Hijery ny anatiny

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | JONATANA

“Niraiki-po Be Tamin’i Davida” i Jonatana

“Niraiki-po Be Tamin’i Davida” i Jonatana

Efa harivariva tamin’izay, ary nangingina ny manodidina. Nahetsiketsiky ny rivotra ny lain’i Saoly sy ny miaramilany. Avy niady teo amin’ny lemaka ivan’i Elaha ry zareo, dia nifamory. Nisy ankizilahy mpiandry ondry teo. I Davida no anarany, ary falifaly erỳ izy sady nafana fo be nitantara ny zavatra nataony. Liana be mihitsy i Saoly, dia nanongilan-tsofina tsara. Nanatrika teo koa i Jonatana, zanaka lahimatoan’i Saoly. Efa im-be dia be izy no niara-niady tamin’ny tafik’i Jehovah, sady naharesy foana matetika. Tsy i Jonatana anefa no nahatonga ny Israelita handresy tamin’ity indray mandeha ity, fa i Davida. Mbola tanora kely izy nefa nahafaty an’ilay olona goavam-be atao hoe Goliata! Nidera an’i Davida daholo ny olona. Ary inona no tany an-tsain’i Jonatana? Nialona an’i Davida ve izy?

Mahavariana fa izao no lazain’ny Baiboly: “Raha vao avy niresaka tamin’i Saoly i Davida, dia nanjary niraiki-po be tamin’i Davida i Jonatana, ka tia azy toy ny tenany mihitsy.” Nomen’i Jonatana an’i Davida ny fitaovam-piadiany. Hatramin’ny tsipìkany aza nomeny azy. Voninahitra be izany satria i Jonatana nalaza hoe mpandefa zana-tsipìka mahay. Nifanaiky koa izy sy Davida hoe hifanohana foana, dia ho mpinamana be foana.—1 Samoela 18:1-5.

Anisan’ireo olona tantarain’ny Baiboly hoe mpinamana tsy nifankafoy mihitsy i Davida sy Jonatana. Ary ahoana ny olona ankehitriny? Samy maka ho azy ny ankamaroany. Ny mpanompon’i Jehovah kosa mahita hoe tena ilaina ny namana. Raha mahay mifidy namana tsara isika sady tsy manary azy mihitsy na amin’ny mora na amin’ny sarotra, dia samy hatanjaka ny finoantsika sy ny an’ilay namantsika. (Ohabolana 27:17) Inona àry no azontsika ianarana avy amin’i Jonatana?

Nahoana ry zareo no lasa mpinamana?

Vetivety kely i Davida sy Jonatana dia lasa mpinamana be. Inona no nahatonga an’izany? Aleo aloha hojerentsika ny tantaran’i Jonatana. Tena mafy ny niainany. Lasa niova be mantsy ny dadany. Nanetry tena sy nankatò an’i Jehovah foana i Saoly Mpanjaka taloha, nefa lasa nanambony tena be, sady izay tiany fotsiny no nataony.—1 Samoela 15:17-19, 26.

Tsy maintsy hoe nalahelo be i Jonatana nahita ny dadany niova be, satria nifankatia be izy mianaka. (1 Samoela 20:2) Mety hahita loza koa ny vahoakan’i Jehovah manontolo raha mitohy ny ataon’ny dadany. Mety hanahaka an’i Saoly mantsy ny vahoaka, dia tsy hotahin’i Jehovah intsony amin’ny farany. Mpanompon’i Jehovah i Jonatana, ka azo antoka fa mafy taminy na dia ny nieritreritra an’izany fotsiny aza.

Tsy mahagaga raha tonga dia te hinamana tamin’i Davida izy. Hitan’i Jonatana hoe tena nanam-pinoana i Davida. Izy irery no tsy natahotra an’i Goliata, fa ny miaramila hafa rehetra nipararetra daholo vao nahita ny habeny! Fa naninona izy no tsy natahotra? Satria natoky izy hoe solontenan’i Jehovah izy dia tsy maintsy ho resiny i Goliata, na dia ngezabe sy nanana fitaovam-piadiana be dia be aza.—1 Samoela 17:45-47.

Izany koa no tao an-tsain’i Jonatana, tamin’izy sy ny mpitondra fiadiany nanafika toby miaramila iray manontolo, taona vitsivitsy talohan’io. Natoky izy tamin’izay hoe haharesy, na dia izy roa lahy fotsiny aza no nankeny. Nilaza izy hoe: “Tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na maro na vitsy no ampiasainy.” (1 Samoela 14:6) Nahoana àry izy sy Davida no lasa mpinamana? Marina aloha hoe matanjaka be i Jonatana sady zanaka mpanjaka, fa i Davida indray olona tsotsotra sady mpiandry ondry. I Jonatana koa efa ho 50 taona fa i Davida toa mbola tsy ampy 20 taona akory. Tsy nahasakana azy ireo tsy hinamana anefa izany. Samy tia an’i Jehovah izy mirahalahy sady samy nino hoe mahay manavotra ny vahoakany izy, dia izay no naha mpinamana be azy ireo. *

Efa nifanaiky izy roa lahy, ka tsy nifankafoy mihitsy na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. I Davida, ohatra, nahafantatra hoe izy no tian’i Jehovah hatao mpanjakan’ny Israely aorian’i Saoly. Nafeniny an’i Jonatana ve izany? Tsy hanao an’izany mihitsy izy! Raha te hifandray tsara foana mantsy ny mpinamana, dia mifampitantara ny zava-drehetra sady tsy mifandainga. Inona àry no mety ho tsapan’i Jonatana rehefa niteny taminy i Davida hoe izy no handimby ny rainy? Ahoana raha efa mba nanantena i Jonatana hoe izy no ho lasa mpanjaka, dia izy no hanarina ny hadalan’ny rainy? Tsy lazain’ny Baiboly aloha hoe diso fanantenana ve i Jonatana sa tsia. Ny toetra tsarany ihany no asongadina ao, hoe tsy nivadika mihitsy izy, ary tena nanam-pinoana. Nino izy hoe nanampy an’i Davida ny fanahin’i Jehovah. (1 Samoela 16:1, 11-13) I Davida no tian’i Jehovah ho lasa mpanjaka, dia izay tian’i Jehovah no tena zava-dehibe tamin’i Jonatana. Izay no nahatonga azy hitana ny teny nataony. Tsy nandray an’i Davida ho fahavalo àry izy fa ninamana taminy foana.

Samy nino an’i Jehovah Andriamanitra i Davida sy Jonatana, sady samy tia azy

Inona no azontsika ianarana avy amin’i Jonatana? Mila namana daholo ny mpanompon’i Jehovah. Tsy voatery hoe mitovy taona amintsika ilay olona, na hoe mitovy amin’ny antsika ny zavatra niainany. Tena hahasoa antsika anefa ny miaraka aminy, raha manana finoana matanjaka izy. Nifanohana sy nifampahery foana, ohatra, i Jonatana sy Davida. Tena nilainy izany satria vao mainka mafy ny nahazo azy roa lahy tatỳ aoriana. Nisy fotoana mantsy ry zareo tsy maintsy nisafidy hoe mbola hinamana sa tsia.

Ny dadany sa ilay namany?

Tia be an’i Davida i Saoly tamin’ny voalohany, dia nataony mpitari-tafika izy. Niova anefa i Saoly avy eo fa tsy mba hoatran’i Jonatana. Lasa nialona an’i Davida izy. Resin’i Davida foana mantsy izay Filistinina niady tamin’ny Israelita, dia lasa be mpitia i Davida sady nisy nidera foana. Nisy vehivavy nihira mihitsy aza hoe: “I Saoly nahafaty arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty alinalina.” Tsy tian’i Saoly mihitsy ilay hira, dia “niahiahy an’i Davida foana [izy] nanomboka tamin’iny andro iny, ka hita tamin’ny fijeriny azy izany.” (1 Samoela 18:7, 9) Natahotra i Saoly hoe sao dia hanongana azy i Davida, dia haka ny toerany. Diso hevitra anefa izy. Tsy i Davida mihitsy no handeha hanao an’izany! Marina fa fantany hoe izy no handimby an’i Saoly, nefa mbola i Saoly aloha no mpanjaka sady voahosotr’i Jehovah.

Nataon’i Saoly izay hahafaty an’i Davida any an’ady, nefa tsy nisy nahomby ny tetika nataony. Naharesy foana i Davida, dia vao mainka ny olona tia sy nanaja azy. Tsy nijanona hatreo anefa i Saoly, fa nitady olona hiray tetika aminy. Nilazany daholo ny mpanompony sy ny zanany lahimatoa hoe tiany hovonoina i Davida. Eritrereto ange hoe inona no tsapan’i Jonatana e! Ny dadany mihitsy no miteny aminy hoe te hamono an’ilay namany! Mafy izany. (1 Samoela 18:25-30; 19:1) Tian’i Jonatana ny dadany, fa tiany koa ny namany. Dia ahoana? Hivadika amin’ny dadany ve izy sa hivadika amin’ilay namany?

Tonga dia sahy niteny an’ny dadany i Jonatana hoe: “Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin’i Davida mpanompony, fa izy tsy nanota taminao ary tena nahasoa anao ny nataony. Fa nanao vivery ny ainy izy namono an’ilay Filistinina, ka dia nanao famonjena lehibe ho an’ny Israely rehetra i Jehovah. Ary faly ianao nahita izany. Koa nahoana ianao no hanota ka handatsaka ran’olona tsy manan-tsiny, amin’ny famonoana an’i Davida tsy amin’antony?” Nahagaga fa mba nanaiky ny tenin’i Jonatana i Saoly na dia tsy hoatr’izany aza izy matetika. Nianiana mihitsy aza izy hoe tsy hamono an’i Davida. Tsy mba olona mitana ny teniny anefa i Saoly. Vao nahavita zavatra tsara indray i Davida tatỳ aoriana, dia romotra be izy ka notorahany tamin’ny lefona i Davida. (1 Samoela 19:4-6, 9, 10) Tafatsoaka anefa i Davida.

Nisy fotoana ve ianao tsy maintsy nanao safidy hoatran’i Jonatana? Azo inoana fa very hevitra ianao tamin’izay sady nalahelo. Rehefa misy olana hoatr’izany, dia mety hisy hiteny hoe ny fianakavianao aloha no tokony hotohananao vao ny olon-kafa. Fantatr’i Jonatana anefa hoe tsy mety izany. Mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ve no tian’ny dadany hovonoina, dia hanaiky an’izany izy? Mivadika amin’i Jehovah izy raha manao an’izany. Naleony àry niaro an’i Davida. Tsy midika anefa izany hoe nivadika tamin’ny rainy izy. Nanoro hevitra azy kosa izy sady tsy nisalasala mihitsy niteny, fa tsy hoe izay nahafinarinaritra ny dadany fotsiny no nolazainy. Modely ho antsika rehetra i Jonatana satria tsy nivadika mihitsy.

Tsy nivadika na dia saika maty aza

Niezaka nampihavana an’i Saoly sy Davida indray i Jonatana tatỳ aoriana, fa tsy nisy vokany. Niafina an’i Saoly i Davida tamin’izay satria natahotra sao hovonoiny. Nankany amin’i Jonatana izy, dia nitaraina hoe: “Zara raha misy indray mandingana sisa no manelanelana ahy amin’ny fahafatesana!” Nifanaraka àry izy roa lahy hoe hofantarin’i Jonatana raha mbola te hamono an’i Davida ihany ny dadany. Hampiasa tsipìka sy zana-tsipìka izy avy eo mba hahafantaran’i Davida ny valiny. Nasainy nianiana fotsiny i Davida hoe ‘tsy hesoriny amin’ny ankohonan’i Jonatana ny hatsaram-panahiny feno fitiavana, mandritra ny fotoana tsy voafetra, na rehefa haringan’i Jehovah tsy ho etỳ ambonin’ny tany aza ny fahavalon’i Davida rehetra.’ Nanaiky i Davida hoe hokarakarainy sy harovany foana ny taranak’i Jonatana.—1 Samoela 20:3, 13-27.

Lasa àry i Jonatana niresaka tamin’ny dadany. Niezaka niresaka zavatra tsara momba an’i Davida izy, nefa tonga dia tezitra be i Saoly. Nolazainy hoe “zanaky ny mpanompovavy mpikomy” i Jonatana sady manala baraka ny fianakaviany, hono. Nampisaintsaina an’i Jonatana izy hoe tsy hisy tombony ho azy mihitsy raha mbola eo i Davida. Hoy izy: “Amin’ny andro rehetra hahaveloman’ny zanak’i Jese eto an-tany, dia tsy haharitra ialahy sy ny fanjakan’ialahy.” Tsy niova hevitra anefa i Jonatana, fa nitalaho hoe: “Nahoana izy no tokony hovonoina ho faty? Fa inona no nataony?” Tsy nahafehy tena intsony i Saoly fa notorahany lefona i Jonatana, nefa zanany naterany! Efa antitrantitra i Saoly tamin’izay, fa mbola natanjaka tsara sady mbola nahay nitoraka lefona. Tsy nahavoa anefa izy! Nalahelo be i Jonatana sady nahatsiaro ho afa-baraka. Tezitra be koa izy dia lasa.—1 Samoela 20:24-34.

Tsy mba tia tena i Jonatana na dia sarotra aza ny zavatra niainany

Nankany an-tsaha i Jonatana ny ampitso marainan’iny, tany akaikin’ilay toerana niafenan’i Davida. Nandefa zana-tsipìka izy, araka ny nifanarahan-dry zareo, mba hahalalan’i Davida hoe mbola mitady hamono azy i Saoly. Nasainy naka an’ilay izy ny mpanompony avy eo, dia nalefany nody. Izy sy Davida sisa no teo, dia mba afaka niresaka kely ry zareo. Samy nitomany izy roa lahy, dia nifanao veloma. Tsy tantin’i Jonatana ny nieritreritra ny hoavin’ilay namany. Mbola tanora izy, nefa tsy maintsy hitsoaka lava mba hiarovana ny ainy.—1 Samoela 20:35-42.

Sarotra ny zavatra niainan’i Jonatana, nefa tsy mba tia tena izy sady tsy nivadika. Tsy izany mihitsy no tian’i Satana, ilay fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. Tiany raha mba nanahaka an’i Saoly i Jonatana, ka lasa te hahazo toerana ambony sy te halaza. Fantany hoe mora tia tena ny olombelona, dia hararaotiny. Izany no nataony tamin’i Adama sy Eva, dia nahomby ilay izy. (Genesisy 3:1-6) Tsy voany anefa i Jonatana, ka azo inoana fa tezitra be izy. Ary ianao? Hanaiky ho voan’i Satana ve ianao, ka ho lasa tia tena koa? Sady tia tena daholo ny ankamaroan’ny olona amin’izao. (2 Timoty 3:1-5) Sa ianao hanahaka an’i Jonatana?

Te hiaro ny ain’i Davida i Jonatana, dia nandefa famantarana mba hampitandremana azy. Izany no tena namana!

“Tena nahafinaritra ahy ianao”

Vao mainka nankahala an’i Davida i Saoly. Tsy nisy afa-tsy izay no nameno ny fony sy ny sainy. Nila ho lasa adala mihitsy izy nitady an’i Davida hatraiza hatraiza, ary tsy nahasakana azy i Jonatana. Nentin’i Saoly daholo ny miaramilany, nefa olona iray no tiany hovonoina sady tsy manan-tsiny akory! (1 Samoela 24:1, 2, 12-15; 26:20) Asa raha nentiny koa i Jonatana, fa tsy miresaka an’izany ny Soratra Masina. Azo antoka anefa fa tsy nety niray petsapetsa taminy i Jonatana satria tsy te hivadika tamin’i Jehovah sy tamin’i Davida izy, sady efa nanaiky hoe ho namany foana.

Tsy foin’i Jonatana mihitsy ilay namany. Nataony izay hihaonana tamin’i Davida tany Horesa, izay midika hoe “Toerana Feno Hazo.” Any an-tany efitra no misy an’i Horesa, angamba any atsimoatsinanan’i Hebrona. Faritra be tendrombohitra izy io. Nahoana i Jonatana no nankany amin’i Davida, nefa mety ho faty izy raha mitaditady azy? Milaza ny Baiboly hoe te “hanamafy ny fatokisan’i Davida an’Andriamanitra” izy. (1 Samoela 23:16) Inona no notenenin’i Jonatana tamin’i Davida?

“Aza matahotra”, hoy i Jonatana, “fa tsy hahatratra anao ny tanan’i Saoly raiko.” Nahoana izy no natoky an’izany? Tena nino i Jonatana hoe tsy maintsy tanteraka foana ny tenin’i Jehovah, dia tiany hatoky an’izany koa i Davida. Naveriny tamin’i Davida àry ilay fampanantenan’i Jehovah noresahin’i Samoela mpaminany, taona vitsivitsy talohan’io. Hoy i Jonatana: “Ianao no ho mpanjakan’ny Israely.” Ary ahoana ny amin’i Jonatana? Nilaza izy hoe izy no “hanarakaraka” an’i Davida. Nanetry tena be mihitsy izy! Rehefa miara-miasa akaiky amin’i Davida fotsiny izy dia efa mety aminy. Zandriny 30 taona i Davida, nefa tsy nampaninona azy na i Davida aza no hibaiko azy. Hoy izy avy eo: “Mahafantatra izany koa i Saoly raiko.” (1 Samoela 23:17, 18) Efa fantatr’i Saoly hoe tsy maintsy ho resy izy, satria mpanjaka nofidin’i Jehovah mihitsy no notadiaviny hovonoina!

Tena nila nampaherezina i Davida, dia izay no nataon’i Jonatana

Nanembonembona an’iny resak’izy roa lahy iny foana i Davida tatỳ aoriana. Tamin’iny mantsy ry zareo no nihaona farany. Indrisy fa tsy tanteraka mihitsy ilay fanirian’i Jonatana hoe hiara-miasa akaiky amin’i Davida.

Nandeha niady tamin’ny Filistinina, fahavalon’ny Israelita, i Jonatana sy ny dadany. Anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny niady tamin’izany. Marina fa nahita ny zava-dratsy nataon’i Saoly i Jonatana, nefa tsy nahasakana azy tsy hanompo an’i Jehovah izany satria izay no zava-dehibe taminy. Tsy nilavo lefona mihitsy izy hatramin’ny farany, hoatran’ny hatramin’izay ihany. Nampalahelo anefa fa resy ny Israelita. Vao mainka mantsy i Saoly nanao hadalana, dia tsy notahin’i Jehovah intsony. Nankany amin’ny mpilalao ody izy nefa tena fahotana lehibe izany, araka ny Lalàn’Andriamanitra. Maty ny zanak’i Saoly telo lahy, anisan’izany i Jonatana. I Saoly kosa naratra be, dia namono tena.—1 Samoela 28:6-14; 31:2-6.

“Ianao no ho mpanjakan’ny Israely, ary izaho no hanarakaraka anao”, hoy i Jonatana.—1 Samoela 23:17

Nalahelo be mihitsy i Davida. Nisaona an’i Saoly mihitsy aza izy, nefa mafy loatra no nampitondrain’i Saoly azy. Tena tsara fanahy i Davida sady tsy mba nitana lolompo! Namorona hira fisaonana ho an’i Saoly sy Jonatana izy. Ilay ho an’i Jonatana no mampihetsi-po indrindra satria sady namany be i Jonatana no andry niankinany. Izao ilay hira: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko, tena nahafinaritra ahy ianao. Ary nihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao ahy.”—2 Samoela 1:26.

Tsy maty tao an-tsain’i Davida mihitsy ny fifanekena nifanaovan’izy sy Jonatana. Notadiaviny àry ny zanak’i Jonatana, dia nokarakarainy tsara. I Mefiboseta no anarany, ary malemy ny tongony. (2 Samoela 9:1-13) Hita hoe nifindra tamin’i Davida ny toetra tsaran’i Jonatana. Nitana ny teniny foana mantsy i Jonatana sady tsy nety nivadika tamin’i Jehovah sy tamin’ny namany, na dia sarotra aza izany indraindray. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Nahoana raha mitady namana hoatran’i Jonatana? Eritrereto koa hoe: ‘Manampy ny namako mba hifandray tsara amin’i Jehovah sy hanana finoana matanjaka ve aho? Tsy mivadika amin’Andriamanitra ve aho, izay vao amin’ny namako na havako? Tsy hivadika amin’ny namako ve aho na dia mety ho voa mafy aza?’ Tsy hoe tena namana fotsiny ianao amin’izay, fa manana finoana mitovy amin’ny an’i Jonatana koa.

^ feh. 7 Efa lasa mpanjaka kelikely i Saoly vao miresaka momba an’i Jonatana ny Baiboly. Mpitari-tafika i Jonatana tamin’izay, izany hoe tsy maintsy ho efa 20 taona izy, na maherin’izay. (Nomery 1:3; 1 Samoela 13:2) Nanjaka nandritra ny 40 taona i Saoly. Efa 60 taona teo ho eo àry i Jonatana rehefa maty i Saoly. I Davida indray 30 taona, tamin’i Saoly maty. (1 Samoela 31:2; 2 Samoela 5:4) Zokin’i Davida 30 taona teo ho eo izany i Jonatana.