Nosoratan’i Lioka 3:1-38

  • Hanomboka ny asan’i Jaona (1, 2)

  • Nitory i Jaona hoe tokony hatao batisa ny olona (3-20)

  • Natao batisa i Jesosy (21, 22)

  • Tetirazan’i Jesosy Kristy (23-38)

3  Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara, ary i Pontio Pilato no governoran’i Jodia, i Heroda*+ no lehibem-paritr’i Galilia, i Filipo rahalahiny no lehibem-paritra tany Itoria sy Trakonitisy, ary i Lysania no lehibem-paritr’i Abilena,  tamin’ny andron’i Anasy lehiben’ny mpisorona sy Kaiafa,+ dia nampita hafatra tamin’i Jaona+ zanak’i Zakaria, tany an-tany efitra,+ Andriamanitra.  Lasa àry izy nankany amin’ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana. Nitory izy hoe tokony hatao batisa ny olona mba hampisehoana fa efa nibebaka izy ireo, dia ho voavela ny helony,+  araka ny voasoratra ao amin’ny boky misy ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah!* Ataovy mahitsy ny lalany.+  Tsy maintsy hototofana ny lohasaha rehetra, ary haletsy daholo ny tendrombohitra sy ny havoana; ny lalana miolakolaka tsy maintsy hahitsy ary ny lalana mikitoantoana hatao mitovy tantana;  ary ny olombelona* rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra.’”*+  Dia hoy izy tamin’ny vahoaka tonga mba hataony batisa: “Ry taranaky ny bibilava misy poizina, iza no nampitandrina anareo mba tsy hiharan’ny* fahatezerana ho avy?+  Asehoy amin’ny ataonareo àry fa mibebaka ianareo.* Aza mieritreritra hoe: ‘I Abrahama no rainay.’ Fa lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manova an’iretsy vato iretsy ho lasa zanak’i Abrahama.  Efa mipetraka eo am-pototry ny hazo sahady tokoa ny famaky. Hokapaina àry izay hazo tsy mamoa voa tsara, ka hatsipy ao anaty afo.”+ 10  Dia nanontany azy ny vahoaka hoe: “Inona àry no tokony hataonay?” 11  Namaly izy hoe: “Izay manana akanjo anankiroa,* dia aoka hanome ho an’izay tsy manana, ary izay manan-kohanina, dia aoka hizara ho an’izay tsy manana.”+ 12  Ary na ny mpamory hetra aza mba tonga hatao batisa+ koa, ka niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?” 13  Dia hoy izy: “Aza mitaky* hetra mihoatra noho ny tokony ho izy.”+ 14  Nisy miaramila koa nanontany azy hoe: “Inona no tokony hataonay?” Dia hoy izy: “Aza mila sotasota amin’olona* na manendrikendrika+ olona, fa mahaiza mianina amin’izay omena anareo.”* 15  Efa niandriandry ny olona ary samy nieritreritra tao am-pony momba an’i Jaona hoe: “Sao dia izy ilay Kristy?”+ 16  Hoy anefa ny navalin’i Jaona azy rehetra: “Izaho manao batisa anareo amin’ny rano, fa ho avy kosa ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny tadin-kapany akory aza aho.+ Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy amin’ny afo.+ 17  Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana, mba hanadiovana tanteraka ny famoloany sy hanangonana ny vary ao amin’ny trano fitehirizany. Ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mety maty.” 18  Nanome torohevitra maro hafa koa izy, sady mbola nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona. 19  Fa nanarin’i Jaona kosa i Heroda lehibem-paritra satria naka an’i Herodiasy vadin’ny rahalahiny sady nanao zava-dratsy be dia be. 20  Koa nogadrainy i Jaona, ho fanampin’ireo zava-dratsy rehetra efa nataony ireo.+ 21  Rehefa vita batisa daholo ny olona rehetra, dia natao batisa koa i Jesosy.+ Ary nisokatra ny lanitra+ raha mbola nivavaka izy. 22  Dia nidina nankeo amboniny ny fanahy masina, izay naka endrika voromailala, ary nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: “Ianao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.”+ 23  Tokotokony ho 30 taona+ i Jesosy+ tamin’izy nanomboka ny asany, ary izy ilay noheverin’ny olona fa zanak’iJosefa,+Josefa zanak’i Hely, 24  Hely zanak’i Matata,Matata zanak’i Levy,Levy zanak’i Melky,Melky zanak’i Janay,Janay zanak’i Josefa, 25  Josefa zanak’i Matitia,Matitia zanak’i Amosa,Amosa zanak’i Nahoma,Nahoma zanak’i Esly,Esly zanak’i Nagay, 26  Nagay zanak’i Mata,Mata zanak’i Matitia,Matitia zanak’i Semey,Semey zanak’i Joseka,Joseka zanak’i Joda, 27  Joda zanak’i Joanana,Joanana zanak’i Resa,Resa zanak’i Zerobabela,+Zerobabela zanak’i Sealtiela,+Sealtiela zanak’i Nery, 28  Nery zanak’i Melky,Melky zanak’i Ady,Ady zanak’i Kosama,Kosama zanak’i Elmadama,Elmadama zanak’i Era, 29  Era zanak’i Jesosy,Jesosy zanak’i Eliezera,Eliezera zanak’i Joreima,Joreima zanak’i Matata,Matata zanak’i Levy, 30  Levy zanak’i Simeona,Simeona zanak’i Jodasy,Jodasy zanak’i Josefa,Josefa zanak’i Jonama,Jonama zanak’i Eliakima, 31  Eliakima zanak’i Melea,Melea zanak’i Mena,Mena zanak’i Matata,Matata zanak’i Natana,+Natana zanak’i Davida,+ 32  Davida zanak’i Jese,+Jese zanak’i Obeda,+Obeda zanak’i Boaza,+Boaza zanak’i Salmona,+Salmona zanak’i Nasona,+ 33  Nasona zanak’i Aminadaba,Aminadaba zanak’i Arny,Arny zanak’i Hezrona,Hezrona zanak’i Pereza,+Pereza zanak’i Joda,+ 34  Joda zanak’i Jakoba,+Jakoba zanak’i Isaka,+Isaka zanak’i Abrahama,+Abrahama zanak’i Tera,+Tera zanak’i Nahora,+ 35  Nahora zanak’i Seroga,+Seroga zanak’i Reo,+Reo zanak’i Palega,+Palega zanak’i Ebera,+Ebera zanak’i Sela,+ 36  Sela zanak’i Kenana,Kenana zanak’i Arpaksada,+Arpaksada zanak’i Sema,+Sema zanak’i Noa,+Noa zanak’i Lameka,+ 37  Lameka zanak’i Metosela,+Metosela zanak’i Enoka,Enoka zanak’i Jareda,+Jareda zanak’i Mahalalila,+Mahalalila zanak’i Kenana,+ 38  Kenana zanak’i Enosa,+Enosa zanak’i Seta,+Seta zanak’i Adama,+Adama zanak’Andriamanitra.

Fanamarihana

Izany hoe Heroda Antipasy. Jereo F.T.
Jereo F.F. A5.
Abt: “ny nofo.”
Na: “fomba hitondran’Andriamanitra famonjena.”
Na: “mba handositra ny.”
Abt: “Mamoaza voa mendrika ny fibebahana.”
Na: “akanjo fanampiny.”
Na: “manangona.”
Na: “manery olona hanome vola.”
Na: “karamanareo.”