Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

DEA/G. Dagli Orti/De Agostini via Getty Images

Nikaroka ny Marina tao Amin’ny Baiboly i Ulrich Zwingli

Nikaroka ny Marina tao Amin’ny Baiboly i Ulrich Zwingli

 Afaka mijery ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny mpivavaka amin’izao raha marina na tsia ny zavatra inoany. Tsy hoatr’izany anefa ny zava-nisy tany amin’ny taona 1500 tany ho any. Tsy nanana sady tsy afaka namaky Baiboly tamin’ny fiteniny mantsy ny ankamaroan’ny olona tamin’izany. Mpiangona vitsivitsy ihany àry no afaka nanamarina raha tena mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly tokoa ny zavatra nampianarin’ny Eglizy azy. Ny mpitondra fivavahana koa tsy tena nanampy ny olona. Milaza ny boky History of the Christian Church fa “tsy nahay na inona na inona ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Eglizy tany Soisa, sady ninonino foana, ary ratsy fitondran-tena.”

 Nanomboka nikaroka ny marina tao amin’ny Baiboly i Zwingli tamin’izany fotoana izany. Dia inona no vokany? Ahoana no nataony mba hizarana amin’ny hafa ny zavatra nianarany? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainany sy ny zavatra naharesy lahatra azy?

Nanomboka nikaroka i Zwingli

 Te ho lasa pretra i Zwingli, tamin’izy 20 taona mahery kely. Tsy nasaina nandinika ny Baiboly izay olona te ho lasa pretra tamin’izany, fa nasaina nandalina filozofia sy ny fombafomban’ny Eglizy ary ny asa soratry ny “Rain’ny Eglizy.” Izany koa no nataon’i Zwingli.

 Ahoana no nahalalan’i Zwingli ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny voalohany? Tamin’izy tao amin’ny Oniversiten’i Bâle any Soisa, dia naheno ny toriteny nataon’i Thomas Wyttenbach, izay nilaza hoe tsy tokony handoavam-bola ny fahazoana famelan-keloka. a Nilaza ny mpanoratra iray fa noho ilay toriteny nataon’i Wyttenbach, dia lasa fantatr’i Zwingli hoe maty indray mandeha noho ny fahotantsika i Kristy. (1 Petera 3:18) Rehefa azon’i Zwingli tsara hoe ny sorona nataon’i Jesosy ihany no ahazoana famelan-keloka, dia tsy nekeny intsony ilay fampianarana hoe afaka mamela ny fahotan’ny olona iray ny mpitondra fivavahana raha mandoa vola ilay olona. (Asan’ny Apostoly 8:20) Notohizin’i Zwingli foana anefa ilay fianarana nataony, ary lasa pretra izy tamin’izy 22 taona.

 Nianatra teny grika i Zwingli tamin’izy 20 taona mahery, dia izy ihany no nampiana-tena. Tiany ho azo mantsy ilay teny grika tany am-boalohany nanoratana an’ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao. Nianatra ny asa soratr’i Érasme koa izy, dia tao no nahafantarany fa araka ny voalazan’ny Baiboly dia i Jesosy ihany no mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona. (1 Timoty 2:5) Lasa nampisalasala an’i Zwingli àry ilay fampianaran’ny Katolika hoe amin’ny alalan’ny olo-masina no hanatonana an’Andriamanitra.

 Vao mainka i Zwingli niezaka mafy nikaroka ny marina, tamin’izy 30 taona mahery. Pretra tao amin’ny tafika koa anefa izy nandritra an’ireo ady nisesisesy nataon’ny Eoropeanina mba hifehezana an’i Italia. Nahita Katolika namono Katolika an’arivony izy tamin’ilay ady tany Marignano, tamin’ny 1515. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nadikan’i Zwingli tanana ny Soratra Grika ary nataony tsianjery mihitsy aza ny ampahany lehibe amin’izy io. Efa nipetraka tany Zurich, foiben’ny fitondrana ara-politika tany Soisa, i Zwingli tamin’ny 1519. Lasa nieritreritra izy rehefa tany hoe tsy tokony hampianatra zavatra tsy voaporofo ao amin’ny Soratra Masina intsony ny Eglizy. Ahoana anefa no nataony mba hahatonga ny olon-kafa hanatsoaka hevitra hoatr’izany koa?

“Mbola tsy naheno toriteny hoatr’izany mihitsy izahay”

 Nihevitra i Zwingli fa tsy hino ny lainga ampianarin’ny fivavahana intsony ny olona raha vao mahafantatra ny marina ampianarin’ny Baiboly. Voafidy ho pretra tao amin’ny Eglizy nalaza antsoina hoe Grossmünster tao Zurich izy. Rehefa nanomboka nanao toriteny izy, dia sahy nilaza fa tsy hamaky ny litorjia b amin’ny teny latinina intsony, na dia io aza no nampiasain’ny mpitondra fivavahana nandritra ny taonjato maro. Naleony ny Baiboly mihitsy no nampiasaina rehefa nitory ny Filazantsara, dia nasesiny ireo toko hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Ny Baiboly ihany no navelany hanazava ny Baiboly fa tsy nampiasa hevitra avy tamin’ny Rain’ny Eglizy izy. Izay andinin-teny mora azo kokoa no nentiny hanazavana ny hevitra sarotra kokoa tao amin’ny andinin-teny hafa.​—2 Timoty 3:16.

Sergio Azenha/Alamy Stock Photo

Ny Eglizy Grossmünster any Zurich

 Rehefa nanao toriteny i Zwingli, dia nampiany hahatakatra ny olona hoe mahasoa eo amin’ny fiainana andavanandro ny Baiboly. Nampianatra ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena izy, ary nolazainy hoe tsy mety ny mivavaka amin’i Maria renin’i Jesosy, ny mivavaka amin’ny olo-masina, ary ny mitaky vola mba hahazoan’ny olona famelan-keloka. Nomelohiny koa hoe ratsy fitondran-tena ny mpitondra fivavahana. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona? Izao no nolazain’ny olona sasany rehefa naheno an’ilay toriteny nataony voalohany: “Mbola tsy naheno toriteny hoatr’izany mihitsy izahay.” Izao no nosoratan’ny mpahay tantara iray momba an’ireo Katolika nihaino ny toritenin’i Zwingli: “Lasa niverina nivavaka indray ny olona rikoriko tamin’ny hadalana sy ny fitondran-tena ratsin’ny pretra.”

 Nampiasa ny mpanao politika tao Zurich ny mpitondra fivavahana, tamin’ny 1522, mba hanakanana ny olona tsy hanohitra ny fampianaran’ny Eglizy. Nampangaina ho mpivadi-pinoana àry i Zwingli. Tsy nilefitra mihitsy anefa izy ka niala tsy ho pretra.

Ahoana no nataon’i Zwingli?

 Marina fa tsy pretra intsony i Zwingli. Mbola nazoto nilaza ny zavatra ninoany anefa izy, ka niezaka foana nandresy lahatra ny olon-kafa. Lasa fantatr’olona àry izy noho izany, ary lasa to teny teo amin’ireo mpanao politika tao Zurich izy. Nampiasa an’izany fahefana izany izy mba hitondrana fanavaozana teo amin’ny fivavahana tao Zurich. Tamin’ny 1523, ohatra, dia nandresy lahatra ny mpitsara izy mba hamoaka lalàna hoe tsy azo atao ny mampianatra zavatra tsy voaporofo ao amin’ny Soratra Masina. Tamin’ny 1524 indray, dia nandresy lahatra azy ireo izy mba handrara ny fanompoan-tsampy. Niray hina ny mpitsara sy ny mpitory teny teo an-toerana ary ny vahoaka ka nandrava alitara, sampy, sarivongana, ary taolam-patin’ny olo-masina. Milaza ilay boky hoe Zwingli​—God’s Armed Prophet hoe: “Mbola tsy nisy fandravana ny fananan’ny Eglizy Tandrefana hoatran’izany mihitsy, raha tsy tamin’ny andron’ny Vikings izay nandroba an’ireo trano fivavahana.” Nampirisika ny manam-pahefana koa izy, tamin’ny 1525, mba hanova ny tranon’ny Eglizy ho hopitaly, ary hamela ny moanina sy ny masera hanambady. Nangataka koa izy mba hosoloana fankalazana tsotra resahin’ny Baiboly ny lamesa. (1 Korintianina 11:23-25) Milaza ny mpahay tantara fa ny ezaka nataon’i Zwingli no nahatonga ny mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana hiara-hiasa. Milaza koa izy ireo fa i Zwingli no nanomana ny lalana ho amin’ny Fanavaozana Protestanta, ka lasa niforona ny Fivavahana Protestanta.

Ny Baibolin’i Zurich navoaka tamin’ny 1536, any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, any New York

 Ny fandikana ny Baiboly no asa tena niavaka nataon’i Zwingli. Taorian’ny taona 1520, dia niara-niasa tamin’ny manam-pahaizana vitsivitsy izy mba handika ny Baiboly. Nampiasa Baiboly amin’ny teny hebreo sy grika ry zareo, ary ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina. Tsotra ny fomba fiasan-dry zareo. Novakin’izy ireo isan’andininy aloha izay voasoratra tao amin’ireo Baiboly ireo. Niarahan’izy ireo nidinika ny hevitr’ilay andinin-teny ary nosoratan’izy ireo avy eo ny fahazoany azy. Nanazava sy nandika ny Tenin’Andriamanitra ry zareo ary namoaka ny Baibolin’i Zurich. Vita boky iray izy io tamin’ny 1531.

 Mety hoe tso-po ihany i Zwingli, nefa nahery setra sady tsy tiany raha nisy olona tsy nitovy hevitra taminy. Nandray anjara tamin’ny fitsarana ny Anabatista, ohatra, izy tamin’ny 1525. Notoherin’izy ireo mantsy ilay hevitr’i Zwingli hoe tokony hatao batisa ny zazakely. Rehefa namoaka didy ny fitsarana tatỳ aoriana hoe voaheloka ho faty izay olona mbola tsy nanaiky ny fanaovana batisa zazakely, dia tsy nanohitra an’izany didy izany i Zwingli. Nasainy nampiasa ny tafika koa ny mpanao politika mba hanerena ny olona hiova finoana. Maromaro anefa ny faritra be Katolika hiringiriny tany Soisa no tsy nanaiky an’ilay fanavaozana nentiny, dia raikitra ny ady an-trano. Maty nandritra an’ilay ady an-trano i Zwingli tamin’izy 47 taona satria nanaraka an’ireo miaramila avy any Zurich.

Ny zava-bitan’i Zwingli

 Nanao zavatra nanova be ny tantara i Ulrich Zwingli, na dia tsy tena nalaza hoatran-dry Martin Luther sy Jean Calvin Mpitondra Fanavaozana Protestanta aza. Tsy nanao hoatran’i Luther i Zwingli fa sahy nanda tanteraka ny fampianaran’ny Fivavahana Katolika, ary nanampy ny olona hanaiky ny fampianaran’i Calvin ny ezaka nataony. Izany no nahatonga azy hantsoina hoe Ilay Lehilahy Fahatelo Nitondra Fanavaozana.

 Tsy hoe tsara foana ny zava-bitan’i Zwingli. Lasa tafiditra lalina tamin’ny politika sy nandray anjara tamin’ny ady izy mba handresena lahatra ny olona. Tsy nahavita nanaraka ny modely nomen’i Jesosy Kristy izy rehefa nanao an’izany. I Jesosy mantsy tsy nidikiditra tamin’ny politika ary nampianatra ny mpanara-dia azy ho tia ny fahavalony fa tsy hamono azy ireny.​—Matio 5:43, 44; Jaona 6:14, 15.

 Nazoto nianatra Baiboly koa anefa i Zwingli, ary tapa-kevitra ny hizara an’izay fantany tamin’ny olon-kafa. Be dia be ny fahamarinana hitany tao amin’ny Baiboly, ary nanampy ny olon-kafa hahita an’izany koa izy.

a Rehefa avy nandoa vola mba hahazoana famelan-keloka ny olona iray dia namoaka didy ny mpitondra fivavahana hoe mihena, hono, na foana ny sazin’ilay olona ary tsy hijalijaly any amin’ny afofandiovana izy rehefa maty.

b Ny litorjia dia boky misy andinin-teny efa voafantina, ary vakina mandritra ny taona.