Hijery ny anatiny

Mitovy ve ny Fivavahana Rehetra ary Samy Manampy ny Olona Hifandray Amin’Andriamanitra?

Mitovy ve ny Fivavahana Rehetra ary Samy Manampy ny Olona Hifandray Amin’Andriamanitra?

Inona no lazain’ny Baiboly?

 Tsia, tsy mitovy ny fivavahana rehetra. Maro ny fivavahana resahin’ny Baiboly hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Azo sokajina ho roa izy ireny.

1: Ireo fivavahana manompo andriamani-diso

 Milaza ny Baiboly fa “zava-poana” sy ‘tsy mahasoa’ ny mivavaka amin’ny andriamani-diso. (Jeremia 10:3-5; 16:19, 20) Nandidy ny firenen’Israely fahiny i Jehovah a Andriamanitra hoe: “Aza manana andriamani-kafa hifandrafy amiko.” (Eksodosy 20:3, 23; 23:24) ‘Nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah’ rehefa nanompo andriamani-kafa ny Israelita.—Nomery 25:3; Levitikosy 20:2; Mpitsara 2:13, 14.

 Tsy miova Andriamanitra. Mbola tsy tiany raha mivavaka amin’ireny “antsoina hoe ‘andriamanitra’” ireny ny olona. (1 Korintianina 8:5, 6; Galatianina 4:8) Tsy avelany hifanerasera amin’ireo manaraka fivavahan-diso izay te hanompo azy. Nandidy izy hoe: “Mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy.” (2 Korintianina 6:14-17) Andriamanitra ve dia hilaza an’izany raha mitovy ny fivavahana rehetra ary samy manampy ny olona hifandray aminy?

2: Ireo fivavahana mivavaka an’ilay tena Andriamanitra nefa tsy manompo azy araka izay tiany

 Nisy fotoana ny Israelita nivavaka tamin’Andriamanitra sady nanaraka ny fanaon’ireo nanompo andriamani-diso. Nino ny zavatra ninoan’izy ireny koa izy ireo. Nampifangaroin’izy ireo ny fivavahana marina sy diso. Tsy neken’Andriamanitra izany. (Eksodosy 32:8; Deoteronomia 12:2-4) Nomelohin’i Jesosy koa ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny, satria tsy nety ny fomba nanompoan’izy ireo an’Andriamanitra. Niseho ho mpivavaka izy ireo nefa nihatsaravelatsihy. ‘Tsy noraharahainy izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana.’—Matio 23:23.

 Toy izany koa ankehitriny. Izay fivavahana manaraka ny fahamarinana ihany no manampy ny olona hifandray amin’Andriamanitra. Ao amin’ny Baiboly izany fahamarinana izany. (Jaona 4:24; 17:17; 2 Timoty 3:16, 17) Mahatonga ny olona hanalavitra an’Andriamanitra ireo fivavahana mampianatra zavatra tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Avy amin’ireo olona nanompo andriamani-diso ny fampianarana maro eritreretin’ny olona hoe avy ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, ny fanahy tsy mety maty, ary ny fampijaliana mandrakizay any amin’ny afobe. “Very maina” na tsy misy dikany ny fivavahana mampianatra an’ireny, satria soloany fampianaran’olombelona ny didin’Andriamanitra.—Marka 7:7, 8.

 Halan’Andriamanitra ny fivavahana mihatsaravelatsihy. (Titosy 1:16) Raha te hanampy ny olona hifandray kokoa amin’Andriamanitra ny fivavahana iray, dia tokony hisy vokany eo amin’ny fiainany andavanandro, fa tsy hampirisika azy hanaraka fombafomba fotsiny. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe: “Raha misy olona mihevi-tena ho mpivavaka nefa tsy manisy lamboridy ny lelany, fa mbola mamitaka ny fony ihany izy, dia zava-poana ny fivavahana arahin’izany olona izany. Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany, ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.”—Jakoba 1:26, 27.