Hijery ny anatiny

Tokony Hivavaka Amin’ny Olo-masina ve Aho?

Tokony Hivavaka Amin’ny Olo-masina ve Aho?

 Valiny ara-baiboly

 Tsia! Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra ihany no tokony hivavahana ary tokony hatao amin’ny anaran’i Jesosy izany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Mivavaha toy izao hianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9, Fandikan-teny Katolika) Tsy nasain’i Jesosy hivavaka amin’ny olo-masina na anjely na olon-kafa ankoatra an’Andriamanitra mihitsy ny mpianany.

 Izao koa no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6, Kat.) I Jesosy ihany no avelan’Andriamanitra ho Mpanelanelana antsika aminy.—Hebreo 7:25.

Mety ve raha sady mivavaka amin’Andriamanitra aho no mivavaka amin’ny olo-masina?

 Izao no nolazain’Andriamanitra tao amin’ny Didy Folo: “Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro.” (Eksodosy 20:5, Kat.) Inona no dikan’izany? Toy izao no andikan’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’io andininy io: “Izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.” Andriamanitra mihitsy àry no milaza fa izy irery ihany no tokony hotompointsika. Midika izany fa aminy irery ihany isika no tokony hivavaka.—Isaia 48:11.

 Raha mivavaka amin’olon-kafa àry isika, na olo-masina izany na anjely, dia ho tezitra Andriamanitra. Rehefa saika hivavaka amin’ny anjely, ohatra, ny apostoly Jaona, dia hoy ilay anjely: “Aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho sy naman’ny rahalahinao izay manana ny fanambaran’i Jeso. Andriamanitra no iankohofy.”—Apokalypsy 19:10, Kat.