Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana no Azoko Iresahana Amin’ny Zanako Momba ny Fanavakavaham-bolon-koditra?

Ahoana no Azoko Iresahana Amin’ny Zanako Momba ny Fanavakavaham-bolon-koditra?

 Mety ho mbola kely ny zanakao dia efa mahita hoe misy olona manambanimbany olon-kafa satria tsy mitovy volon-koditra na firenena aminy ilay olona. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba tsy ho voataona hanavakavaka olona koa izy? Dia inona no azonao atao raha izy mihitsy no avakavahan’ny olona?

Ho hitantsika ato hoe:

 Ahoana no azonao iresahana amin’ny ankizy momba ny volon-koditra tsy mitovy?

 Inona no azonao resahina? Samy hafa daholo ny olombelona eran’izao tontolo izao na ny paozy izany na ny kolontsaina, kanefa samy tsara daholo. Ireny fahasamihafana ireny anefa no mahatonga ny olona sasany hanavakavaka na hanambany olon-kafa, satria fotsiny hoe tsy mitovy aminy ny olon-kafa na ny zavatra fanaon-dry zareo.

 Lazain’ny Baiboly anefa fa mitovy ihany ny razambentsika olombelona rehetra. Iray ihany izany no niaviantsika rehetra.

“Avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny firenena rehetra.”​—Asan’ny Apostoly 17:26.

 “Mifanerasera amin’ny olona samy hafa volon-koditra ny zanakay, dia lasa hitan-dry zareo hoe mendrika hotiavina sy hohajaina daholo ny olona tsirairay.”​—Karen.

 Ahoana no hanazavana amin’ny ankizy momba ny fanavakavaham-bolon-koditra?

 Ny zanakao aloha, na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy haheno vaovao hoe nisy olona nanambanimbany olon-kafa, na namono azy mihitsy, satria tsy mitovy volon-koditra aminy ilay olona. Ahoana no azonao anazavana aminy an’izany? Arakaraka ny taonan’ilay ankizy no azonao anazavana azy.

  •   Ny ankizikely. “Tonga dia mora mahita ny ankizikely raha vao misy tsy rariny. Fomba tsara azonao iresahana momba ny tsy rariny amin-dry zareo izany”, hoy ny Dr. Allison Briscoe-Smith tao amin’ilay gazetiboky hoe Ray Aman-dreny (anglisy).

“Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra, fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.”​—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

  •   Ny ankizy latsaka ny 13 taona. Te hahafanta-javatra ny ankizy 6 taona ka hatramin’ny 12 taona eo, dia matetika mametraka fanontaniana sarotra valiana. Valio araka izay tena fahaizanao azy ireny fanontaniany ireny. Ifampiresaho amin’ny zanakao hoe inona no hitany tany am-pianarana na tamin’ny vaovao, dia ireny no azonao hararaotina iresahana hoe tena ratsy ny fanavakavaham-bolon-koditra.

“Miraisa saina ianareo ..., miaraha ory, mifankatiava hoatran’ny mpirahalahy, manàna fangorahana, ary manetre tena.”​—1 Petera 3:8.

  •   Tanora. Efa amin’ny taonan’ny hoe afaka mahatakatra zavatra sarotra kokoa ny tanora. Amin’izao taonan’ny zanakao izao, izany hoe amin’izao izy tanora izao mihitsy, àry ianao no afaka miresaka tsara aminy an’izay vaovao momba ny fanavakavaham-bolon-koditra.

“Ny olona matotra ... mampiasa tsara ny sainy ka manazatra azy io mba hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”​—Hebreo 5:14.

 “Miresaka amin’ny zanakay momba ny fanavakavaham-bolon-koditra foana izahay, satria fantatray hoe tsy maintsy hiharan’izany na hahita an’izany izy, indray andro any, any amin’izay halehany any. Raha vao tsy izahay mantsy no mampianatra azy an’ilay izy voalohany, dia mety ho lasa manana toe-tsain’ny olona mpanavakavaka koa ry zareo. Sady misy hevi-diso be dia be amin’izao ary hoatran’ny hoe marina mihitsy izy ireny.”​—Tanya.

 Ahoana no hampisehoanao hoe modely tsara ianao?

 Mora maka tahaka an’izay modely hitany ny ankizy, ka tena mila mitandrina amin’izay lazainareo sy ataonareo ianareo ray aman-dreny. Ohatra:

  •   Manao vazivazy manambany ny foko hafa ve ianao? Hoy ny Akademia Amerikanina Momba ny Fitsaboana Aretin-tsaina eo Amin’ny Ankizy sy ny Tanora: “Mandinika sy mihaino anao ny zanakao, dia mora maka tahaka an’izay ataonao.”

  •   Tia miaraka amin’ny olona samy hafa firenena sy foko ve ianao? Hoy i Alanna Nzoma, dokoteran-jaza: “Raha tianao hahay hiaraka amin’ny olona samy hafa fiaviana ny zanakao, dia tokony ho hitany hoe manao an’izany koa ianao.”

“Hajao ny karazan’olona rehetra.”​—1 Petera 2:17.

 “Efa zatra mampiantrano vahiny avy any amin’ny firenena isan-karazany ny ao an-tranonay. Lasa hainay ny karazana sakafo sy ny karazana mozika any amin-dry zareo. Manao ny akanjo nentim-paharazana fanao any amin-dry zareo koa aza izahay. Dia rehefa miresaka amin’ny zanakay momba ny olona hafa volon-koditra izahay, dia tsy ny volon-koditr’ilay olona no resahinay fa ny momba an’ilay olona mihitsy. Tsy manindrahindra ny kolontsainay mihitsy koa izahay.”​—Katarina.

 Ahoana raha avakavahan’ny olona ny zanakao?

 Be dia be no miteny hoe mitovy daholo ny olona rehetra. Mbola miely be ihany anefa ny fanavakavaham-bolon-koditra. Mety hambanimbanin’ny olona koa àry ny zanakao, indrindra raha vitsivitsy fotsiny no mitovy volon-koditra aminy ao amin’ilay tany. Raha izany no mitranga dia ...

 Fantaro ny tena zava-misy. Tena ratsy saina ve ilay olona, sa tsy fanahy iniany ilay izy fa mba lasalasa ho azy fotsiny? (Jakoba 3:2) Azo avela any fotsiny ve ilay izy, sa tena tokony horesahina amin’ilay olona nanambanimbany azy?

 Tena mila mahay mandanjalanja àry ianareo. Tena tsara be ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aza mora tezitra.” (Mpitoriteny 7:9) Marina fa tena ratsy ny hoe manavakava-bolon-koditra, kanefa tsy hoe isaky ny misy zavatra ataon’olona hoatran’ny hoe manambany, dia hoe fanavakavahana daholo.

 Samy hafa daholo ny zava-mitranga, ka fantaro tsara aloha izay tena nitranga alohan’ny hanaovana zavatra.

“Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia tsisy saina sady ho afa-baraka.”​—Ohabolana 18:13.

 Rehefa fantatrao tsara daholo izay nitranga dia eritrereto izao:

  •   ‘Mahasoa an’ny zanako ve raha izao olona rehetra izao dia lazainy fa manavakavaka azy daholo, na isaky ny misy olona manambanimbany izy dia hoatran’ny hoe noho ny volo-kodiny foana no anaovan’ilay olona an’izany?’

  •   ‘Mety handray soa ve ny zanako raha manaraka an’ilay atoron’ny Baiboly hoe: “Aza raisina am-po daholo ny teny rehetra lazain’ny olona”?’​—Mpitoriteny 7:21.

“Ataovy fantatry ny olona ... hoe mahay mandanjalanja ianareo.”​—Filipianina 4:5.

 Ahoana anefa raha tena fanahy iniana mihitsy ilay izy? Ampio ny zanakao hahatakatra fa mety hihatsara na hiharatsy ilay zava-mitranga arakaraka izay hataony eo. Miandry anao hamaly azy mantsy matetika ny olona iray rehefa mila ady na mampijaly na manambanimbany. Aleo anefa tsy mamaly rehefa sendra an’izany, ary izay no tsara indrindra.

“Maty ny afo rehefa tsy misy kitay.”​—Ohabolana 26:20.

 Raha hitanao hoe tsy hampaninona ny zanakao anefa ny hiresaka amin’ilay olona manavakavaka, dia azony atao izany. Afaka miteny an’izao, ohatra, ny zanakao, kanefa tokony hasehony hoe tsy mila ady amin’ilay olona izy: “Hitako hoe tsy tena tsara izany zavatra noteneninao izany (na izany nataonao izany).”

 Ary ahoana raha te handaza an’ilay olona ianao? Raha tena atahorana ny ain’ny zanakao, na hitanao hoe tsy azo avela fotsiny ilay izy, dia aza misalasala miresaka amin’ny talen’ny sekoly na izay tompon’andraikitra ao, na amin’ny polisy mihitsy aza raha ilaina izany.