Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Tsy Nankahala An’ny Dadanay Intsony Aho

Tsy Nankahala An’ny Dadanay Intsony Aho
  • TERAKA: 1954

  • FIRENENA: Philippines

  • FIAINANY TALOHA: Nitsoaka satria tsy nahazaka ny nataon’ny dadany

NY FIAINAKO TALOHA

 Misy riandrano malaza be any akaikin’i Pagsanjan, any Philippines, dia be dia be ny mpizaha tany tia mankany. Tany dadanay no nihalehibe. Nardo Leron no anarany, ary nahantra kely ry zareo. Nanao kolikoly daholo koa na ny mpiara-miasa taminy, na ny polisy, na ny manam-pahefana. Nahasorena azy izany, ka lasa tezitezi-dava izy.

 Valo mianadahy izahay, dia tsy maintsy niasa mafy ry dadanay sy mamanay mba hamelomana anay. Tsy tao an-trano matetika ry zareo satria nandeha namboly tany an-tendrombohitra. Tsy mba nisy nikarakara àry izahay sy Rodelio zokinay lahy. Matetika izahay no tsy nihinan-kanina. Tsy dia afaka nilalao hoatran’ny ankizy hafa koa izahay. Vao feno fito taona mantsy izahay ankizy, dia efa niasa tany amin’ny toeram-pambolena voaniho. Nitatitra voaniho no nataonay. Nandeha lalan-kely tany an-tendrombohitra izahay tamin’izany. Niakatra be anefa ilay lalana sady be dia be ny voaniho indray nentina, dia indraindray tsy zakanay, ka tsy maintsy notaritina.

 Novonovonoin’ny dadanay foana izahay. Nataony maty vono koa mamanay. Tena tsy zakanay ny nahita an’ilay izy, ka niezaka nanakana azy izahay, fa tsy nahavita. Nifanaraka àry izahay sy Rodelio hoe hovonoinay ho faty izy rehefa lehibe izahay. Naleoko mantsy tsy nanana dada toy izay dada tsy tia anay!

 Tezitra be tamin’ny dadanay aho, ka nitsoaka tamin’izaho 14 taona. Teny an’arabe aho no natory tamin’ny voalohany, dia lasa nifoka rongony. Mba nahita asa anefa aho tatỳ aoriana. Lasa mpitondra lakana aho, dia nitatitra mpizaha tany nankeny amin’ilay riandrano.

 Nianatra tany amin’ny oniversiten’i Manille aho, taona vitsivitsy taorian’izay. Tsy maintsy niasa tany Pagsanjan anefa aho rehefa faran’ny herinandro, ka zara raha nanam-potoana nianarana lesona. Tsy nisy dikany mihitsy ny fiainako. Tsy nisy vokany tamiko intsony koa ilay rongony nofohiko, ka nanandrana rongony mahery aho. Nandramako daholo na anfetaminina na kôkainina na herôinina. Tsy hoe nifoka rongony fotsiny aho fa nijangajanga koa. Nalahelo be aho satria be dia be ny mahantra sy mijaly ary iharan’ny tsy rariny. Nieritreritra aho hoe ny fanjakana no mahatonga an’izany, ka tezitra tamin-dry zareo aho. Nivavaka aho hoe: “Andriamanitra ô! Fa maninona ny fiainana no hoatr’izao?” Nojereko hoe iza no fivavahana afaka manome valiny mahafa-po ahy, fa tsy nisy mihitsy. Kivy be aho ka vao mainka nifoka rongony.

 Nidina an-dalambe ny mpianatra tany Philippines tamin’ny 1972, satria te hikomy tamin’ny fanjakana. Mba nankeny koa aho indray mandeha, kanjo nivadika rotaka ilay izy. Be dia be no voasambotra. Lasan’ny miaramila ny fitondrana, volana vitsivitsy tatỳ aoriana.

 Tsy nisy naleha aho, dia natory teny an’arabe indray. Nitebiteby anefa aho hoe ho voasambotra satria niara-nitokona tamin’ny mpianatra. Tsy nahita vola hividianana rongony aho, dia nangalatra sady nivaro-tena tamin’ny mpanankarena sy ny vahiny. Tsy noraharahaiko intsony na maty aho na velona.

 Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mamanay sy ny zandrinay lahy iray, tamin’izany. Tezitra be dadanay, dia nodorany ny bokin’izy mianaka. Tsy kivy anefa ry zareo, fa natao batisa, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

 Nisy Vavolombelona niresaka tamin’ny dadanay, indray mandeha, hoe mbola hanjaka eran-tany ny rariny indray andro any, araka ny Baiboly. (Salamo 72:12-14) Tena nahaliana an’ny dadanay izany, ka tapa-kevitra izy hoe handalina Baiboly. Hitany tao hoe mampanantena Andriamanitra fa hanao ny rariny ny fanjakany rehefa hitondra ny tany. Nianarany tao koa hoe inona no andraikitry ny lehilahy manambady sy ny raim-pianakaviana. (Efesianina 5:28; 6:4) Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny mpiray tam-po amiko hafa rehetra, taoriana kelin’izay. Tsy nahafantatra an’izany anefa aho satria lavitra be an-dry zareo no nipetraka.

NANOVA NY FIAINAKO NY BAIBOLY

 Nifindra teto Aostralia aho, tamin’ny 1978. Firenena manan-karena sady milamina i Aostralia. Mbola niady saina ihany anefa aho, ka mbola nifoka rongony sady nisotro toaka. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, tamin’ny faramparan’ny 1978. Nasehony ahy tao amin’ny Baiboly hoe mbola hiadana ny olona eran-tany any aoriana any. Nahaliana ahy ilay izy, nefa tsy te hifandraindray be tamin-dry zareo aho, sao dia tafiditra lalina loatra.

 Niverina kely tany Philippines aho, taoriana kelin’izay. Notantarain’ny mpiray tam-po amiko hoe efa niova be dadanay. Mbola tezitra be taminy anefa aho, ka nandosindositra azy.

 Nohazavain’ny zandriko vavy tamiko hoe nahoana ny olona no mijaly be sy iharan’ny tsy rariny. Gaga aho hoe mbola ankizivavikely izy sady mbola tsy nandia fiainana akory, nefa nahay Baiboly sady nahavita namaly ny fanontaniako. Rehefa hody aho, dia nomen’ny dadanay an’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. a Hoy izy tamiko: “Aza mitady any an-kafa intsony, fa ato amin’ity boky ity ny valin’ny fanontanianao.” Dia nasainy nitady Vavolombelon’i Jehovah koa aho.

 Narahiko ny teniny rehefa tafody aho, dia nahita efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tany akaikinay tany Brisbane. Nanaiky hianatra Baiboly tamin-dry zareo aho. Hitako avy tamin’ilay faminaniana ao amin’ny Daniela toko faha-7 sy ny Isaia toko faha-9 fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra eto an-tany amin’ny hoavy, ary tsy hanao kolikoly mihitsy izy io. Nianarako koa hoe ho lasa paradisa ny tany amin’izany. Te hanao ny sitrapon’Andriamanitra aho, saingy hitako hoe mbola nila niezaka tsy ho mora tezitra aho. Nila najanoko koa ny toaka sy ny rongony ary ny fijangajangana. Nisarahako àry ilay ankizivavy nanaovako tokantranomaso, dia tsy nifoka sy tsy nisotro intsony aho. Lasa nihanatoky an’i Jehovah aho, dia nivavaka taminy mba hampiany hiova tanteraka.

 Tsapako tsikelikely hoe tena mahavita manova olona ny zavatra ianarany ao amin’ny Baiboly. Nianarako tao, ohatra, hoe azo atao tsara ny miezaka hanana ny “toetra vaovao.” (Kolosianina 3:9, 10) Dia niezaka nanao an’izany aho, ka hitako hoe hay tena azo atao ny miova. Teo aho vao tonga saina hoe sao dia marina ihany ilay hoe efa niova dadanay. Tsy tezitra taminy intsony àry aho, fa te hihavana taminy indray. Nohadinoiko tanteraka ny fahadisoany, na dia efa hatramin’ny mbola kely aza aho no nankahala azy.

NY SOA NORAISIKO

 Matetika aho no nanaraka an’izay nataon’ny namako fotsiny, nefa nanimba ahy ilay izy. Marina mihitsy ilay voalazan’ny Baiboly hoe lasa manaonao foana ianao rehefa miaraka amin’ny naman-dratsy. (1 Korintianina 15:33) Nahazo namana tsara anefa aho rehefa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanampy ahy hiova ry zareo. Tsy vitan’izay fa nahazo vady mahafinaritra aho. Loretta no anarany. Miara-mampianatra Baiboly izao izahay roa. Ampianay ny olona hahita hoe mahasoa azy izay lazain’ny Baiboly.

Miara-misakafo amin’ny vadiko sy ny namako

 Tsy nino mihitsy aho taloha hoe mbola hiova dadanay. Nanova azy anefa ny Baiboly, ka lasa tia be an’ny mamanay izy, sady lasa nanetry tena sy tsy tia ady. Nihaona indray izahay tamin’izaho lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1987, dia namihina ahy izy. Sambany izy vao nanao an’izany!

 Nifanohana foana dadanay sy mamanay nandritra ny 35 taona mahery. Niara-nitory ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly izy roa. Lasa nazoto niasa dadanay sady lasa tsara fanahy sy tia nanampy olona. Niezaka ny hanaja azy sy ho tia azy foana àry aho. Faly aho hoe nanana dada hoatr’azy! Maty izy tamin’ny 2016, nefa mbola malahelo be azy foana aho. Samy niezaka nanova tanteraka ny toetranay mantsy izahay, rehefa nianatra Baiboly. Tsy mankahala azy intsony mihitsy aho! Faly be koa aho fa nahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Raiko any an-danitra. Mampanantena izy fa hofoanany daholo izay zavatra mampijaly ny ankizy sy ny ray aman-dreny rehetra.

a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.