Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

JW LIBRARY SIGN LANGUAGE

Hampiditra JW Library Sign Language Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa—Android

Hampiditra JW Library Sign Language Raha Tsy Tafiditra Amin’ny Toerana Fakana Programa—Android

Azonao atao ny mampiditra JW Library Sign Language amin’ny fitaovana Android na dia tsy tafiditra amin’ny toerana ofisialy fakana programa toy ny Google Play Store sy ny Amazon Appstore aza ianao. Afaka mampiasa ny JW Library Sign Language APK ianao mba hampidirana azy.

Tokony halefanao ilay hoe “Installer applications de sources inconnues” na ilay hoe “Autoriser l’installation d’applications issues de sources inconnues” ao amin’ny firafitr’ilay fitaovana, raha te hampiditra JW Library Sign Language APK ianao. Vakio ny fanazavana momba ny fampiasana ny fitaovanao raha tianao ho hita ny fanaovana an’izany.

Araho ireto dingana manaraka ireto mba hakana sy hampidirana ny JW Library Sign Language APK:

  1. Tsindrio ilay hoe Haka, eto amin’ity pejy ity, mba hitehirizana an’ilay rakitra APK ao amin’ny fitaovanao.

  2. Mankanesa any amin’ilay toerana misy an’ilay rakitra APK, ary tsindrio ilay izy mba hampidirana ny JW Library Sign Language.

Rehefa tafiditra ny JW Library Sign Language APK, dia mila manamarina tsindraindray ianao sao dia misy version vaovao. Izao atao:

  1. Sokafy ny Paramètres ao amin’ny JW Library Sign Language, ary jereo hoe version fahafiry ilay izy.

  2. Raha ambany noho ny version misoratra etsy ambany ny anao, dia alaivo sy ampidiro indray ilay rakitra APK. Araho ny dingana etsy ambony.

Version: 5.1.2 (384897)