Hijery ny anatiny

Eny Rehetra Eny ve Andriamanitra Amin’ny Fotoana Rehetra?

Eny Rehetra Eny ve Andriamanitra Amin’ny Fotoana Rehetra?

Valiny ara-baiboly

 Hitan’Andriamanitra ny zava-drehetra, ary afaka manao zavatra na aiza na aiza araka izay tiany izy. (Ohabolana 15:3; Hebreo 4:13) Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe eny rehetra eny Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra, na koa hoe misy azy daholo ny zava-drehetra. Lazain’ny Baiboly kosa hoe manana fonenana izy.

  •   Ny vatany: Fanahy Andriamanitra. (Jaona 4:24) Tsy hitan’ny mason’ny olombelona àry izy. (Jaona 1:18) Manana fonenana voafaritra tsara Andriamanitra, fa tsy hoe eny rehetra eny, rehefa jerena ireo fahitana momba azy ao amin’ny Baiboly.—Isaia 6:1, 2; Apokalypsy 4:2, 3, 8.

  •   Ny fonenany: Any amin’ny toerana tsy hita maso izy no mipetraka, izany hoe any amin’ny toerana tsy anisan’ny zavatra noforoniny. Lazain’ny Baiboly hoe ‘any an-danitra fonenany’ io toerana io. (1 Mpanjaka 8:30) Resahin’ny Baiboly koa fa nisy fotoana “samy naka ny toerany teo anatrehan’i Jehovah” a ny anjely. (Joba 1:6) Midika izany fa manana fonenana voafaritra tsara Andriamanitra.

Afaka manampy ahy ve Andriamanitra, raha tsy eny rehetra eny izy?

 Eny. Tena miahy ny olona tsirairay Andriamanitra. Na any an-danitra aza izy, dia hitany hoe iza amin’ny olona etỳ an-tany no tena te hampifaly azy. Ampiany ilay olona avy eo. (1 Mpanjaka 8:39; 2 Tantara 16:9) Ireto avy ny fomba anampian’i Jehovah ny tena mpanompony:

  •   Rehefa mivavaka: Henon’i Jehovah eo no ho eo ny vavaka ataonao.—2 Tantara 18:31.

  •   Rehefa kivy: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—Salamo 34:18.

  •   Rehefa mila tari-dalana: ‘Hataon’i Jehovah izay hahatonga anao ho malina, ary hanoro anao’ izy, amin’ny alalan’ny Teniny, dia ny Baiboly.—Salamo 32:8.

Hevi-diso momba an’Andriamanitra

 Hevi-diso: Eny rehetra eny Andriamanitra, ary misy azy daholo ny zavatra noforoniny.

 Ny tena marina: Tsy mipetraka etỳ an-tany Andriamanitra, sady tsy ao anatin’izao rehetra izao. (1 Mpanjaka 8:27) Marina fa “manambara ny voninahitr’Andriamanitra” ny kintana sy ny zavaboary hafa. (Salamo 19:1) Hipetraka ao anatin’ny sary hoso-doko nataony ve ny mpanakanto iray? Tsia! Hoatr’izany koa Andriamanitra, tsy hipetraka ao amin’ny zavatra noforoniny izy. Lasa mahafantatra zavatra sasany momba an’ilay mpanakanto anefa isika rehefa mijery an’ilay sary hoso-doko. Lasa fantatsika koa ny toetran’ny Mpamorona, dia ny “toetrany tsy hita maso”, rehefa mandinika ny zavaboary isika. Anisan’izany ny hoe manana hery sy fahendrena izy ary be fitiavana.—Romanina 1:20.

 Hevi-diso: Tsy maintsy ho eny rehetra eny Andriamanitra, fa raha tsy izany dia tsy ho fantany ny zava-drehetra, ary tsy mahery indrindra izy.

 Ny tena marina: Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. Ny fanahy masina no ampiasainy ka hitany daholo izay mitranga na aiza na aiza amin’ny fotoana rehetra, ary afaka manao zavatra na aiza na aiza amin’ny fotoana rehetra koa izy, fa tsy voatery mankeo amin’ilay toerana mihitsy.—Salamo 139:7.

 Hevi-diso: Eny rehetra eny Andriamanitra satria hoy ny Salamo 139:8: “Raha miakatra eny amin’ny lanitra aho, dia eny ianao. Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin’ny Fasana aho, dia any koa ianao.”

 Ny tena marina: Tsy miresaka momba ny toerana misy an’Andriamanitra io andininy io. Te hilaza kosa izy io hoe na aiza na aiza misy antsika, dia tsy ho lavitra be amin’Andriamanitra mihitsy isika, fa ho afaka hanampy antsika foana izy.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.