Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Hizatra Fiangonana Vaovao?

Inona no Hanampy Anao Hizatra Fiangonana Vaovao?

EFA nifindra fiangonana ve ianao? Raha izany, dia mety hitovy hevitra amin’i Jean-Charles ianao. Hoy izy: “Tsy mora ilay hoe mizatra fiangonana vaovao sady miezaka mba hatanjaka ara-panahy foana ny fianakavianao.” Rehefa mifindra ianao, dia mila mitady asa sy trano ary angamba sekoly vaovao. Anisan’ny olana koa anefa ny toe-tany sy ny kolontsaina ary ny faritany vaovao itoriana.

Hafa indray ny olana natrehin’i Nicolas sy Céline. Notendren’ny sampan’i Frantsa hifindra fiangonana ry zareo, dia nanaiky. Izao no notantarainy: “Faly be izahay tamin’ny voalohany. Tsy mora anefa ilay izy avy eo satria nalahelo ny namanay izahay. Mbola tsy tena nifandray am-po tamin’ireo mpiara-manompo tao amin’ny fiangonanay vaovao mantsy izahay.” a Inona àry no hanampy anao ho falifaly sy hanompo tsara foana ao amin’ilay fiangonana vaovao, na eo aza ny olana? Ahoana no azon’ny hafa anampiana? Inona avy ny fitahiana mety ho azonao, ary ahoana no azonao ampaherezana an’ilay fiangonanao vaovao?

TOROLALANA EFATRA HANAMPY ANAO

Miantehera amin’i Jehovah

1. Miantehera amin’i Jehovah. (Sal. 37:5) Efa 20 taona i Kazumi, any Japon, no tao amin’ilay fiangonana nisy azy. Voatery nifindra anefa izy satria voatendry hiasa tany an-toeran-kafa ny vadiny. ‘Nankininy tamin’i Jehovah [àry] ny lalany.’ Ahoana no nataony? Hoy izy: “Naborako tamin’i Jehovah daholo izay tsapako rehefa natahotra aho, nanirery, ary nitebiteby. Nomeny an’izay hery nilaiko aho isaky ny nanao an’izany.”

Inona no hanampy anao hatoky kokoa an’i Jehovah? Mila rano sy sakafo mahavelona avy amin’ny tany, ohatra, ny zavamaniry vao mitombo. Tsy maintsy kolokolointsika hoatr’izany koa ny finoantsika mba hitombo. Vao mainka natoky i Nicolas, ilay voaresaka terỳ aloha, hoe hanampy azy i Jehovah, rehefa nisaintsaina ny ohatr’i Abrahama sy Jesosy ary Paoly izy. Nanao sorona be dia be mantsy ry zareo mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Hahavita hiatrika an’izay fiovana eo amin’ny fiainanao koa ianao, raha mianatra samirery tsy tapaka ny Baiboly. Hanampy anao hahita hevitra mampahery horesahina amin’ilay fiangonanao vaovao koa izany.

Aza mampitaha

2. Aza mampitaha. (Mpito. 7:10) Avy any Bénin i Jules no nifindra tany Etazonia. Hitany hoe nifanohitra toy ny atsimo sy avaratra ny kolontsain’ireo tany ireo. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe tsy maintsy nitantara ny fiainako tamin’izay olona rehetra nifanena tamiko aho.” Tsy nahazatra azy izany dia nanomboka nitokantokana izy. Niova anefa ny fomba fijeriny rehefa niezaka nahafantatra kokoa an’ireo rahalahy sy anabavy izy. Izao no nolazainy: “Mino aho hoe mitovy daholo ny olona, na aiza na aiza misy azy eto an-tany. Ny fomba fampitany hevitra fotsiny no samy hafa. Tena ilaina ny manaiky ny maha izy ny olona.” Aza manao fampitahana amin’ilay fiangonanao teo aloha àry. Hoy i Anne-Lise, anabavy mpisava lalana: “Tsy nanantena hahita zavatra mitovy amin’ilay nilaozako aho rehefa nifindra, fa te hahita zava-baovao.”

Tsy tokony hampitaha ny fiangonany vaovao amin’ilay taloha koa ny anti-panahy. Mety tsy hitovy mantsy ny fomba fanaovan-javatra, nefa tsy voatery hoe tsy mety ilay tsy mahazatra anao. Hendry àry ianao raha mamantatra ny zava-misy eo an-toerana alohan’ny hanomezana soso-kevitra. (Mpito. 3:1, 7b) Tsara kokoa ny manome modely, toy izay hoe mampanjaka ny hevitrao ao amin’ilay fiangonana.​—2 Kor. 1:24.

Miaraha-manao zavatra amin’ilay fiangonanao vaovao

3. Miaraha manao zavatra amin’ilay fiangonanao vaovao. (Fil. 1:27) Mitaky fotoana sy hery be ilay hoe mifindra. Zava-dehibe anefa ny tonga dia mivory, ary mivantana raha azo atao. Ahoana tokoa moa no hanampian’ilay fiangonana vaovao anao, raha mbola tsy nahita anao mihitsy ry zareo na zara raha mahita anao? Nifindra tany amin’ny tanàn-dehibe iray any Afrika Atsimo i Lucinda sy ny zanany roa vavy. Hoy izy: “Nisy nanoro hevitra aho hoe tsara raha miezaka mifandray be amin’ilay fiangonana, sy miara-manompo amin-dry zareo, ary mandray anjara amin’ny fivoriana. Navelanay hanaovana fivoriana alohan’ny fanompoana koa ny tranonay.”

Maninona raha “miara-miezaka” manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo mpiara-manompo ao amin’ilay fiangonanao vaovao? Fomba tsara hanampy anao “hino ny vaovao tsara foana” izany. Nampirisihin’ny anti-panahy i Anne-Lise, ilay voaresaka terỳ aloha, mba hiezaka hiara-hitory amin’ny rehetra. Dia inona no vokany? Hoy izy: “Tonga dia tsapako hoe tena nanampy ahy ho tafiditra tsara tao amin’ilay fiangonana izany.” Rehefa manolo-tena hanadio sy hikojakoja Efitrano Fanjakana koa, ohatra, ianao dia ho hita fa efa ekenao hoe fiangonanao ilay misy anao amin’izao. Vetivety dia tsy hihafahafa aminao ny mpiara-manompo sady ho tsapanao hoe efa anisan’ilay fianakaviana ianao, arakaraka ny anaovanao zavatra miaraka amin-dry zareo.

Miezaha hahazo namana vaovao

4. Miezaha hahazo namana vaovao. (2 Kor. 6:11-13) Ny maneho fiahiana amin’ny olona no fomba tsara indrindra ahazoana namana. Manokàna àry fotoana ampy tsara aloha sy aorian’ny fivoriana, mba hiresahana sy hifankahalalana amin’ny hafa. Miezaha mafy hahafantatra ny anaran’izy ireo. Raha tadidinao mantsy ny anaran’ny olona sady sariaka sy mora hatonina ianao, dia te hifandray aminao ry zareo ary azo antoka hoe hahazo namana vaovao ianao.

Aza miasa saina be hoe ho tian’olona ianao sa tsia. Avelao kosa ireo rahalahy sy anabavinao vaovao hahita hoe hoatran’ny ahoana marina ianao. Manaova hoatran’i Lucinda. Hoy izy: “Izahay mihitsy no nanasa ny olona ho any an-tranonay, dia lasa manana namana akaiky izao izahay.”

“RAISO TSARA NY HAFA”

Mety hatahotahotra ny olona sasany miditra ao amin’ny Efitrano Fanjakana feno olona tsy fantany. Inona àry no azonao atao mba tsy ho sahirana ireo vaovao? Nampirisika ny apostoly Paoly hoe ‘raiso tsara ny hafa’, satria “nandray tsara anareo i Kristy.” (Rom. 15:7) Hanampy ny vaovao hahatsapa hoe raisina tsara koa ny anti-panahy, rehefa manahaka an’i Kristy. (Jereo ilay hoe “ Ahoana no Atao mba Hilamina Tsara Ilay Fifindrana?”) Afaka mitondra ny anjara birikiny daholo anefa ny ao amin’ny fiangonana, anisan’izany ny ankizy, mba hahatonga ny vaovao hahazo aina.

Mandray tsara ny hafa ianao rehefa manolo-tena hanampy azy, ankoatra ny hoe manasa azy ho any an-trano. Izany no nataon’ny anabavy iray rehefa nisy anabavy vao tonga. Nahafoy fotoana mihitsy izy hitondrana azy hijery tanàna. Nohazavainy taminy koa ny resaka fitateram-bahoaka. Tena nanohina ny fon’ilay anabavy ny nataony, ka tsy nahatsapa izy hoe vahiny be intsony.

AHAFAHANA MANDROSO ARA-PANAHY

Rehefa mihalehibe ny valala, dia miofo imbetsaka na miala tsikelikely ny hodiny, izay izy vao ary elatra ka afaka manidina. Hoatr’izany koa rehefa miova fiangonana. Mila manala an’izay mampanahy anao ianao, amin’izay ho afaka hikopak’elatra na hoe hanohy ny fanompoanao an’i Jehovah. Hoy i Nicolas sy Céline: “Fampiofanana tena tsara ilay hoe mifindra. Nahatonga anay hiezaka hanana toetra vaovao ilay hoe mizatra olona vaovao sy toerana tsy mitovy amin’ilay nisy anay hatramin’izay.” Niresaka ny soa azon’ny fianakaviany koa i Jean-Charles, ilay voaresaka terỳ am-piandohana. Hoy izy: “Nanampy ny zanakay handroso ilay nifindra fiangonana. Nanao fampiofanana ny zanakay vavy afaka volana vitsivitsy fotsiny, ary lasa mpitory tsy vita batisa ny zanakay lahy.”

Ahoana raha tsy afaka mifindra ianao, ohatra hoe any amin’izay ilana mpitory maro kokoa? Maninona raha ezahina ampiharina ao amin’ny fiangonanao ny soso-kevitra sasany tato, mba ho fiaingana vaovao ho anao? Miantehera amin’i Jehovah, dia mandraisa anjara mavitrika amin’izay ataon’ny fiangonana. Manaova fandaharana hiarahana manompo amin’ny hafa, ary miezaha hanana namana vaovao na hifandray kokoa amin’ireo efa namanao. Afaka tonga dia manampy ny vaovao na ny sahirana koa ve ianao? Azo antoka fa handroso ara-panahy ianao raha manao an’izany, satria ny fitiavana no amantarana ny tena Kristianina. (Jaona 13:35) Matokia fa “tena mahafaly an’Andriamanitra ny sorona toy izany.”​—Heb. 13:16.

Na eo aza ny olana, dia betsaka ny Kristianina falifaly sy nahavita nanompo tsara foana rehefa niova fiangonana. Ho vitanao koa izany! Hoy i Anne-Lise: “Nanampy ahy hihamalalaka ilay hoe nifindra fiangonana.” Resy lahatra koa i Kazumi fa “hafa mihitsy ny fomba anampian’i Jehovah anao rehefa mifindra ianao.” Ary ahoana ny amin’i Jules? Izao no nolazainy: “Tsy mahatsiaro ho vahiny be intsony aho satria efa nahazo namana. Efa tamana be ao amin’ilay fiangonako vaovao aho, dia ho mafy be amiko ny hiala ao indray.”

a Raha manimanina ny any aminareo ianao, dia misy torohevitra ao amin’ilay hoe “Fiatrehana ny Fanembonana ny any Amin’ny Tena eo Amin’ny Fanompoana An’Andriamanitra”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1994.