Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY SIGN LANGUAGE

Hampiditra JW Library Sign Language Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa​—Windows

Hampiditra JW Library Sign Language Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa​—Windows

Azonao atao ny mampiditra JW Library Sign Language amin’ny fitaovana Windows na dia tsy tafiditra amin’ny Microsoft Store aza ianao. Afaka mampiasa ny rakitra JW Library Sign Language APK ianao mba hampidirana azy.

Mety hilainao ny miditra ao amin’ny firafitr’ilay fitaovana, dia mamela an’ilay izy hampiditra programa amin’ny fomba hafa ankoatra ny ao amin’ny Microsoft Store. Midira ao amin’ny Paramètres dia tadiavo ny hoe “Espace développeurs.” Alefaso ilay hoe “Installer des applications à partir de n’importe quelle source.” Mety ho teny hafa no ilazana an’ilay firafitra ao amin’ny fitaovanao, ohatra hoe “Mode développeur”, arakaraka ny hoe version fahafiry ny Windows ampiasainao.

Araho ireto dingana manaraka ireto mba hakana sy hampidirana ny rakitra JW Library Sign Language APK:

  1. Tsindrio ilay hoe Haka, eto amin’ity pejy ity, mba hitehirizana an’ilay rakitra ao amin’ny fitaovanao.

  2. Tsindrio ny ankavanan’ny souris eo amin’ilay rakitra .zip, dia tsindrio ny hoe “Extraire tout...”

  3. Sokafy ilay toerana misy azy, tsindrio ny ankavanan’ny souris eo amin’ilay hoe Install.ps1, dia tsindrio ny hoe “Exécuter avec Powershell.”

  4. Ekeo ny fampidirina an’ilay programa, raha misy hafatra manontany an’izany.

  5. Misy hafatra mipoitra rehefa tafiditra ilay programa.

Hamarino tsindraindray sao dia misy version vaovao.

  1. Sokafy ny Paramètres ao amin’ny JW Library Sign Language, ary jereo hoe version fahafiry ilay izy.

  2. Raha ambany noho ny version misoratra etsy ambany ny anao, dia alaivo sy ampidiro indray ilay rakitra APK. Araho ny dingana etsy ambony.

Version: 5.1.21 (384128)