava lalana manokana teto Timaoro Atsinanana izahay mivady taloha. Nahafinaritra be ny fanompoana ary tena nanohana anay ny mpiara-manompo. Nalahelo be izahay niala teto ka tapa-kevitra hoe mbola hiverina. Niteraka izahay avy eo, nefa tsy novanay ny tanjonay fa nahemotray fotsiny.” Hoy ihany i Carolyn: “Tianay hiaraka foana amin’ny misionera sy Betelita ary mpisava lalana manokana ny zanakay, amin’izay koa ry zareo tia manompo an’i Jehovah.”

INONA AVY NO TOKONY HODINIHINA?

Hoy i Jesosy: ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany?’ (Lioka 14:28) Mila mandinika tsara àry izay fianakaviana te hifindra any an-toeran-kafa. Inona avy no tokony hodinihina?

MIFANDRAY TSARA AMIN’I JEHOVAH VE AHO? Hoy i Benjamin: “Hanampy olona no halehanay atỳ fa tsy hanahirana olona. Niezaka nifandray tsara tamin’i Jehovah àry aloha izahay vao nifindra. Niezaka koa izahay mba hazoto hanompo sy hanao zavatra betsaka kokoa teo anivon’ny fiangonana.”

Hoy koa i Jacob: “Be dia be ny Tilikambo sy Mifohaza! miresaka fianakaviana nandeha nanitatra faritany, dia namaky an’ireny izahay talohan’ny nifindranay teto amin’ny Nosy Norfolk. Nodinihinay hoe inona ny olana natrehiny, dia ahoana no nanampian’i Jehovah azy.” Hoy indray i Skye anabaviny, izay 11 taona: “Nivavaka im-be dia be aho, dia niara-nivavaka tamin’i Dada sy Neny koa!”

AHOANA RAHA MALAHELO? Hoy i Reneé: “Tamana tsara tany aminay aho satria nisy havanay sy namanay teny akaiky teny, sady tiako ilay tanàna. Niezaka tsy hifantoka tamin’izany anefa aho fa nitadidy hoe inona no soa ho azonay raha mifindra.”

ARY RAHA HAFA NY KOLONTSAINA ANY? Maro ny fianakaviana mamantatra mialoha an’ilay toerana hifindrany. Hoy i Mark: “Niezaka namaky fanazavana be dia be momba an’i Nhulunbuy izahay. Nandefasan’ny rahalahy teto gazety mpiseho isan’andro izahay mba ho fantatray mialoha hoe hoatran’ny ahoana ny mponina eto sy ny kolontsainy.”

Hoy i Shane: “Niezaka nanana toetra tsara aho, ohatra hoe manao ny marina, tsara fanahy, tsotra, ary mazoto miasa. Fantatro hoe hety amiko foana izay toerana halehako, raha manana an’ireo toetra ireo aho.”

AHOANA RAHA MISY OLANA?

Milaza ny mpitory maro efa nanitatra faritany fa tokony ho vonona hiaina mifanaraka amin’ny zava-misy sy tsy ho mora kivy ianao, raha tianao handeha tsara ny fanompoanao.

Hoy i Reneé: “Rehefa manonja be ny ranomasina, dia tsy tonga hatratỳ ny sambo ka tsy dia misy ny sakafo sady lafo be. Mitady hevitra isan-karazany àry aho rehefa mikarakara sakafo. Izany koa no ataoko rehefa misy olana hafa.” Hoy koa i Shane, vadiny: “Miezaka koa izahay mba tsy handany vola mihoatra an’izay efa eritreretinay holanina mandritra ny herinandro.”

Misy olana hafa koa anefa. Hoy i Jacob zanak’izy ireo: “Tsy nisy ankizy azoko natao namana mihitsy, tao amin’ilay fiangonanay. Fito fotsiny ny olona tao ankoatra anay, sady amin’izay olon-dehibe daholo. Niara-nanompo tamin-dry zareo anefa aho dia lasa mpinamana izahay.”

Nitovitovy tamin’izany koa ny nanjo an’i Jim, izay 21 taona izao. Hoy izy: “Any amin’ny 725 kilaometatra mahery miala eto Nhulunbuy, vao misy fiangonana hafa. Miezaka ho tonga aloha àry izahay rehefa fivoriambe, amin’izay afaka mifanerasera tsara amin’ny rahalahy sy anabavy. Ireny no fotoana mahafinaritra anay indrindra isan-taona.”

“SOA IHANY IZAHAY FA NANKATỲ!”

Hoy ny Ohabolana 10:22: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena.” Maro ny mpanitatra faritany mahatsapa fa marina izany.

Hoy i Mark: “Nisy vokany tsara tamin’ny zanakay ny nifindranay tatỳ. Izany no fitahiana tsara indrindra azonay. Ireo zanakay efa lehibebe izao lasa tena matoky hoe karakarain’i Jehovah izay manao loha laharana an’ilay Fanjakana. Tena tsy voavidim-bola izany aminay!”

Hoy i Shane: “Lasa mifandray kokoa amin’ny vadiko sy ny zanako aho izao. Faly erỳ aho rehefa maheno an-dry zareo miresaka an’izay nataon’i Jehovah ho azy.” Hoy koa i Jacob, zanany lahy: “Tiako be atỳ. Soa ihany izahay fa nankatỳ!”

^ feh. 3 Jereo ilay hoe “Naman’Andriamanitra any Amin’ny ‘Nosy Sariaka’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2004, pejy 8-11.

^ feh. 3 Natambatra ny sampan’i Aostralia sy Nouvelle-Zélande tamin’ny 2012, ka lasa hoe Sampan’i Aostralazia.