Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Tsy Mahamenatra Ahy Intsony Izao ny Fiainako”

“Tsy Mahamenatra Ahy Intsony Izao ny Fiainako”
  • Teraka: 1963

  • Firenena: Meksika

  • Fiainany Taloha: Nahantra be tamin’ny mbola kely sady nahatsiaro tena ho tsy nisy dikany

NY FIAINAKO TALOHA

 Tany Ciudad Obregón, any amin’ny faritra avaratr’i Meksika, aho no teraka. Sivy mianadahy izahay, ary izaho no fahadimy. Tsy tena tany afovoan-tanàna izahay no nipetraka, fa lavidavitra, dia namboly sy niompy ny dadanay. Nahafinaritra be tany, sady niray saina tsara izahay mianakavy. Indrisy anefa fa nisy rivo-doza nandalo, dia rava ny tranonay. Tsy maintsy nifindra tany an-toeran-kafa àry izahay. Vao dimy taona aho tamin’izany.

 Lasa nanananam-bola ny dadanay, tatỳ aoriana. Lasa nisotro toaka be anefa izy, dia nikorontana ny tokantranon’izy mivady. Izahay ankizy koa lasa naditra. Nangalarinay ny sigaran’ny dadanay, dia nofohinay. Nisotro toaka koa izahay, dia mamo aho nefa izaho tamin’izany vao enin-taona. Nisaraka ry dadanay sy mamanay tsy ela taorian’izay, dia vao mainka aho naditra.

 Lasa niara-nipetraka tamin’ny lehilahy hafa mamanay, dia nentiny nanaraka azy izahay. Tsy mba nahazo vola tamin’ilay lehilahy mihitsy izy, nefa tsy ampy hamelomana anay rehetra ny karamany. Nanao izay asa azonay natao teny izaho sy ny mpiray tam-po amiko, saingy zara raha nahazo vola hividiananay an’izay nilainay izahay. Nanadio kiraron’olona aho, dia nivarobarotra teny, ohatra hoe nivarotra mofo, gazety, siligaoma. Nandehandeha eran’ny tanàna koa aho mba hitsindroka sakafo teny amin’ny fitoeram-pakon’ny mpanankarena.

 Nisy lehilahy iray izay niasa teny amin’ny fanariam-pakon’ilay tanànanay. Nasainy niara-niasa taminy aho, tamin’izaho folo taona, dia nekeko ilay izy. Niala tao an-trano aho, dia tsy nianatra intsony. Nomen’ilay lehilahy iray dolara latsaka kely aho isan’andro, dia nomeny an’izay ambinambin-tsakafo hitany tany anaty fako. Trano bongo no nipetrahako ary zavatra notsimponiko teny amin’ny fako no nanamboarako an’ilay izy. Olona niteny ratsy sy naloto fitondran-tena daholo no niaraka tamiko teny. Be dia be koa ny mpifoka rongony sy mpisotro toaka. Mafy loatra ny zavatra niainako tamin’izany, dia nitomany foana aho isan’alina sady nangovitra be satria natahotra. Menatra be aho satria tena nahantra sady tsy dia nahita fianarana. Telo taona teo ho eo aho no nipetraka tany amin’ilay fanariam-pako, dia avy eo aho nifindra tany amin’ny tanàna hafa. Nioty voninkazo sy landihazo teny an-tsaha no asako tany, dia naka fary, dia nihady ovy.

Hoatran’io ny toerana nipetrahako nandritra ny telo taona

 Niverina tany Ciudad Obregón aho, efa-taona tatỳ aoriana. Tany amin’ny nenitoanay mpimasy aho no nipetraka. Nanonofy ratsy foana aho sady lasa kivy be ka nieritreritra ny hamono tena. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho indray alina izay hoe: “Tompo ô, raha tena misy ianao, dia mba ampio aho hahafantatra anao, fa hanompo anao mandrakizay aho. Ampio koa aho mba hahalala ny fivavahana marina, raha tena misy izany.”

NANOVA NY FIAINAKO NY BAIBOLY

 Efa ela aho no te hahafantatra tsara an’Andriamanitra. Mbola kely aho dia efa nitety fiangonana, fa nandiso fanantenana ahy daholo izay nalehako. Tsy tena niresaka ny zavatra ampianarin’ny Baiboly izy rehetra sady tsy nisy nanampy ahy hahalala tsara an’Andriamanitra. Resa-bola no tena zava-dehibe tamin’ny fiangonana sasany. Tany amin’ny hafa indray, ratsy fitondran-tena ny mpivavaka.

 Nisy zaodahiko izay niresaka tamiko, tamin’izaho 19 taona. Notantarainy an’ahy hoe nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah azy, hono, hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny sary masina. Novakiny tamiko ny Eksodosy 20:4, 5. Resahina ao hoe tsy mety ny manao sary sokitra mba hivavahana. Izao no lazain’ny andininy faha-5: “Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy, fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.” Nanontanian’ilay zaodahiko aho avy eo hoe: “Raha amin’ny alalan’ireny sary masina ireny Andriamanitra no manao fahagagana na tiany hampiasa azy ireny isika rehefa mivavaka aminy, dia maninona izy no mandrara antsika tsy hivavaka amin’ireny?” Nampieritreritra ahy izany. Niresaka foto-kevitra avy ao amin’ny Baiboly foana izahay taorian’izay. Tiako be ny resadresakay, dia hoatran’ny tsy hitahitako akory dia tapitra ilay izy.

 Nentiny nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tatỳ aoriana. Nahafinaritra be ahy ny zavatra hitako sy henoko tany. Na ny tanora aza nahay nandaha-teny be! Niaiky mihitsy aho tamin’izay hoe: ‘Tena hafa mihitsy ny zavatra ianarana ato a!’ Noraisin-dry zareo tsara koa aho na dia lava be aza ny voloko sady nisavoritaka ny akanjoko. Nisy fianakaviana iray izay aza nanasa an’ahy hisakafo mihitsy taorian’ilay fivoriana!

 Rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia fantatro hoe Ray be fitiavana i Jehovah Andriamanitra. Tia antsika foana izy na mahantra isika na manan-karena, na manao ahoana na manao ahoana ny volon-koditsika, ary na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny fahaizantsika. Tena tsy manavakavaka izy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Lasa nahafantatra tsara an’Andriamanitra aho. Falifaly foana aho izao, dia tsapako hoe tena misy dikany ny fiainako.

NY SOA NORAISIKO

 Niova be ny fiainako. Tsy nifoka sigara sy nisotro toaka be intsony aho sady tsy niteny ratsy intsony. Tsy nanonofy ratsy intsony aho, dia tsy nahakivy an’ahy intsony ny fiainako. Nieritreritra aho taloha hoe tsy misy ilana ahy mihitsy satria mafy ny zavatra niaretako, dia izaho koa zara raha nianatra. Izao anefa aho tsy mieritreritra hoatr’izany intsony.

 Nahita vady tsara toetra koa aho. Tia an’i Jehovah izy sady tena manohana ahy. Mitsidika ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao no ataoko, mba hampianatra sy hampahery an’ireo mpiara-mivavaka amiko. Hoatran’ny hoe fianakaviako mihitsy ry zareo. Soa ihany fa tena nanampy ahy hiova ny Baiboly sy ny fampianarana tena tsara omen’Andriamanitra ao amin’izy io. Tsy mahamenatra ahy intsony izao ny fiainako.

Tianay mivady ny manampy ny hafa satria izaho koa mba nisy nanampy taloha