Hijery ny anatiny

Fahotana ve ny Mifoka Sigara?

Fahotana ve ny Mifoka Sigara?

Valiny ara-baiboly

 Tsy misy teny hoe sigara a ao amin’ny Baiboly. Hita amin’ny toro lalana ao anefa hoe tsy tian’Andriamanitra hanao zavatra mankarary sy mandoto azy ny olona, ka heveriny ho fahotana ny mifoka sigara.

  •   Hajao ny aina. “Andriamanitra ... no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina.” (Asan’ny Apostoly 17:24, 25) Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina ka tsy tokony hanao zavatra manafohy androm-piainana isika, ohatra hoe mifoka sigara. Anisan’ny mahafaty olona haingana, maneran-tany, ny fifohana sigara nefa azo sorohina izany.

  •   Tiavo ny namanao. “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Tsy tia ny namany ny olona mifoka sigara. Tena atahorana ho voan’ny aretina mpahazo ny mpifoka sigara ny olona mifoka ny setroka avoakan’izy ireny.

  •   Tokony ho masina ianao. “Miangavy anareo aho ... mba hatolotrareo ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra.” (Romanina 12:1) “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintianina 7:1) Tsy voajanahary amintsika ny mifoka sigara ary mahatonga antsika tsy ho masina, izany hoe mahatonga antsika tsy hadio. Manao fanahy iniana mihinana poizina tena manimba ny vatany mantsy ny mpifoka sigara.

Miresaka momba ny fifohana rongony na zava-mahadomelina hafa tsindraindray ve ny Baiboly?

 Tsy manonona anarana zava-mahadomelina ny Baiboly. Hita amin’ny toro lalana ao anefa hoe tsy mety ny mampiasa an’ireny zavatra manandevo ireny. Ireto misy toro lalana hafa, ankoatra an’ireo efa voaresaka teo aloha:

  •   Tokony hiasa tsara foana ny saina. “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny ... sainao manontolo.” (Matio 22:37, 38) “Aoka ianareo hisaina tsara foana.” (1 Petera 1:13) Tsy miasa tsara intsony ny saina rehefa mampiasa zava-mahadomelina, ary misy aza lasa andevoziny mihitsy. Ny hitady sy hampiasa zava-mahadomelina foana no masaka ao an-tsainy fa tsy mba mieritreritra zavatra tsara izy.—Filipianina 4:8.

  •   Ankatoavy ny lalàna. ‘Ankatoavy ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra.’ (Titosy 3:1) Rarana ny mampiasa zava-mahadomelina sasany, any amin’ny tany maro. Tokony hankatò ny manam-pahefana isika raha te hampifaly an’Andriamanitra.—Romanina 13:1.

a Sigara be sy sigara kely na pipa no tiana horesahina eto. Azo ampiharina amin’ny zava-mahadomelina hafa koa anefa ny toro lalana ato, toy ny paraky kisoka, ravim-paraky tsakoina na trohina amin’ny orona, na zavatra hafa misy nikôtinina.