Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ianarantsika avy Amin’ireo Mpaminany?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ireo Mpaminany?

Nampita hafatra ho an’ny olombelona Andriamanitra, tamin’ny alalan’ireo mpaminany. Andao isika hijery hoe inona no ianarantsika momba an’Andriamanitra avy amin’ny mpaminany telo.

ABRAHAMA

Tsy manavakavaka Andriamanitra ary te hitahy ny olombelona rehetra izy.

Nampanantena an’i Abrahama Andriamanitra hoe: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalanao.”—Genesisy 12:3.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tena tian’Andriamanitra ny olombelona ka hotahiny izay mankatò azy, na lahy na vavy na ankizy.

MOSESY

Tsara fanahy Andriamanitra ary mitahy an’izay miezaka hahafantatra azy.

Nomen’ilay Avo Indrindra hery hanaovana fahagagana i Mosesy mpaminany. Mbola nangataka anefa izy hoe: “Mba ampahafantaro ahy re ny lalanao, hahafantarako anao ka hahazoako sitraka aminao e!” (Eksodosy 33:13) Nahafaly an’Andriamanitra ny fangatahan’i Mosesy, ka nampiany izy mba hahafantatra kokoa ny toetrany. Lasa fantatr’i Mosesy, ohatra, hoe “Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy” izy.​—Eksodosy 34:6, 7.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Vonona hitahy an’izay miezaka hahafantatra tsara azy Andriamanitra, na lahy ilay olona, na vavy, na ankizy. Atorony ao amin’ny Soratra Masina ny fomba tokony hanompoana azy. Resahina ao koa hoe mahay mankasitraka izy ary te hamaly soa antsika.

JESOSY

Nangoraka ny olona i Jesosy, ka nositraniny daholo ny karazana aretina rehetra

Afaka mahazo fitahiana mandrakizay isika, raha mianatra momba an’i Jesosy sy ireo zavatra nataony sy nampianariny.

Miresaka momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany ny Soratra Masina. Nomen’Andriamanitra hery hanaovana fahagagana maro izy, ohatra hoe nanasitrana ny jamba, ny marenina, ary ny kilemaina. Nanangana ny maty mihitsy aza izy. Nasehon’i Jesosy tamin’izy ireny ny zavatra tsara hataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Nohazavainy koa izay tokony hataontsika tsirairay mba hahazoana an’izany. Hoy izy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Nangoraka sy tsara fanahy ary be fitiavana i Jesosy. Nanatona azy ny olona rehefa noteneniny hoe: “Mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.” (Matio 11:29) Nanao an’izany na lahy na vavy, na antitra na tanora. Tsara fanahy tamin’ny vehivavy koa i Jesosy sady nanaja azy ireny, fa tsy hoatran’ny olona tamin’ny androny.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tena tia olona i Jesosy. Nasehony koa hoe ahoana no tokony hitondrana ny hafa.

TSY ANDRIAMANITRA I JESOSY

Milaza ny Soratra Masina hoe “tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana”, ary mpitondra teniny i Jesosy Kristy. (1 Korintianina 8:6) Nanetry tena koa i Jesosy ka nilaza fa lehibe noho izy Andriamanitra, ary Andriamanitra no naniraka azy ho etỳ an-tany.​—Jaona 11:41, 42; 14:28. *

^ feh. 17 Misy fanazavana bebe kokoa momba an’i Jesosy Kristy ao amin’ny fizarana 8 sy 9 amin’ilay bokikely hoe Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana. Azonao jerena ao amin’ny Internet izy io, ao amin’ny www.pr418.com/mg.