Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianakaviana sy Namana

Fianakaviana sy Namana

Sarotra amin’ny olona maro ny hoe mifandray tsara amin’ny fianakaviany sy ny namany. Misy toro lalan’ny Baiboly afaka manampy anefa. Andao isika hijery vitsivitsy.

AZA TIA TENA

TORO LALANA: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

AHOANA IZANY? Ny zavatra azontsika atao ho an’ny hafa no tokony hifantohantsika, fa tsy izay azon’izy ireo atao ho antsika. Mety tsy hifandray tsara amin’ny hafa intsony isika raha tia tena. Mety hanitsakitsa-bady, ohatra, ny olona tia tena. Tsy misy te hinamana amin’ny olona tia mirehareha izany koa. Milaza ny boky iray fa “hanana olana be dia be ny olona iray, raha tia tena fa tsy miraharaha ny hafa.”

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ampio ny hafa. Mifampatoky ny tena mpinamana sady vonona hifanampy. Hita tamin’ny fanadihadiana sasany fa tsy dia atahorana ho tratran’ny hakiviana ny olona tia manampy ny hafa. Lasa matoky tena koa izy.

  • Mahaiza mangoraka. Mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ny olona mahay mangoraka. Tsy manao vazivazy maneso na mankarary fo izy.

    Ho tia ny karazan’olona rehetra koa ianao raha mahay mangoraka. Tsy hitsaratsara ny hafa ianao amin’izay, ary hinamana amin’ny olona avy amin’ny kolontsaina sy fiaviana samihafa.

  • Manokàna fotoana hiarahana amin’ny hafa. Ho fantatrao kokoa izy ireo amin’izay. Izay zavatra mampanahy ny hafa na izay zava-dehibe aminy no tokony horesahinao, raha te hahazo namana tsara ianao. Henoy tsara àry izy rehefa miresaka ny zavatra mampanahy azy. Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa “falifaly kokoa ny olona rehefa mifampiresaka tsara.”

MAHAIZA MIFIDY NAMANA

TORO LALANA: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:33.

AHOANA IZANY? Misy vokany be aminao ny olona ifaneraseranao, ary mety ho tsara ilay izy na ratsy. Miaiky an’izany ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina. Nilaza, ohatra, izy ireo fa raha olona mifoka sigara na te hisaraka amin’ny vadiny no ataonao namana, dia mety hanahaka azy koa ianao.

INONA NO AZONAO ATAO? Eritrereto ny toetra tianao hananana, dia izay olona manana an’ilay izy atao namana. Maninona, ohatra, raha minamana amin’ny olona mahay mandanjalanja, manaja ny hafa, malala-tanana, ary tia mandray vahiny?

TORO LALANA HAFA

Te hifandray tsara amin’ny hafa ve ianao? Misy video afaka manampy anao amin’izany ao amin’ny jw.org, na manambady ianao, na tanora, na ankizy

AZA MILAZA ZAVATRA MAMPALAHELO NY HAFA.

“Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.”—OHABOLANA 12:18.

MIEZAHA HALALA-TANANA.

“Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana.”—OHABOLANA 11:25.

IZAY TIANAO HATAON’NY OLONA AMINAO NO ATAOVY AMINY.

“Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo ... dia mba ataovy aminy koa.”—MATIO 7:12.