Hijery ny anatiny

Maty teo Amin’ny Lakroa ve i Jesosy?

Maty teo Amin’ny Lakroa ve i Jesosy?

Valiny ara-baiboly

 Maro no mieritreritra hoe ny lakroa no tena famantarana ny Fivavahana Kristianina. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe hoatran’ny ahoana ilay hazo namonoana an’i Jesosy. Noho izany, dia tsy misy afaka manizingizina hoe toy izao na izao ny endrik’izy io. Hita amin’ny zavatra resahin’ny Baiboly ihany anefa fa tsy maty teo amin’ny lakroa i Jesosy, fa teo amin’ny tsato-kazo.

 Mampiasa an’ilay teny grika hoe staorôs ny Baiboly, rehefa miresaka an’ilay hazo namonoana an’i Jesosy. (Matio 27:40; Jaona 19:17) Na adika hoe “lakroa” aza io teny io matetika, dia maro ny manam-pahaizana milaza fa “tsato-kazo mahitsy” no tena dikan’izy io. a Milaza ilay hoe A Critical Lexicon and Concordance to the English and Greek New Testament fa ny teny hoe staorôs dia “tsy midika mihitsy hoe hazo roa natambatra, ary mitsivalana ny iray.”

 Ampiasain’ny Baiboly koa ilay teny grika hoe ksylôn, izay mitovy hevitra amin’ilay hoe staorôs. (Asan’ny Apostoly 5:30; 1 Petera 2:24) Midika hoe “hazo” na “vatan-kazo” na “tsato-kazo” io teny io. b Hoy àry ilay hoe The Companion Bible: “Tsy misy teny manondro vatan-kazo roa mihitsy ao amin’ny [Testamenta Vaovao] amin’ny teny grika.”

Eken’Andriamanitra ve ny fampiasana lakroa amin’ny fivavahana?

Crux simplex, teny latinina niantsoana ny tsato-kazo tokana namantsihana jiolahy

 Asehon’ireto fanazavana sy andinin-teny ireto fa tsy tokony hampiasa lakroa isika amin’ny fivavahana, na inona na inona endrik’ilay hazo namonoana an’i Jesosy.

  1.   Tsy ankasitrahan’​Andriamanitra ny fivavahana mampiasa sary vongana na sarin-javatra, anisan’izany ny lakroa. Nilaza tamin’ny Israelita Andriamanitra fa tsy tokony hampiasa “sarin-javatra na inona na inona” izy ireo rehefa mivavaka. Ampirisihana ‘handositra ny fanompoan-tsampy’ koa ny Kristianina.​—Deoteronomia 4:15-19; 1 Korintianina 10:14.

  2.   Tsy nampiasa lakroa tamin’ny fivavahana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. c Ny fampianarana sy ny ohatra nomen’ireo apostoly no tokony harahin’ny Kristianina rehetra.—2 Tesalonianina 2:15.

  3.   Avy amin’ny mpanompo sampy ny fampiasana lakroa amin’ny fivavahana. d Tsy nanaraka ny fampianarana tany am-boalohany intsony ny fivavahana, taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Noho izany, ireo olona niova ho Kristianina dia “navela hampiasa ny ankamaroan’ny sary sy ny sampiny”, anisan’izany ny lakroa. (The Expanded Vine’s Expository Dictionary of New Testament Words) Tsy eken’ny Baiboly mihitsy anefa ny fampiasana sampy mba hitarihana ny olona ho lasa Kristianina.​—2 Korintianina 6:17.

a Jereo New Bible Dictionary, Fanontana Fahatelo, nohavaozin’i Derek Wood, pejy 245; Theological Dictionary of the New Testament, Boky Faha-7, pejy 572; The International Standard Bible Encyclopedia, Nohavaozina, Boky Voalohany, pejy 825; ary The Imperial Bible-Dictionary, Boky Faha-2, pejy 84.

b Jereo The Expanded Vine’s Expository Dictionary of New Testament Words, pejy 1165; A Greek-English Lexicon, nataon’i Liddell sy Scott, Fanontana Fahasivy, pejy 1191-​1192; ary Theological Dictionary of the New Testament, Boky Faha-5, pejy 37.

c Jereo ny hoe “Cross” (lakroa) ao amin’ny Encyclopædia Britannica, 2003; The Cross​—Its History and Symbolism, pejy 40; ary The Companion Bible, Oxford University Press, fanazavana fanampiny 162, pejy 186.

d Jereo The Encyclopedia of Religion, Boky Faha-4, pejy 165; The Encyclopedia Americana, Boky Faha-8, pejy 246; ary Symbols Around Us, pejy 205-​207.