Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahatsiaro ho Tsy Misy Miraharaha ve Ianao?

Mahatsiaro ho Tsy Misy Miraharaha ve Ianao?

TSY mahavita na inona na inona ny zazakely vao teraka. Ny ray aman-drenintsika no niaro antsika tamintsika mbola kely. Vao nianatra nandeha, ohatra, isika, dia hoatran’ny lava be daholo ny fahitantsika ny olona manodidina antsika. Natahotra azy ireny isika raha tsy hoe teo akaiky teo angaha ny ray aman-drenintsika. Nahatsiaro ho voaro kosa isika rehefa nitazona ny tanantsika i Dada na i Neny.

Ho nahatsiaro sambatra isika tamintsika mbola kely, raha tia sy nikarakara tsara antsika ny ray aman-drenintsika. Vao mainka isika nahatsiaro ho tsy nanana ahiahy rehefa tsapantsika hoe tia antsika izy ireo. Lasa natoky tena kokoa isika sady niezaka hanao zavatra tsara foana, rehefa nidera antsika izy ireo.

Rehefa nihalehibebe isika, dia lasa nana-namana, ka vao mainka nahatsiaro ho tsy nanana ahiahy. Nahafinaritra antsika ny niaraka tamin-dry zareo, ka tsy dia nampatahotra antsika izay zava-nisy rehetra tany am-pianarana.

Mahafinaritra raha hoatr’izany ny fiainana tamin’ny mbola kely. Be dia be anefa ny ankizy tsy dia voakarakaran’ny ray aman-dreniny, ary ny sasany indray zara raha mana-namana. Hoy i Melissa: * “Isaky ny mahita sarina fianakaviana miara-manao zavatra aho, dia mieritreritra foana hoe: ‘Tiako raha mba hoatr’izao koa ny fiainanay, tamin’izaho mbola kely.’” Angamba toy izany koa no tsapanao.

OLANA NANDRITRA NY FAHAZAZANA

Mety ho tsy natoky tena ianao tamin’ny mbola kely. Angamba tsy dia nisy olona tia sy nanampy anao koa. Mety ho tsaroanao hoe niady foana ny ray aman-dreninao, ary nisaraka izy ireo avy eo. Nanamelo-tena angamba ianao na nieritreritra hoe tompon’andraikitra tamin’ilay izy. Nasiaka taminao na nikasi-tanana anao mihitsy aza angamba ny dadanao na ny neninao.

Inona no mety hataon’ny ankizy tratran’izany? Misy lasa mifoka rongony na misotro toaka be rehefa mihalehibebe. Ny hafa indray lasa miaraka amin’ny andian-jiolahy, amin’izay mba mana-namana. Ny sasany kosa mety hampiaraka satria mba mila fitiavana sy tambitamby. Tsy maharitra ela anefa izany fifankatiavana izany, ary matetika no vao mainka miteraka ratram-po.

Tsy voatery hanao an’izany ny tanora sasany, nefa mety hahatsiaro ho tsy misy dikany ihany izy ireo. Hoy i Ana: “Nieritreritra aho hoe tsy misy ilana an’ahy mihitsy. Izany foana mantsy no notenenin’i Neny tamiko. Tsy mba tsaroako hoe nidera an’ahy izy na koa mba nanambitamby an’ahy.”

Tsy ny zavatra niainantsika tamin’ny mbola kely ihany no mety hahatonga antsika hahatsiaro ho tsy misy mpiraharaha. Mety hahatsapa an’izany koa isika raha nisara-panambadiana, na mihantitra. Tsy tiantsika koa angamba ny bika aman’endritsika, ka lasa mieritreritra isika hoe tsy misy mpitia. Tsy hahatsiaro ho sambatra isika raha tratran’izany, ary mety tsy hahay hifandray tsara amin’ny hafa. Inona àry no azo atao?

TIA ANAO ANDRIAMANITRA

Misy afaka manampy anao, ary tena te hanao an’izany mihitsy izy. Tsy iza izany fa Andriamanitra.

Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” (Isaia 41:10, 13) Tsy mampahery anao ve ny mahafantatra hoe tena te hitantana anao Andriamanitra? Tsy misy tokony hatahorantsika mihitsy àry!

Resahin’ny Baiboly hoe nisy mpanompon’Andriamanitra nahatsapa ho tsy misy vidiny, nefa nianatra nitoky tamin’Andriamanitra. Nieritreritra ny tenany ho tsy misy ilana azy, ohatra, i Hana renin’i Samoela, tamin’izy mbola momba. Nisy nanaraby koa izy tamin’izany. Lasa tsy nahahinan-kanina i Hana sady nitomany foana. (1 Samoela 1:6, 8) Tsy nalahelo intsony anefa izy rehefa namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra.—1 Samoela 1:18.

Nisy fotoana koa i Davida natahotra be. Nitady hamono azy mantsy i Saoly Mpanjaka, nandritra ny taona maro. Efa saika maty imbetsaka i Davida, ary indraindray aza izy nahatsapa hoe be loatra ny olana nahazo azy. (Salamo 55:3-5; 69:1) Nanoratra toy izao anefa izy:“Handry sy hatory amim-piadanana aho, fa ianao irery ihany, Jehovah ô, no mahatonga ahy tsy hanana ahiahy.”—Salamo 4:8.

Samy namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah i Hana sy Davida, ary hitan’izy ireo fa tena nanohana azy ireo i Jehovah. (Salamo 55:22) Ahoana no azontsika anahafana azy ireo?

INONA NO HANAMPY ANAO TSY HANAHY BE LOATRA?

1. Ataovy toy ny Rainao i Jehovah, ka mianara mitoky aminy.

Nampirisika antsika i Jesosy mba hiezaka hahafantatra ny Rainy, izany hoe “ilay hany tena Andriamanitra.” (Jaona 17:3) Nanome toky koa ny apostoly Paoly fa ‘tsy lavitra antsika tsirairay Andriamanitra.’ (Asan’ny Apostoly 17:27) Hoy koa i Jakoba: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

Tadidio foana hoe tia sady mikarakara antsika ilay Raintsika any an-danitra. Hanampy antsika tsy hanahy be loatra izany. Marina aloha fa mila fotoana isika vao tena hatoky azy. Betsaka anefa no nahatsapa hoe tena nanampy azy ireo ny nitoky tamin’Andriamanitra. Hoy i Caroline: “Rehefa nataoko hoatran’ny Raiko i Jehovah, dia mba lasa nisy azoko niresahana an’izay tao am-poko. Nahatsiaro ho maivamaivana erỳ aho!”

Hoy koa i Rachel: “Tamin’izaho nilaozan’i Dada sy Neny, dia i Jehovah no tena nanampy ahy tsy halahelo be. Afaka niresaka taminy aho dia afaka nangataka azy mba hanampy ahy rehefa nisy olana, ary tena nanampy ahy izy.” *

2. Ataovy hoatran’ny fianakavianao ny mpiara-mivavaka aminao.

Nampianatra ny mpianany i Jesosy mba hifampitondra hoatran’ny mpiray tam-po. Hoy izy: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Matio 23:8) Tiany hifankatia izy ireo, ka ho lasa toy ny fianakaviana mihitsy.—Matio 12:48-50; Jaona 13:35.

Miezaka mifankatia sy mifampahery ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka lasa hoatran’ny fianakaviana iray izy ireo. (Hebreo 10:24, 25) Be dia be no nahita fa toy ny menaka nanasitrana ny fery sy ny ratra tao am-pon’izy ireo ny fivoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hoy i Eva: “Nisy namako be izay tao amin’ny fiangonana misy an’ahy, ary tena azony tsara izay nanjo ahy. Nihaino tsara an’ahy izy, dia namaky andinin-teny sy niara-nivavaka tamiko. Nataony izay hahatsapako hoe tsy irery aho. Nampiany koa aho mba hilaza izay tao am-poko, amin’izay aho mahatsiaro ho maivamaivana. Isaorako izy nanohana an’ahy satria lasa tsy manahy be intsony aho.” Hoy koa i Rachel: “Lasa nahazo ‘dada sy neny’ tao amin’ny fiangonana aho. Nataon’izy ireo izay hahatsapako hoe tena tiany aho ary tsy tokony hisy zavatra hampanahy an’ahy.”

3. Miezaha ho tsara fanahy sy ho tia ny hafa.

Hahazo namana ianao raha tsara fanahy amin’ny olona sy tia azy ireo. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Raha tena tia olona ianao, dia ho tia be anao koa izy ireo. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo.”—Lioka 6:38.

Vao mainka isika hahatsiaro ho tsy manana ahiahy rehefa tia olona sy tian’olona. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” (1 Korintianina 13:8) Hoy i María: “Fantatro hoe tsy marina akory ny zavatra ratsy noeritreretiko momba an’ahy. Lasa tsy nieritreritra hoatr’izany intsony anefa aho rehefa nanampy olona. Mahatsiaro ho afa-po aho isaky ny manao zavatra ho an’olona.”

TSY HISY INTSONY NY TAHOTRA

Tsy hoe hisy fahagagana akory rehefa manao an’ireo zavatra telo voalaza tetsy aloha ireo isika. Mety hisy vokany tsara anefa izany. Hoy i Caroline: “Misy fotoana aho mbola manahy. Mahatsapa anefa aho hoe mba misy ilana an’ahy ihany. Fantatro fa tia sy mikarakara an’ahy Andriamanitra. Mana-namana be dia be koa aho dia mahatsiaro ho sambatra.” Hoy koa i Rachel: “Indraindray aho malahelo be. Soa ihany anefa fa eo ireo mpiara-mivavaka amiko, ary afaka mangataka torohevitra amin-dry zareo aho. Manampy ahy hifantoka amin’ny zavatra tsara koa ry zareo. Eo koa ilay Raiko any an-danitra, ary afaka miresaka aminy foana aho isan’andro. Tena nanampy be an’ahy izany.”

Milaza ny Baiboly fa hisy tontolo vaovao, ary tsy hanahy intsony ny olona rehefa ao

Rahoviana àry isika vao tena hilamin-tsaina? Milaza ny Baiboly fa hisy tontolo vaovao, ary tsy hanahy intsony ny olona rehefa ao. Mampanantena toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.” (Mika 4:4) Tsy hisy intsony amin’izay ny olona tsy miraharaha na mampijaly antsika. Tsy ho tadidintsika intsony ny zavatra nampahory antsika. (Isaia 65:17, 25) Hampisy ny “tena fahamarinana” Andriamanitra sy i Kristy Jesosy Zanany, ka ‘hilamina sy tsy hanana ahiahy mandritra ny fotoana tsy voafetra’ isika.—Isaia 32:17.

^ feh. 5 Novana daholo ny anarana ato.

^ feh. 21 Manasa anao hianatra Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tianao ny hifandray akaiky amin’Andriamanitra.