Hijery ny anatiny

Mino ve ny Manam-pahaizana fa Tena Nisy i Jesosy?

Mino ve ny Manam-pahaizana fa Tena Nisy i Jesosy?

 Manana porofo marim-pototra ny manam-pahaizana fa tena nisy i Jesosy. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (fanontana 2002, anglisy) momba izay lazain’ny mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa momba an’i Jesosy: “Porofoin’ireo asa soratra ireo, fa na ny mpanohitra ny Fivavahana Kristianina fahiny aza, dia tsy nisalasala mihitsy hoe tena nisy i Jesosy. Tsy niadian-kevitra izany raha tsy tamin’ny faran’ny taonjato faha-18, nandritra ny taonjato faha-19, ary tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Tsy marim-pototra akory anefa ny antony nanaovana ilay adihevitra.”

 Hoy ilay boky hoe Jesosy sy ny Arkeolojia (anglisy), tamin’ny 2006: “Tsy misy manam-pahaizana malaza ankehitriny handa hoe tsy nisy an’izany Jiosy atao hoe Jesosy zanak’i Josefa izany. Manaiky avy hatrany ny ankamaroany hoe betsaka izao ny zavatra efa fantatra momba ny zavatra nataony sy nampianariny.”

 Asehon’ny Baiboly fa tena nisy i Jesosy. Omeny ny anaran’ny razambeny sy ny havany akaiky. (Matio 1:1; 13:55) Lazainy koa ny anaran’ny mpitondra tamin’ny andron’i Jesosy. (Lioka 3:1, 2) Ireny tsipiriany ireny no ahafahan’ny mpikaroka manamarina ny fitantaran’ny Baiboly.