Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vola

Vola

Lasa tsy dia manana olana ara-bola ny olona maro, rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.

MANAOVA TETI-BOLA

TORO LALANA: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.”—Ohabolana 21:5.

AHOANA IZANY? Mila feranao mialoha hoe ohatrinona ny vola holaninao, dia aza mihoatra an’izay. Tadidio hoe tsy ho afaka hividy an’izay rehetra tianao ianao. Mahaiza àry mitantam-bola.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Aza miala amin’ny teti-bola efa nataonao. Ataovy lisitra ny zavatra mila vidinao na ny vola tokony haloanao. Zarao ho sokajy maromaro ilay izy, ohatra hoe sakafo, fitafiana, na zavatra hafa. Diniho avy eo hoe ohatrinona ny vola holaninao amin’ny sokajy tsirairay. Raha mihoatra ny vola lany amin’ny sokajy iray, dia akao ny vola ao amin’ny sokajy hafa. Ahoana, ohatra, raha nihoatra ny vola nividianana sakafo? Azonao angalana ny vola natokana ho an’ny zavatra tsy tena ilaina, ohatra hoe ho an’ny fialam-boly.

  • Aza mitrosa raha tsy tena ilaina izany. Miezaha kosa manangom-bola mba hividianana an’izay ilainao. Raha tsy maintsy mindram-bola ianao, dia aloavy haingana ny trosanao mba tsy ho bokan’ny trosa ianao. Raha efa ananan’olona vola indray ianao, dia alamino hoe ahoana ny fomba hamerenanao an’ilay izy ary aza ovaovana izany.

    Raha zatra mitrosa foana ny olona iray, dia vao mainka izy te hividy zavatra betsaka kokoa. Mila mieritreritra tsara àry ianao alohan’ny hitrosana.

MANÀNA TOE-TSAINA TSARA

TORO LALANA: “Tsy miasa tany ny kamo fa ririnina ny andro, ka hangataka izy rehefa fotoam-pijinjana, nefa tsy hahazo na inona na inona.”—Ohabolana 20:4.

AHOANA IZANY? Mety hahantra ny olona iray raha kamo miasa. Miezaha àry hazoto hiasa. Mahaiza koa mitantam-bola mba hanana an’izay ilainao foana ianao.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Miezaha hiasa mafy. Ho tian’ny mpampiasa ianao raha mazoto miasa sy miezaka ho azo ianteherana.

  • Manaova ny marina. Aza mangalatra amin’ny mpampiasa anao. Ho ratsy laza ianao raha tsy manao ny marina, ary mety ho sarotra aminao ny hahita asa any aoriana any.

  • Aza tia vola. Raha tsy afa-po mihitsy ianao fa mitady vola foana, dia mety harary ary mety tsy hifandray tsara amin’ny hafa intsony. Tadidio hoe tsy ny vola no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana.

TORO LALANA HAFA

Afaka mamaky Baiboly ianao ao amin’ny jw.org. Misy amin’ny fiteny an-jatony izy io ao

AZA MANDANY FOTOANA SY VOLA AMIN’NY ZAVATRA RATSY.

“Hahantra ny mamo lava sy ny tendan-kanina, ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.”—OHABOLANA 23:21.

AZA MANAHY BE LOATRA.

“Aza manahy intsony ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.”—MATIO 6:25.

AZA MITSIRIRITRA.

“Miezaka mafy mba hanan-karena ny olona manana maso feno fitsiriritana, nefa tsy fantany fa hahantra izy.”—OHABOLANA 28:22.