Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Mba Omeo Fiainana Milamina Aho, na dia Herintaona Fotsiny Aza!

Mba Omeo Fiainana Milamina Aho, na dia Herintaona Fotsiny Aza!
  • TERAKA: 1971

  • FIRENENA: FRANTSA

  • FIAINANY TALOHA: MPANAO HELOKA BEVAVA, RATSY FITONDRAN-TENA, ARY NIDOROKA ZAVA-MAHADOMELINA

NY FIAINAKO TALOHA:

Nipetraka tany Tellancourt, tanàna any avaratratsinanan’i Frantsa ny fianakaviako. Frantsay i Dada, fa Italianina kosa i Neny. Nifindra tany amin’ny tanàna mahantra iray tany Roma, any Italia, izahay, tamin’izaho valo taona. Sarotra be ny fiainanay tao an-trano tamin’izany. Niady be foana mantsy i Dada sy Neny satria tsy nisy vola.

Nampirisika ahy hitady namana i Neny tamin’izaho 15 taona, amin’izay aho mba tsy mijanona foana ao an-trano. Lasa tsy dia nipetraka an-trano intsony àry aho. Nanomboka niaraka tamin’ny naman-dratsy aho, tsy ela taorian’izay. Nisy lehilahy mody tsara fanahy izay nanatona ahy, indray mandeha. Nomeny zava-mahadomelina aho, dia nandray satria mba te hiseho hoe efa olon-dehibe. Vetivety aho dia lasa mpidoroka zava-mahadomelina sady ratsy fitondran-tena. Imbetsaka aho no nisy nametaveta. Lasa tsy nisy dikany tamiko intsony ny fiainana, ka tsy noraharahaiko na maty aho na velona. Tena nahatsiaro ho irery sy tsy mba nana-namana aho. Nanandrana namono tena aho tamin’izaho 16 taona, dia nisotro whisky iray tavoahangy ary avy eo nitsambikina tao anaty rano. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny telo andro aho, taorian’izay.

Lasa nahafinaritra ahy indray ny fiainana rehefa sitrana soa aman-tsara aho, nefa lasa nahery setra sy fetsifetsy koa aho. Nivaro-tena aho dia nandeha tany an-tranon’ilay olona. Nomeko zava-mahadomelina ilay olona, dia nangalariko daholo avy eo izay zava-tsarobidy tao an-tranony. Niara-niasa tamin’ny fikambanan-jiolahy aho, ka nivarotra zava-mahadomelina nanerana an’i Italia. Matetika aho no nahita olana tamin’ny polisy. Tena tsy nisy dikany ny fiainako sady baranahiny. Fantatro anefa hoe nisy antony matoa aho velona. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba homeny fiainana milamina sy ho sambatra, na dia herintaona fotsiny aza.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Tapa-kevitra ny hifindra tany Angletera aho, tamin’izaho 24 taona, satria notandindomin-doza ny aiko noho izaho nivarotra zava-mahadomelina. Nitsidika an’i Neny aho talohan’ny nandehanako. Gaga aho rehefa nahita an’i Annunziato Lugarà niresaka momba ny Baiboly taminy. * Fantatro hoe mpanao asan-jiolahy izy taloha ka natahotra aho. Nanontaniako izy hoe inona no nataony tao. Nilaza i Annunziato fa nanao ezaka be mihitsy izy ary niova, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nampirisihany hiresaka amin’ny Vavolombelona aho, rehefa tonga any Angletera. Nampanantena azy aho fa hanao an’izany. Vao tonga tany anefa aho, dia niverina tamin’ny zavatra fanaoko indray.

Nahita Vavolombelona nizara Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! teny an-dalana, tany Londres, aho, indray mandeha. Tadidiko ilay teniko tamin’i Annunziato, ka nanontany an’ilay Vavolombelona aho raha afaka mampianatra Baiboly ahy izy.

Tena nahagaga ahy ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly. Nanohina ny foko, ohatra, ny 1 Jaona 1:9 hoe: “Raha miaiky ny fahotantsika anefa isika, dia tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika.” Nisy vokany be tamiko io andininy io, satria tena nahatsiravina ahy ny fomba fiainako. Tonga dia nivory tany amin’ny trano fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary nandray ahy tsara izy ireo. Lasa te ho anisan’izy ireo aho rehefa nahita hoe mifankatia be hoatran’ny fianakaviana iray mihitsy ry zareo. Efa ela mantsy aho no mba naniry zavatra hoatr’izany.

Tsy sarotra tamiko ny niala tamin’ny zava-mahadomelina sy ny fitondran-tena ratsy. Tsy mora tamiko anefa ny nanova ny toetrako. Nila nanaja olona sy tsara fanahy tamin’izy ireo aho. Mbola misy toetra ratsy hafa tokony hialako koa anefa, saingy vitako ny niova tsikelikely satria ampian’i Jehovah aho. Natao batisa aho ary lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1997, enim-bolana taorian’ny nianarako Baiboly.

NY SOA NORAISIKO:

Nanambady an’i Barbara aho, taorian’ny batisako. Vao haingana koa izy no lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’izany. Hitan’izay namako taloha izay hoe niova be aho, dia nianatra Baiboly koa izy. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny zokiny vavy, tatỳ aoriana. Nianatra Baiboly koa ny rahavavin’ny bebeko. Efa 80 taona mahery izy tamin’izay. Vita batisa izy talohan’ny nahafatesany.

Anti-panahy ao amin’ny fiangonana misy anay aho amin’izao. Samy mpitory manontolo andro izahay mivady, izany hoe manokana 70 ora isam-bolana mba hampianarana Baiboly an’ireo olona miteny italianina eto Londres. Kivy aho indraindray rehefa mieritreritra ny fiainako taloha, nefa soa ihany fa eo i Barbara mampahery ahy. Tanteraka ihany ilay faniriako hatry ny ela hoe mba hanana fianakaviana sy Ray be fitiavana. Nangataka tamin’Andriamanitra aho mba homeny fiainana milamina sy ho sambatra, na dia herintaona fotsiny aza. Be lavitra noho izany anefa no nomeny ahy.

Tanteraka ihany ilay faniriako hatry ny ela hoe mba hanana fianakaviana sy Ray be fitiavana

^ feh. 10 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly: Tsy Nisaraka Tamin’ny Basiko Mihitsy Aho”, notantarain’i Annunziato Lugarà, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2014, pejy 8-9.