Hijery ny anatiny

Mipetraka any Amin’ny Toerana Iray ve Andriamanitra?

Mipetraka any Amin’ny Toerana Iray ve Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Eny. Mipetraka any amin’ny toerana voafaritra tsara Andriamanitra, dia ny lanitra. Mariho ireto andininy avy ao amin’ny Baiboly ireto:

 Hoy i Solomona Mpanjaka, indray mandeha, rehefa nivavaka: “Enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao.”—1 Mpanjaka 8:43.

 Nasain’i Jesosy nivavaka tamin’ilay Rain’izy ireo “any an-danitra” ny mpianany.—Matio 6:9.

 Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia niditra tany amin’ny “lanitra mihitsy, mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra.”—Hebreo 9:24.

 Asehon’ireo andinin-teny ireo fa tena misy i Jehovah Andriamanitra, ary tsy hoe eny rehetra eny izy fa any an-danitra.