Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Handray Soa Ianao Rehefa Fantatrao hoe Tia Anao Izy

Handray Soa Ianao Rehefa Fantatrao hoe Tia Anao Izy

Nataon’Andriamanitra mety sitrana ho azy ny vatantsika. Rehefa maratra isika, dia “misy zavatra maromaro mitranga ao amin’ny vatana mba ho sitrana ilay fery, na kely ilay izy na lehibe.” (Hopitaly Johns Hopkins) Ataon’ny vatana avy hatrany izay hampijanona ny ra amin’ilay fery. Akatony ilay fery avy eo ary miverina tsikelikely amin’ny laoniny ilay faritra naratra.

ERITRERETO IZAO: Raha nataon’Andriamanitra mety sitrana ny ratra amin’ny vatantsika, dia azo antoka fa ho vitany koa ny hanasitrana ny ratram-pontsika. Hoy ny mpanao salamo: “Manasitrana an’ireo torotoro fo izy, ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.” (Salamo 147:3) Raha lasa kivy be anefa ianao noho ny zavatra niainanao, inona no porofo hoe hositranin’i Jehovah ny ratram-ponao?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Manome toky antsika Andriamanitra hoe: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.” (Isaia 41:10) Milamin-tsaina isika rehefa mahalala hoe tia antsika i Jehovah. Izany ilay antsoin’ny apostoly Paoly hoe “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” Mahavita miatrika an’izay olana mitranga koa isika. Hoy ihany i Paoly: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:4-7, 9, 13.

Manampy antsika hatoky ny fampanantenan’i Jehovah ny Soratra Masina. Resahin’ny Apokalypsy 21:4, 5, ohatra, hoe inona no hataony ary nahoana isika no afaka matoky azy.

  • “Hofafany ny ranomaso rehetra.” Hesorin’i Jehovah daholo ny zavatra rehetra mampijaly sy mampitebiteby antsika, na dia ireo tsy misy dikany amin’ny hafa aza.

  • ‘Mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana’ ilay Mpanjaka Mahery Indrindra, ka hampiasa ny heriny sy ny fahefany mba tsy hisy intsony ny olona mijaly, ary mba hahazo izay ilaintsika isika.

  • Milaza i Jehovah fa “azo antoka sady marina” ny zavatra ampanantenainy. Midika izany hoe tsy maintsy hotanterahiny ny teniny, satria mety ho ratsy laza izy raha tsy izany.

“‘Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Ataoko vaovao ny zava-drehetra.’ Hoy koa izy: ‘Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.’”—Apokalypsy 21:4, 5.

Lasa mahafantatra tsara ny toetran’ilay Raintsika any an-danitra isika, rehefa mandinika ny zavatra noforoniny sy mianatra izay lazain’ny Baiboly. Te ho lasa namany isika rehefa mandinika ny zavaboary. Ny Baiboly indray manasa antsika mivantana hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Manome toky koa ny Asan’ny Apostoly 17:27 hoe: “Tsy lavitra antsika tsirairay izy.”

Vao mainka ianao hatoky hoe “miahy” anao i Jehovah, rehefa mianatra momba azy ianao. (1 Petera 5:7) Inona ny soa horaisinao raha matoky ianao hoe miahy anao izy?

Diniho ny tantaran’i Toru, avy any Japon. Mbola kely izy dia efa nampianarin’ny mamany momba an’i Jehovah. Lasa niaraka tamin’ny andian-jiolahy atao hoe yakuza anefa izy rehefa lehibe. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe tsy tia an’ahy Andriamanitra. Betsaka ny olom-pantatro maty, anisan’izany ireo olona tena tiako, dia nieritreritra aho hoe nosazin’Andriamanitra.” Niaiky i Toru hoe tena ratsy be ny fiainany tany sady nampiova ny toe-tsainy. Lasa olona mafy fo mantsy izy. Te ho faty tanora izy tamin’izany. Ny hamono olona malaza noho izy no tanjony alohan’ny hahafatesany, amin’izay, hono, izy hotsaroan’ny olona.

Niova be anefa i Toru, tatỳ aoriana, rehefa nianatra Baiboly izy sy Hannah vadiny. Lasa hafa mihitsy ny fahitany ny fiainana. Hoy i Hannah: “Hitako hoe niova be ny vadiko.” Tsy misalasala izao i Toru milaza hoe: “Tena tia antsika tsirairay Andriamanitra. Tsy misy olona tiany ho faty izany, ary vonona hamela an’izay tena mibebaka izy. Azontsika resahina aminy izay zavatra tsy sahintsika resahina amin’ny hafa na mety tsy ho azon’izy ireo. Tsy ho ela i Jehovah dia hanala ny fijaliana sy ny tebiteby ary ny olana rehetra. Na amin’izao aza izy dia efa manampy antsika, ary mety tsy hampoizintsika mihitsy ny zavatra ataony. Tena tiany isika ka ampiany rehefa kivy.”—Salamo 136:23.

Hitantsika avy amin’izany fa lasa manana fanantenana isika sady mihatsara ny fiainantsika, rehefa fantatsika izay hataon’Andriamanitra. Tsy ho ela izy dia hanafoana ny zavatra rehetra mampijaly antsika ary hamafa ny ranomaso rehetra. Afaka mandray soa ianao rehefa fantatrao hoe tia anao Andriamanitra, na dia be dia be aza ny zavatra mampijaly amin’izao.