Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafoy Tena Izy Ireo: Myanmar

Nahafoy Tena Izy Ireo: Myanmar

HOY i Jesosy, 2 000 taona lasa teo ho eo izay: ‘Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra mba haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.’ (Lioka 10:2) Mahalaza tsara ny zava-misy any Myanmar izany. Miisa 55 tapitrisa ny mponina any, nefa 4 200 eo ho eo monja ny mpitory ny vaovao tsara.

Rahalahy sy anabavy an-jatony anefa izao no manitatra any Myanmar, any Azia Atsimoatsinanana. Nandrisika azy ireo hifindra any i Jehovah, ilay “Tompon’ny vokatra.” Nahoana ireo mpitory avy any amin’ny tany samihafa ireo no niala tany amin’ny taniny mba hanitatra any? Ahoana no nahavitany an’izany, ary inona no fitahiana azony?

“TONGAVA FA MBOLA MILA MPISAVA LALANA IZAHAY!”

Mpisava lalana avy any Japon i Kazuhiro. Nifanintona izy taona vitsivitsy lasa izay, dia tsy nahatsiaro tena ka nentina tany amin’ny hopitaly. Voan’ny androbe izy. Nilaza ny dokotera hoe tsy mahazo mitondra fiara izy roa taona. Kivy be i Kazuhiro! Tena tiany ny asan’ny mpisava lalana, dia nieritreritra izy hoe: ‘Izaho te ho mpisava lalana foana, dia ahoana izany no hataoko?’ Niangavy mafy an’i Jehovah izy mba hanampy azy hanohy ny asan’ny mpisava lalana.

Kazuhiro sy Mari

Hoy i Kazuhiro: “Henon’ilay namako nanompo tatỳ Myanmar ny nahazo ahy, iray volana taorian’izay. Niantso ahy izy dia niteny hoe: ‘Bisy no tena miasa atỳ Myanmar. Ho afaka hanohy ny fanompoanao ianao raha mankatỳ, satria tsy voatery mitondra fiara.’ Nanontany an’ilay dokotera àry aho hoe afaka mankany Myanmar ve aho na dia marary aza. Gaga be aho fa namaly izy hoe: ‘Misy dokotera avy any Myanmar tonga eto Japon izao. Manam-pahaizana momba ny androbe izy. Hampahafantariko anao izy, ka raha sanatria mifanintona ianao any dia afaka mikarakara anao izy.’ Tena valim-bavaka avy tamin’i Jehovah izany.”

Tonga dia nandefa e-mail tany amin’ny biraon’ny sampan’i Myanmar i Kazuhiro. Nosoratany tao hoe te hanao mpisava lalana any izy sy Mari vadiny. Dimy andro monja taorian’izay dia namaly ny sampana tany hoe: “Tongava fa mbola mila mpisava lalana izahay!” Namidin’izy mivady àry ny fiarany roa, ary naka vizà ry zareo dia nividy tapakila handehanana fiaramanidina. Faly be ry zareo izao manompo miaraka amin’ny fiangonana tenin’ny tanana any Mandalay, any Myanmar. Hoy i Kazuhiro: “Vao mainka izahay lasa matoky ny Salamo 37:5, hoe: ‘Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary miantehera aminy, dia hanao zavatra izy.’”

MANAMPY I JEHOVAH

Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Myanmar tamin’ny 2014. Maro ny Vavolombelon’i Jehovah avy any an-tany hafa tonga nanatrika an’ilay izy, anisan’izany i Monique. Avy any Etazonia izy ary 34 taona. Hoy izy: “Rehefa nody aho taorian’ilay fivoriambe, dia nivavaka tamin’i Jehovah hoe inona indray izany izao no tokony hataoko. Noresahiko tamin’i Dada sy Neny koa ny tanjoko ara-panahy. Nitovy hevitra izahay hoe tokony hiverina any Myanmar aho. Elaela anefa aho vao tena tapa-kevitra sady nila nivavaka imbetsaka koa.” Nahoana?

Monique sy Li

Hoy i Monique: “Nampirisika ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ‘hanao kajy ny amin’izay ho lany.’ Dia nieritreritra aho hoe: ‘Ho ampy hankanesako any Myanmar ve ny volako? Hahavita hamelon-tena ve aho rehefa any, na dia tsy handany fotoana be amin’ny asa aza?’” Hoy ihany izy: “Tonga dia hitako hoe tsy ampy hankanesako any ny volako.” Lasa tany ihany anefa izy tatỳ aoriana. Fa ahoana?—Lioka 14:28.

Hoy i Monique: “Nangataka hihaona tamiko ny mpampiasa ahy indray andro. Nieritreritra aho hoe ho voaroaka. Tsy izany anefa no nitranga. Nisaotra ahy ilay mpampiasa fa miasa tsara, hono, aho. Nilaza koa izy hoe hahazo vola fanampiny aho. Ny vola nilaiko mihitsy no azoko!”

Nanompo tany Myanmar i Monique nanomboka tamin’ny Desambra 2014. Ahoana no fahitany an’ilay manitatra? Hoy izy: “Faly be aho manompo atỳ. Manana mpianatra telo aho izao. Bebe 67 taona ny iray. Sady mamihina ahy izy no mitsikitsiky isaky ny miarahaba ahy. Nilatsaka ny ranomasony tamin’izy vao nahalala hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Niteny tamiko izy hoe: ‘Izay aho vao nahafantatra hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Mbola zandriko be ianao, nefa ianao indray ity no nampianatra ahy ny zava-dehibe indrindra tokony ho fantatro!’ Nilatsaka koa ny ranomasoko tamin’izay. Ny zavatra hoatr’izany no mahatonga an’ilay hoe manitatra hahafinaritra be.” Nanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana i Monique vao haingana.

Nandrisika rahalahy sy anabavy hafa hanitatra any Myanmar koa ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2013. Miresaka an’i Myanmar mantsy izy io. Niasa tontolo andro, ohatra, i Li, anabavy 30 taona mahery. Efa tany Azia ihany izy no nipetraka, fa te hifindra tany Myanmar rehefa avy namaky an’ilay Diary. Hoy izy: “Nanatrika an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Yangon, atỳ Myanmar, aho tamin’ny 2014. Nihaona tamin’ny mpivady iray manitatra any amin’ny faritany miteny sinoa aho tany. Nanapa-kevitra àry aho hoe hanampy an’ilay antoko-mpitory miteny sinoa any, satria izaho mahay miteny sinoa. Niaraka tamin’i Monique aho, dia nifindra tany Mandalay izahay. Nampian’i Jehovah izahay, dia nahita asa tapa-potoana. Mampianatra izahay ary sekoly iray ihany no misy anay. Nahita trano tany akaikin’ilay sekoly koa izahay. Mafana be aloha atỳ e! Dia misy olana hafa koa. Fa tiako be anefa ny fanompoana. Tsotra ny fiainan’ny olona atỳ sady mahalala fomba ry zareo, dia mandray tsara koa rehefa itoriana. Mahafinaritra be ny mahita hoe ataon’i Jehovah mandroso haingana ny asa fitoriana. Tena mino aho hoe tian’i Jehovah hanompo atỳ Mandalay aho.”

MIHAINO VAVAKA I JEHOVAH

Maro ny mpanitatra nahatsapa fa tena misy heriny ny vavaka. Anisan’izany i Jumpei, 37 taona, sy Nao vadiny, 35 taona. Efa tao amin’ny fiangonana tenin’ny tanana tany Japon izy mivady, fa nifindra any Myanmar. Nahoana? Hoy i Jumpei: “Efa tanjonay mivady hatramin’izay ny hoe hanitatra any an-tany hafa. Nisy rahalahy tao amin’ny fiangonanay nifindra tatỳ Myanmar, dia nifindra koa izahay tamin’ny Mey 2010, na dia kely aza ny tahirim-bolanay. Nandray tsara anay ny mpiara-manompo teto Myanmar.” Ahoana no fahitany ny fitoriana any? Hoy izy: “Be dia be ny marenina liana amin’ny vaovao tsara. Variana be ry zareo rehefa ampisehoanay video. Tena faly izahay nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah atỳ!”

Nao sy Jumpei

Ary ahoana ny fiveloman-dry zareo? Hoy i Jumpei: “Kely sisa ny tahirim-bolanay rehefa afaka telo taona. Tsy ampy handoavana ny hofan-trano ho an’ny taona manaraka akory ilay izy. Nitalaho imbetsaka tamin’i Jehovah àry izahay mivady. Gaga be izahay indray andro fa nahazo taratasy avy tany amin’ny sampana nanendry anay ho mpisava lalana manokana tsy maharitra. Natoky an’i Jehovah izahay, dia hitanay hoe tena tsy nanary anay izy. Mikarakara an’izay rehetra ilainay izy.” Nanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana koa i Jumpei sy Nao vao haingana.

BETSAKA NO NOTAOMIN’I JEHOVAH HIFINDRA

Nifindra any Myanmar koa i Montanari sy Anna vadiny. Avy any Italia i Montanari ary 43 taona. I Anna indray avy any Nouvelle-Zélande ary 37 taona. Inona no nahatonga an-dry zareo hifindra? Hoy i Anna: “Ilay tantara momba an’i Myanmar tao amin’ny Diary 2013!” Hoy koa i Montanari: “Tombontsoa be ny manompo atỳ. Tsotra kokoa ny fiainana, dia manam-potoana bebe kokoa aho hanaovana ny asan’i Jehovah. Mahafinaritra be ilay hoe manitatra dia karakarain’i Jehovah!” (Sal. 121:5) Hoy indray i Anna: “Mbola tsy sambatra hoatr’izao aho hatramin’izay! Tsotra ny fiainanay atỳ. Afaka miaraka matetika izahay mivady, dia lasa mifankatia kokoa. Nahazo namana mahafinaritra koa izahay. Tsy mitsaratsara ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona atỳ, sady tena be dia be ny olona liana.”

Montanari sy Anna

Hoy ihany i Anna: “Nitory tamin’ny ankizivavy iray mpianatry ny oniversite aho teny an-tsena, dia nifanao fotoana izahay avy eo. Nitondra namana anankiray izy rehefa nihaona izahay taorian’izay. Nitondra namana vitsivitsy hafa izy avy eo, dia mbola nitondra hafa koa tatỳ aoriana. Dimy amin-dry zareo izao no ampianariko Baiboly.” Hoy i Montanari: “Tsara fanahy ny olona sady te hahalala zavatra. Betsaka no liana amin’ny fahamarinana. Izahay indray aza no tsy maharaka.”

Sachio sy Mizuho

Nisy zavatra nataon’ireo mpanitatra ireo anefa, izay ry zareo vao nanapa-kevitra hifindra. Diniho izay nataon’i Mizuho sy Sachio, mpivady avy any Japon. Hoy i Mizuho: “Efa te hanitatra any an-tany hafa foana izahay, fa tsy fantatray hoe ho aiza. Namaky an’ilay Diary 2013 izahay, dia tena nanohina ny fonay ny fitantarana mampahery ao. Lasa nieritreritra izahay hoe sao dia mba afaka manitatra atỳ Myanmar.” Hoy koa i Sachio: “Nanapa-kevitra izahay hoe ho any Yangon, ilay tanàna lehibe indrindra eto Myanmar. Mba te hahita izahay hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana atỳ. Nijanona tany herinandro izahay, dia resy lahatra hoe tokony hifindra atỳ.”

AFAKA MIFINDRA KOA VE IANAO?

Jane, Danica, Rodney, ary Jordan

Avy any Aostralia i Rodney sy Jane vadiny, ary 50 taona eo ho eo ry zareo. Manan-janaka mianadahy izy mivady. Jordan sy Danica no anarany. Tamin’ny 2010 izy efa-mianaka no nifindra tany Myanmar. Hoy i Rodney: “Nihetsi-po be izahay nahita hoe tena te hahalala an’Andriamanitra ny olona atỳ. Tena mampirisika ny fianakaviana rehetra aho mba hanandrana hanitatra any amin’ny toerana hoatran’i Myanmar.” Nahoana? Hoy ihany izy: “Lasa akaiky be an’i Jehovah izahay. Be dia be izao ny tanora variana loatra amin’ny telefaoniny, ny fiarany, ny asany, na zavatra hafa. Fa ny zanakay indray variana mianatra teny vaovao hampiasaina rehefa manompo. Mianatra mampisaintsaina ny olona tsy mahay Baiboly ry zareo, ary mianatra mamaly amin’ny fitenin’ny olona atỳ rehefa any am-pivoriana. Manao zavatra maro hafa mahafinaritra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa ry zareo.”

Oliver sy Anna

Avy any Etazonia i Oliver ary 37 taona. Mampirisika antsika hanitatra koa izy. Izao no nolazainy: ‘Betsaka ny soa azoko rehefa niala tany amin’ny toerana nahazatra ahy aho mba hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa. Lasa matoky kokoa aho hoe hanampy ahy izy, na inona na inona manjo ahy. Olona mbola tsy fantatro taloha no miara-manompo amiko, nefa mifandray tsara izahay satria mitovy ny zavatra inoanay. Ao amin’ny fandaminan’i Jehovah ihany no misy an’izany!’ Mbola mazoto mitory amin’ny Sinoa any Myanmar izao i Oliver sy Anna vadiny.

Trazel

Tamin’ny 2004 i Trazel no nifindra tany Myanmar. Avy any Aostralia izy ary 52 taona. Hoy izy: “Tena mampirisika an’izay afaka aho hoe mandehana manitatra. Hitako tamin’ny zavatra niainako hoe tahin’i Jehovah ianao rehefa vonona hanompo sady miezaka. Tsy noeritreretiko hoe ho tsara be hoatr’izao ny fiainako rehefa manitatra aho! Faran’izay mahafinaritra sy mahafa-po ilay izy, ary tsy misy zavatra hafa tiako hatao noho izao.”

Misy olona te hahalala ny fahamarinana any amin’ny faritra mbola tsy nisy nitory. Enga anie àry ny tenin’ireo mpanitatra tato ka handrisika anao hieritreritra an’izay azonao atao mba hanampiana azy ireny. Toy ny milaza amintsika ireny mpanitatra ireny hoe: “Mba miampità re mankatỳ Myanmar dia ampio izahay e!”