Hijery ny anatiny

Olona Tsara Fotsiny ve i Jesosy?

Olona Tsara Fotsiny ve i Jesosy?

Valiny ara-baiboly

 Tsy olona tsara fotsiny i Jesosy. Izy aza no nanan-kery be indrindra teo amin’ny olona, hatramin’izay. Jereo ange izay nolazain’ireto mpahay tantara sy mpanoratra malaza ireto momba azy e:

 ‘Azo antoka fa i Jesosy avy any Nazareta no olona niavaka indrindra teo amin’ny tantara.’—H. Wells, mpahay tantara anglisy.

 “[Ny fiainan’i Jesosy] no nanan-kery indrindra teo amin’ny fiainan’ny olona teto an-tany, ary misy vokany amin’ny olona maro kokoa hatrany izany ankehitriny.”—Kenneth Latourette, mpahay tantara sady mpanoratra amerikanina.

 Asehon’ny Baiboly hoe nahoana no nisy vokany kokoa noho ny an’ny olon-kafa tsara fanahy hatramin’izay ny fiainan’i Jesosy. Nanontanian’i Jesosy ny mpanara-dia azy akaiky, indray mandeha, hoe heverin’izy ireo ho iza moa izy. Marina ny navalin’ny iray tamin’izy ireo hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.”—Matio 16:16.