Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Sarobidy noho ny fody maro ianareo.”—MATIO 10:31

Mba Mijery Anao ve Izy?

Mba Mijery Anao ve Izy?

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’NY ZAVABOARY?

Miova tampoka ny fiainan’ny zazakely rehefa miala ao am-bohoka izy. Tsara àry raha trotroin’ny reniny izy mandritra an’ilay adiny iray voalohany aorian’ny ahaterahany. Misy vokany be amin’ny fitomboan’ilay zaza izany. *

Tonga dia tia an’ilay zanany ny vehivavy tera-bao sady vonona hikarakara azy. Ilay hormonina atao hoe ôsitôsinina no mahatonga an’izany. Manazava ny Pr. Jeannette Crenshaw hoe mitombo be izy io rehefa mikasika an’ilay zazakely vao teraka ny reniny, mijery azy, ary mampinono azy. Misy hormonina iray hafa koa miforona, ka mahatonga an’ilay reny hanome izay ilain’ilay zaza sy ho tia mifandray aminy. Nahoana izany no mahaliana antsika?

I Jehovah Andriamanitra, * ilay Mpamorona antsika, no mahatonga ny reny ho tia zanaka. Nilaza i Davida Mpanjaka fa Andriamanitra no ‘nisintona azy hivoaka avy tao an-kibo, sy nahatonga azy tsy hanana ahiahy teo an-tratran-dreniny.’ Nivavaka izy hoe: “Vao teraka aho, dia efa nankinina taminao. Mbola tany an-kibon-dreniko aho, dia efa ianao no Andriamanitro.”—Salamo 22:9, 10.

ERITRERETO IZAO: Vitan’Andriamanitra ny namorona zavatra be pitsiny hoatr’izany, mba hahatonga ny vehivavy ho tia sy hikarakara ny zanany. Tsy ho vitany koa ve izany ny hikarakara antsika zanany?—Asan’ny Apostoly 17:29.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

I Jesosy Kristy no tena mahafantatra an’ilay Mpamorona antsika. Hoy izy: “Tsy vola madinika kely vidy ve no ivarotana fody roa? Tsy hisy ho latsaka amin’ny tany anefa ireny na iray aza, ka tsy ho fantatry ny Rainareo. Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.”—Matio 10:29-31.

Tsy mandinika an’izay vorona rehetra hitany ny ankamaroan’ny olona. Tsy voamariny akory àry raha misy milatsaka amin’ny tany ny iray amin’ireny. Ilay Raintsika any an-danitra kosa mahita ny vorona tsirairay. Mbola sarobidy noho ny vorona be dia be anefa ny olona iray. Tsy tokony hisalasala àry ianao hoe mijery anao ve izy sa tsia. Tena sarobidy aminy ianao.

Tia antsika Andriamanitra ary mitady izay hahasoa antsika

Andinin-teny mampahery

  • “Mijery eny rehetra eny ny mason’i Jehovah, mandinika ny olona ratsy toetra sy ny tsara toetra.”—OHABOLANA 15:3.

  • “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon’izy ireo.”—SALAMO 34:15.

  • “Hifaly sy hiravoravo aho noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, satria mahita ny fijaliako ianao. Mahalala ny fahoriana manjo ahy ianao.”—SALAMO 31:7.

‘NIERITRERITRA AHO HOE TSY TIA AN’AHY I JEHOVAH’

Mety hiova ny fiainan’ny olona iray raha fantany hoe tena tia azy Andriamanitra sady mitady izay hahasoa azy. Izany no notantarain’i Hannah, * avy any Angletera. Hoy izy:

“Imbetsaka aho no nieritreritra hoe tsy tia an’ahy i Jehovah sady tsy mba mamaly ny vavaka ataoko. Angamba aho tsy ampy finoana. Nieritreritra koa aho hoe tsy misy dikany aminy, dia izay no mahatonga azy hanafay an’ahy na tsy hiraharaha an’ahy.”

Niova anefa izany tatỳ aoriana. Lasa fantatr’i Hannah hoe tena tia sy mijery azy i Jehovah. Nahoana? Hoy i Hannah: “Nandeha tsikelikely ilay izy. Nisy lahateny iray izay tena nanohina ny foko, taona maro lasa izay. Momba ny soron’i Jesosy ilay lahateny. Lasa tsapako hoe tia an’ahy i Jehovah. Matetika aho no nitomany rehefa nivaly ny vavaka nataoko, satria tsapako hoe mba tia an’ahy ihany kay izy. Nahafantatra kokoa an’i Jehovah sy ny toetrany aho rehefa nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana. Haiko koa hoe ahoana no fiheverany antsika. Tsy misalasala mihitsy aho izao hoe tena tia sy manampy antsika rehetra i Jehovah, sady vonona hikarakara antsika tsirairay.”

Mampahery io tenin’i Hannah io, sa tsy izany? Ahoana anefa no hahalalana raha tena fantatr’Andriamanitra izay manjo antsika? Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 3 Tena kivy sy reraka be ny vehivavy sasany rehefa avy miteraka, ka mety ho sarotra aminy ny haneho fitiavana amin’ny zanany. Tsy tokony hanamelo-tena anefa izy. Tsy ny zavatra nataony mantsy no mahatonga an’izany, araka ny Ivon-toerana Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina. Manazava an’io karazana aretina io ilay lahatsoratra hoe “Fantaro ny Atao hoe Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Jona 2003.

^ feh. 5 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.

^ feh. 15 Novana ny anarana sasany ato.