Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Manaiky Hahitsy ve Ianao?

Manaiky Hahitsy ve Ianao?

OLANA

“Matoa misy olona manitsy anao, dia midika izay fa nisy zavatra tsy nety nataonao. Iza anefa moa no ho faly rehefa tenenina hoe nanao zavatra tsy nety?”—Tsiky, 17 taona. *

Hahita loza ny mpitondra fiaramanidina, raha tsy manaiky ny tenin’ireo mpanome toromarika. Hoatr’izany koa no hanjo an’izay tsy manaiky hahitsy.

Sarotra aminao ve ny manaiky rehefa manitsy anao ny ray aman-dreninao, na ny mpampianatra, na ny olon-dehibe hafa? Misy hevitra hanampy anao ato.

TSARA HO FANTATRA

Mila ahitsy daholo ny olona rehetra.

‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’—Jakoba 3:2.

“Tsy mahamenatra mihitsy ny hoe misy manitsy, raha ohatra ianao nanao diso.”—Nomena.

Tsy hoe tsy misy dikany akory ianao raha ahitsy.

“Izay tian’i Jehovah * no anariny, tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.”—Ohabolana 3:12.

“Rehefa misy olona manitsy ahy, dia eritreretiko hoe mafy taminy izao ny niteny an’iny. Tena tia an’ahy izy matoa nanoro hevitra ahy.”—Sariaka.

Ho lasa tsara toetra kokoa ianao raha manaiky hahitsy.

“Mihainoa anatra, ka hendre.”—Ohabolana 8:33.

“Mila ahitsy ianao raha te ho matotra. Mba hitanao amin’izay hoe hoatran’iza ny fiheveran’ny olona anao, dia azonao ovana izay toetra ratsinao. Mety tsy ho tsapanao tsinona ilay izy raha tsy nisy niteny.”—Lovatiana.

 INONA NO AZONAO ATAO?

Diniho amin’ny saina tsy miangatra ilay izy. Mety ho sorena ianao rehefa nanao diso ka misy manitsy. Aza mora entim-po anefa. Andramo izao: Eritrereto hoe olon-kafa no nanao an’iny fahadisoana iny, angamba ny zandrinao, dia ianao indray no manitsy azy. Tsy hitanao ve hoe misy mahatsara azy ihany ilay fanitsiana? Izay àry tadidina, dia ho mora aminao ny hanaiky an’ilay izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 7:9.

“Indraindray ianao tezitra rehefa misy manitsy. Hadinonao mantsy fa te hanampy anao hihatsara toetra ilay olona, fa tsy hoe te hankarary ny fonao.”—Seheno.

Miezaha hanetry tena. Raha be hambom-po ianao dia lasa tsy manaiky hahitsy. Aza mora kivy koa anefa, na dia mbola misy toetra tokony hiezahanao aza. Hahay handanjalanja ianao raha manetry tena. Tadidio fa raha ahitsy ianao ka tena mafy aminao ilay izy, dia mety hidika izay hoe tena ilainao iny fanitsiana iny. Matiantoka àry ianao raha tsy nandray an’ilay izy, satria tahaka izay mba nihatsara ny toetranao.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 16:18.

Raha ahitsy ianao ka tena mafy aminao ilay izy, dia mety hidika izay hoe tena ilainao iny fanitsiana iny

“Tokony hanaiky torohevitra ianao raha te ho matotra. Mila miezaka àry ianao mba hahatanty hahitsy, ka manova izay tsy mety. Fa raha tsy izay, dia ianao ihany no ho voa.”—Lanja.

Isaory ilay olona. Na tsy mora aza ilay hoe ahitsy, maninona raha mba isaorana ihany ilay olona? Azo inoana mantsy fa te hanampy anao izy, ka nitady izay hahasoa anao.—Toro lalan’ny Baiboly: Salamo 141:5.

“Tsy mahafaty antoka mihitsy ny misaotra an’ilay olona, indrindra rehefa nilainao ilay torohevitra. Na dia tsy nilainao aza anefa ilay izy, dia ankasitraho ihany izy satria mba niezaka nanampy anao.”—Hasina.

^ feh. 4 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 11 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.