Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

3

Tsy Mora Kivy

Tsy Mora Kivy

AHOANA IZANY?

Tsy milavo lefona ny olona tsy mora kivy, rehefa manana olana na diso fanantenana. Rehefa avy miatrika olana imbetsaka ny olona iray vao manana an’io toetra io. Tsy maintsy mianjera tsindraindray, ohatra, ny ankizy vao tena mahay mandeha. Tsy maintsy miatrika olana tsindraindray koa ny olona iray, vao mahay hoe inona no tokony hatao raha te hahomby eo amin’ny fiainana.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Tonga dia kivy ny ankizy sasany rehefa tsy nety ny zavatra nataony, na miatrika olana izy, na misy manakiana. Misy aza milavo lefona mihitsy. Mila azony tsara anefa ireto:

Raha tsy mora kivy ny ankizy, dia hatoky izy hoe ho vitany ny hiatrika olana amin’ny hoavy.

AHOANA NO HAMPIANARANA AZY?

Rehefa tsy nety ny zavatra nataony.

TORO LALANA: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.”—Ohabolana 24:16.

Ampio izy handinika raha olana be ilay izy na tsia. Ahoana, ohatra, raha ratsy ny naotiny tamin’ny fanadinana? Mety ho kivy izy, dia hiteny hoe: “Izaho ve rangahy tsy mahay na inona na inona mihitsy!”

Ampio izy hahita hoe ahoana no azony anatsarana ny naotiny. Hiatrika an’ilay olana izy amin’izay fa tsy hitsetra tena.

Tandremo anefa sao dia ianao indray no mamaha an’ilay olana. Manampy azy hahita vahaolana fotsiny no ataonao. Azonao anontaniana, ohatra, izy hoe: “Inona no azonao atao mba hahaizanao kokoa an’io lesona io?”

Rehefa misy olana.

TORO LALANA: “Tsy fantatrareo akory ... izay hitranga aminareo rahampitso.”—Jakoba 4:14.

Miovaova ny fiainana. Mety ho lasa mahantra, ohatra, ny olona iray, na harary tampoka. Hoy ny Mpitoriteny 9:11: “Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ary tsy ny mahery no mandresy, ... satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”

Azo antoka hoe miezaka mafy ianao mba hiarovana ny zanakao. Tsy ho vitanao anefa ny hiaro azy amin’izay olana rehetra mety hitranga.

Mbola kely angamba ny zanakao izao, dia tsy hainy izany hoe very asa na manana olana ara-bola izany. Afaka manampy azy hiatrika olana hafa anefa ianao. Mety hoe niady tamin’ny namany izy, na malahelo satria maty ny havanareo. *

Rehefa misy manitsy izy.

TORO LALANA: “Henoy ny torohevitra ... mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.”—Ohabolana 19:20.

Tsy hoe te hampalahelo ny zanakao akory ny olona raha manitsy azy. Mba tiany hanova an’izay tsy mety fotsiny izy.

Raha ampianarinao hanaiky fanitsiana ny zanakao, dia samy handray soa ianareo. Hoy i John, manan-janaka telo mianadahy: “Raha arovanao foana ny zanakao rehefa misy tsy mety ataony, dia tsy handray lesona mihitsy izy. Hanana olana foana izy rehefa lehibe, dia ianao ihany no tsy maintsy hamaha azy ireny. Samy hijaly na ianao na ilay zanakao.”

Inona no azonao atao raha tianao hanaiky fanitsiana ny zanakao? Mety hanitsy azy, ohatra, ny mpampianatra na olon-kafa. Mitandrema mba tsy hiteny hoe tsy rariny ilay izy. Azonao anontaniana kosa izy hoe:

  • “Fa maninona ilay olona no nanitsy anao?”

  • “Inona no azonao hatsaraina?”

  • Inona no hataonao raha misy manitsy indray ianao amin’ny manaraka?”

Tsy amin’izao ihany ny zanakao no handray soa raha manaiky fanitsiana, fa rehefa lehibe koa.

^ feh. 21 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ampio ny Zanakao Hizaka ny Alahelony”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2008.