Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY

Fijaliana

Fijaliana

Misy mieritreritra fa Andriamanitra no mahatonga ny olona hijaly. Misy indray mihevitra fa na tsy izy aza no mahatonga antsika hijaly, dia tsy miraharaha ny fijaliantsika izy. Inona anefa no ampianarin’ny Baiboly? Mety ho gaga ianao raha fantatrao ny tena marina.

Avy amin’Andriamanitra ve ny fijaliana?

“Eny tokoa, tsy mba manao ratsy Andriamanitra.”Joba 34:12.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no milaza fa sitrapon’Andriamanitra daholo izay zava-mitranga rehetra. Heverin’izy ireo fa Andriamanitra àry no mahatonga antsika hijaly. Rehefa misy rivo-doza na horohoron-tany, ohatra, dia mieritreritra izy fa nataon’Andriamanitra hanasaziana ny mpanota ireny.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa tsy Andriamanitra no mahatonga antsika hijaly. Voalaza ao, ohatra, fa rehefa misy zavatra ratsy mahazo antsika, dia tsy mety ny miteny hoe: “Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.” Fa nahoana? Satria ‘sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.’ (Jakoba 1:13) Tsy Andriamanitra mihitsy àry no mahatonga antsika hijaly. Ratsy fanahy izy raha manao an’izany, nefa milaza ny Joba 34:12 fa “tsy mba manao ratsy Andriamanitra.”

Rehefa tsy Andriamanitra àry izany no mahatonga antsika hijaly, dia iza? Mampalahelo fa ny olona ihany matetika no mampijaly ny namany, satria tsy lavorary izy ireo. (Mpitoriteny 8:9) Ankoatr’izay koa, dia mety ho azon-tsampona isika satria sendra teo amin’ny toerana nisy loza, tamin’ny fotoana nitrangan’ilay izy. (Mpitoriteny 9:11) Mampianatra anefa ny Baiboly fa i Satana Devoly, ilay “mpitondra an’izao tontolo izao”, no tena mahatonga ny olona hijaly. “Izao tontolo izao manontolo” mantsy dia “eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19) Avy amin’i Satana àry ny fijaliana fa tsy avy amin’Andriamanitra.

Mba malahelo ve Andriamanitra rehefa mijaly isika?

“Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo.”Isaia 63:9.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Misy mihevitra fa tsy miraharaha antsika Andriamanitra rehefa misy zava-dratsy manjo antsika. Nilaza, ohatra, ny mpanoratra iray fa ‘tsy mba miantra na malahelo antsika Andriamanitra rehefa mijaly isika.’ Na misy aza, hono, Andriamanitra, dia “tsy mangoraka antsika mihitsy izy, sady tsy miraharaha an’izay mahazo antsika.”

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe ratsy fanahy na tsy miraharaha antsika Andriamanitra. Resahiny kosa hoe tena malahelo izy rehefa mijaly isika, ary tsy ho ela intsony dia hofoanany izay zavatra mampijaly antsika. Ireto misy hevitra telo tena mampahery avy ao amin’ny Baiboly.

Mahita ny fijaliantsika Andriamanitra. Tsy misy miafina amin’i Jehovah * izay manjo ny olona, na dia ranomaso indray mitete aza, satria mandinika ny zava-drehetra “ny masony.” (Salamo 11:4; 56:8) Rehefa nijaly, ohatra, ny vahoakany fahiny dia nilaza izy hoe: “Hitako mihitsy ny fahorian’ny oloko.” Tsy hoe hitany fotsiny izay nanjo ny mpanompony, fa tena tsapany mihitsy! Hoy izy: “Fantatro tsara ny fijaliany.” (Eksodosy 3:7) Nampahery olona maro ny nahafantatra hoe mahalala ny zava-drehetra mampijaly antsika Andriamanitra, na dia tsy tsapan’ny olon-kafa aza ilay izy.—Salamo 31:7; Ohabolana 14:10.

Malahelo Andriamanitra rehefa mijaly isika. Tsy hoe mahita ny fijaliantsika fotsiny i Jehovah, fa mangoraka antsika mihitsy. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa tena “ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo” an’ireo mpanompony fahiny. (Isaia 63:9) Na dia mahery lavitra noho ny olombelona aza Andriamanitra, dia tsapany ny fijaliana manjo antsika, ka hoatran’ny hoe izy mihitsy no iharan’ilay izy! “Be fitiavana tokoa i Jehovah sady mamindra fo.” (Jakoba 5:11) Tena manampy antsika hizaka ny fahoriantsika koa izy.—Filipianina 4:12, 13.

Hofoanan’Andriamanitra izay rehetra mampijaly antsika. Milaza ny Baiboly fa tsy hisy fijaliana intsony eto an-tany. Hampiasa an’ilay Fanjakany any an-danitra i Jehovah, ka hanala tanteraka ny fijaliana. Ho tsara be ny fiainan’ny olona eto an-tany amin’izay. Mampanantena Andriamanitra ao amin’ny Apokalypsy 21:4 fa “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” Ary ahoana ireo olona efa maty? Hatsangan’Andriamanitra eto an-tany izy ireo, ka ho sambatra fa tsy hijaly intsony. (Jaona 5:28, 29) Na ny zavatra nampijaly antsika aza tsy ho tadidintsika akory. Mampanantena mantsy i Jehovah hoe: “Tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha.”—Isaia 65:17. *

^ feh. 13 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.

^ feh. 15 Tianao ho fantatra ve hoe nahoana no mbola avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana, ary ahoana no hanafoanany an’izany? Jereo ny toko 8 sy ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.