Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4

Mandray Andraikitra

Mandray Andraikitra

AHOANA IZANY?

Azo itokisana ny olona mahay mandray andraikitra. Ataony tsara izay zavatra ampanaovina azy, sady vitany ara-potoana.

Afaka mianatra mandray andraikitra ny ankizy, na dia mbola kely aza. Hoy ny boky Ny Fitaizan-janaka any Amin’ny Tany Samihafa (anglisy): “Rehefa feno herintaona sy telo volana ny zaza, dia efa afaka manao an’izay asain’ny ray aman-dreniny atao. Rehefa herintaona sy tapany eo ho eo indray izy, dia tiany hatao daholo izay ataon’ny ray aman-dreniny.” Izao koa no voalaza ao: “Efa ampianarina manao raharaha ny ankizy dimy taona ka hatramin’ny fito taona, any amin’ny tany maro. Mahavita zavatra tsara ny ankizy na dia mbola kely hoatr’izany aza.”

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Betsaka ny tanora te hahaleo tena, dia niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny. Niverina nody anefa izy ireny, tatỳ aoriana, rehefa nanana olana. Nisy tamin’izy ireny mantsy tsy mba nampianarina hitantam-bola, hanao raharaha, na handray andraikitra.

Tsara àry raha ampianarina handray andraikitra ny ankizy dieny mbola kely, mba tsy ho sahirana izy rehefa lehibe. Hoy ny boky iray momba ny fitaizana: “Tsy mety raha zarinao hiankin-doha be aminao foana ny zanakao. Dia rehefa feno 18 taona izy, dia alefanao hiatrika ny fiainana irery, nefa tsy misy na inona na inona hainy akory.”

AHOANA NO HAMPIANARANA AZY?

Ampanaovy raharaha izy.

TORO LALANA: “Ahitana tombontsoa ny fisasarana rehetra.”—Ohabolana 14:23.

Efa toetran’ny ankizikely mihitsy ilay hoe tia manampy ny ray aman-dreniny. Maninona àry izy raha ampanaovina raharaha?

Tsy te hanao an’izany anefa ny ray aman-dreny sasany. Efa be loatra, hono, ny devoaran’ny zanany, dia tsy tiany hampiana raharaha intsony.

Mahay kokoa anefa ny ankizy ampanaovina raharaha. Efa zatra mamita an’izay asaina ataony mantsy izy. Hoy ny boky Ny Fitaizan-janaka any Amin’ny Tany Samihafa: “Ahoana raha sakanantsika ny zanatsika, nefa izy te hanampy? Lasa mieritreritra izy hoe tsy ilaina ny manampy ny hafa. ... Tsy hanao zavatra koa izy fa hanantena ny hafa foana.”

Hita avy amin’izany fa lasa tsy tia tena ny ankizy sady vonona hanampy ny hafa, rehefa ampanaovina raharaha. Lasa tsapany koa hoe ilaina izy ao an-trano, sady tokony hanampy ny fianakaviany.

Ataovy tsapany hoe tompon’andraikitra amin’izay ataony izy.

TORO LALANA: “Henoy ny torohevitra, ary raiso ny anatra mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.”—Ohabolana 19:20.

Ahoana, ohatra, raha nanimba zavatr’olona ny zanakao? Aza afenimpenina ilay izy. Asaivo mizaka ny vokatry ny nataony izy, ohatra hoe miala tsiny na manolo an’ilay zavatra nosimbany.

Ataovy azon’ny ankizy hoe tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony izy, amin’izay izy...

  • ho zatra hilaza ny marina sy hiaiky fahadisoana

  • tsy hanome tsiny ny hafa

  • tsy hanamarin-tena

  • hiala tsiny rehefa ilaina