Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Raha tia olona isika, dia izay hahasoa ny hafa no eritreretintsika alohan’ny antsika

Ahoana no Ampisehoanao hoe Tianao ny Hafa?

Ahoana no Ampisehoanao hoe Tianao ny Hafa?

Fianakaviana iray ihany ny olona rehetra, satria samy taranak’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Tokony hifankatia sy hifanaja àry ny mpianakavy. Tsy izany mihitsy anefa no hitantsika amin’izao, ary tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany.

INONA NO LAZAIN’NY SORATRA MASINA MOMBA NY FITIAVANA?

“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”​—LEVITIKOSY 19:18.

“Tiavo foana ny fahavalonareo.”​—MATIO 5:44.

AHOANA NO AHITANA HOE BE FITIAVANA NY OLONA IRAY?

Manome famaritana ny atao hoe fitiavana Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Izao no resahiny ao amin’ny 1 Korintianina 13:4-7:

“Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy.”

Eritrereto izao: Inona no tsapanao rehefa manam-paharetana sy tsara fanahy aminao ny hafa, ary tsy tezitra rehefa manao zavatra tsy mety ianao?

“Ny fitiavana tsy mialona.”

Eritrereto izao: Inona no tsapanao rehefa miahiahy be anao ny hafa na diso mialona anao?

Ny fitiavana “tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”

Eritrereto izao: Inona no tsapanao rehefa manaja ny hevitrao ny hafa fa tsy manizingizina ny heviny foana?

Ny fitiavana “tsy mitana lolompo.”

Eritrereto izao: Vonona hamela ny helok’ireo mpanota mibebaka Andriamanitra. “Tsy hamerimberina hanameloka antsika foana noho ny fahadisoantsika izy, na hanao an-dolompo.” (Salamo 103:9) Faly isika rehefa mamela ny helotsika ny hafa. Tokony ho vonona hamela ny heloky ny hafa koa àry isika.​—Salamo 86:5.

Ny fitiavana “tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana.”

Eritrereto izao: Tsy tiantsika raha faly ny hafa rehefa misy zavatra manjo antsika. Tsy tokony ho faly amin’ny fahavoazan’ny hafa koa àry isika, na dia ratsy toetra tamintsika aza izy ireo.

Tokony hampihatra an’ireo isika raha tiantsika ny hafa, na firy taona izy na firy taona, ary na inona na inona fiaviany na fivavahana misy azy. Hotahin’Andriamanitra isika raha manao an’izany. Asehontsika koa hoe tia olona isika raha manampy an’ireo sahirana.