Hijery ny anatiny

Inona ny Dikan’ilay hoe “Hajao ny Rainao sy ny Reninao”?

Inona ny Dikan’ilay hoe “Hajao ny Rainao sy ny Reninao”?

Valiny ara-baiboly

 Averina matetika ao amin’ny Baiboly ilay didy hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Deoteronomia 5:16; Matio 15:4; Efesianina 6:2, 3) Ireto zavatra efatra ireto no tafiditra amin’izany:

  1.   Ankasitraho izy ireo. Manaja ray aman-dreny ianao raha mankasitraka ny zavatra rehetra ataony ho anao. Manao an’izany, ohatra, ianao raha manaraka tsara ny toroheviny. (Ohabolana 7:1, 2; 23:26) Milaza ny Baiboly fa tokony hataonao toy ny hoe ‘voninahitra’ ny ray aman-dreninao, izany hoe tokony hirehareha erỳ ianao manana azy.—Ohabolana 17:6.

  2.   Hajao ny fahefan’izy ireo. Manaja ny fahefan’ny ray aman-dreny ianao, raha ekenao fa manana fahefana aminao ry zareo, indrindra raha mbola kely ianao. Andriamanitra mihitsy no nanome azy an’izany fahefana izany. Hoy ny Kolosianina 3:20: “Ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo, fa ankasitrahana eo anatrehan’ny Tompo izany.” Na i Jesosy aza nankatò ray aman-dreny tamin’izy mbola kely, nefa izy lavorary.—Lioka 2:51.

  3.   Asehoy amin’izay ataonao sy lazainao fa manaja azy ianao. (Eksodosy 20:12; Hebreo 12:9) Izay zavatra teneninao sy ny fomba itenenanao an’izany, ohatra, no ahitana hoe manaja ray aman-dreny ianao. Marina fa mety hahasosotra anao ry zareo indraindray. Mbola tsy tokony hanao tsinontsinona azy ihany anefa ianao, na amin’ny teny izany na amin’ny atao. (Ohabolana 30:17) Milaza ny Baiboly fa fahotana lehibe ny hoe manevateva ray aman-dreny.—Matio 15:4.

  4.   Karakarao ry zareo. Mety hila fanampiana ny ray aman-dreny rehefa mihantitra. Manaja an-dry zareo koa àry ianao raha miezaka mafy manome an’izay ilainy. (1 Timoty 5:4, 8) Hoatr’izany no nataon’i Jesosy talohan’ny nahafatesany. Nataony azo antoka tamin’izay hoe ho voakarakara tsara ny reniny.—Jaona 19:25-27.

Hevi-diso momba ny fanajana ray aman-dreny

 Hevi-diso: Manaja ray aman-dreny ianao raha ry zareo no avelanao hibaiko ny tokantranonao.

 Ny tena marina: Milaza ny Baiboly fa ny vadinao aloha no tokony ho zava-dehibe aminao vao ny havanao. Hoy ny Genesisy 2:24: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.” (Matio 19:4, 5) Tsy midika anefa izany hoe tsy misy mahasoa an’izy mivady mihitsy ny torohevitry ny ray aman-dreniny na ny rafozany. (Ohabolana 23:22) Mety hanapa-kevitra kosa izy roa hoe tsy avelany hidikiditra amin’ny fiainany foana ny havany.—Matio 19:6.

 Hevi-diso: Ny ray aman-dreny no tokony ho tompon-teny farany.

 Ny tena marina: Marina fa nomen’Andriamanitra fahefana ny ray aman-dreny ao an-tokantrano. Misy fetrany daholo anefa ny fahefan’olombelona. Andriamanitra ihany mantsy no manana fahefana fara tampony. Nisy fotoana, ohatra, noterena tsy hankatò an’Andriamanitra ny mpianatr’i Jesosy. Hoy ry zareo tamin’izay: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.” (Asan’ny Apostoly 5:27-29) Hoatr’izay koa no tokony hataon’ny ankizy. Mankatò ray aman-dreny izy ireo raha hoe “araka ny sitrapon’ny Tompo” ilay izy, izany hoe tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra.—Efesianina 6:1.

 Hevi-diso: Tsy maintsy manaraka ny fivavahan’ny ray aman-dreninao ianao raha manaja an-dry zareo.

 Ny tena marina: Milaza ny Baiboly fa tokony hohamarinintsika tsara izay nampianarina antsika raha tena marina. (Asan’ny Apostoly 17:11; 1 Jaona 4:1) Rehefa avy manao an’izany ny olona anankiray, dia mety hifidy fivavahana tsy mitovy amin’ny an’ny ray aman-dreniny. Resahin’ny Baiboly, ohatra, fa be dia be ny mpanompon’Andriamanitra tsy nanaraka ny fivavahan’ny ray aman-dreniny. Anisan’izany i Abrahama, Rota, ary ny apostoly Paoly.—Josoa 24:2, 14, 15; Rota 1:15, 16; Galatianina 1:14-16, 22-24.

 Hevi-diso: Tsy manaja ray aman-dreny ianao, raha tsy manaraka fomban-drazana sy mivavaka amin’ny razana.

 Ny tena marina: Hoy ny Baiboly: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Lioka 4:8) Tsy mampifaly an’Andriamanitra àry ny fivavahana amin’ny razana. Milaza koa ny Baiboly hoe ‘tsy mahalala na inona na inona ny maty.’ Tsy fantany akory na dia omena voninahitra aza izy. Tsy afaka manampy na manisy ratsy ny velona koa izy ireny.—Mpitoriteny 9:5, 10; Isaia 8:19.