Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HEVITRA AZO IANARANA

Ho Mailo Foana Ianao Raha Mazoto Mianatra

Ho Mailo Foana Ianao Raha Mazoto Mianatra

Vakio ny Daniela 9:1-19 mba hahitana hoe zava-dehibe ny mazoto mianatra.

Fakafakao ny teny manodidina. Inona no nitranga taloha kelin’izay, ary inona ny vokatr’izany tamin’i Daniela? (Dan. 5:29–6:5) Inona no ho tsapanao raha ianao no teo amin’ny toerany?

Fakafakao ilay tantara. Mety ho inona ireo “boky masina” nodinihin’i Daniela? (Dan. 9:2, f.a.p.; w11 1/1 22 § 2) Maninona i Daniela no niaiky ny fahotany sy ny an’ny firenen’Israely? (Lev. 26:39-42; 1 Mpanj. 8:46-50; dp 182-184) Ahoana no ahitana hoe nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra izy rehefa dinihina ny vavaka nataony?​—Dan. 9:11-13.

Fantaro hoe inona ny lesona azonao raisina. Eritrereto izao:

  • ‘Inona no azoko atao mba tsy hanahy be loatra noho ny zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao?’ (Mika 7:7)

  • ‘Inona ny soa ho azoko raha mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra hoatran’i Daniela aho?’ (w04 1/8 12 § 17)

  • ‘Inona ny foto-kevitra azoko ianarana, ka hanampy ahy “hiambina foana”?’ (Mat. 24:42, 44; w12 15/8 5 § 7-8)