Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Ohabolana 17:17: “Ny Namana dia Izay Tia Amin’ny Fotoana Rehetra”

Ohabolana 17:17: “Ny Namana dia Izay Tia Amin’ny Fotoana Rehetra”

“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Ny namana dia izay tia amin’ny fotoana rehetra, ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin’ny fahoriana.”​—Ohabolana 17:17, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Inona no tian’ny Ohabolana 17:17 holazaina?

 Azo ianteherana sy mendri-pitokisana ny tena namana. Tsy mivadika sy mikarakara hoatran’ny olona iray tam-po amintsika ihany ry zareo, indrindra fa amin’ny fotoan-tsarotra.

 “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.” Azo adika ihany koa io fehezanteny io hoe “mampiseho fitiavana foana ny namana.” Tsy fihetseham-po tsapa amin’ny olona iray fotsiny ilay teny hebreo nadika hoe “tia” ampiasaina ao amin’io fehezanteny io. Fitiavana tsy mitady valiny kosa izy io ka haseho amin’ny atao. (1 Korintianina 13:4-7) Tsy ho rava mihitsy ny fifandraisan’ny mpinamana manana fitiavana hoatran’izany na dia miatrika zava-tsarotra aza, ohatra hoe hevitra tsy mifankahazo na olana eo amin’ny fiainana. Mora mifamela heloka koa izy ireo. (Ohabolana 10:12) Tsy mialona koa ny namana rehefa misy zavatra mahazo ny olona hafa. Miara-mifaly aminy kosa izy​—Romanina 12:15.

 ‘Tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra ny tena namana.’ Mifandray akaiky ny mpiray tam-po, dia avy amin’izany no nakana an’io ohabolana io. Rehefa manao izay fara herintsika isika mba hanampiana ny namantsika rehefa ao anatin’ny sarotra izy, dia manao hoatran’ny ataon’ny iray tam-po amintsika ihany isika amin’izay. Tsy hampihena ny fifandraisana misy eo amin’ny mpinamana hoatran’izany ny fitsapana. Mihamafy kosa ny fifandraisan’izy ireo, satria ry zareo vao mainka mifankatia sy mifanaja.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Ohabolana 17:17?

 Feno tenim-pahendrena sy torohevitra ao amin’ny bokin’ny Ohabolana. Fohy ny teny ao kanefa mahatonga ny mpamaky hieritreritra. I Solomona Mpanjaka no nanoratra ny ampahany betsaka amin’io boky io. Fomba fanoratra tononkalo amin’ny teny hebreo no nampiasainy. Tsy mampiady rima io fomba fanoratra io fa mampiasa hevitra mifanitsy sy mifanohitra, ary mety hoe miorina amin’ny andalana teo aloha ny manaraka na koa hoe ny mifanohitra aminy. Ohatra iray amin’ilay tononkalo mifanitsy izao ny Ohabolana 17:17, satria miorina amin’ny tapany voalohany amin’ilay andininy ilay faharoa. Ohatra iray amin’ilay tononkalo misy hevitra mifanohitra kosa ny Ohabolana 18:24 hoe: “Misy mpinamana vonona hifamotika, fa misy kosa namana mifikitra noho ny rahalahy aza.”

 Rehefa nanoratra ny Ohabolana 17:17 i Solomona, dia mety ho nieritreritra ny fifandraisana akaiky nisy teo amin’i Davida rainy sy Jonatana zanakalahin’i Saoly Mpanjaka. (1 Samoela 13:16; 18:1; 19:1-3; 20:30-34, 41, 42; 23:16-18) Nifandray be toy ny mpirahalahy i Davida sy Jonatana na dia tsy mpiray tam-po aza. Nanao vivery ny ainy ho an’io namany io mihitsy aza i Jonatana. a

Fomba hafa nandikana ny Ohabolana 17:17

 “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.”​—Fandikan-teny Protestanta.

 “Ny namana dia izay tia amin’ny fotoana rehetra, ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin’ny fahoriana.”​—Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

 “Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.”​—Fandikan-teny Katolika.

 Jereo ity video fohy ity raha tianao ho hita ny mombamomba ny bokin’ny Ohabolana.

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “‘Niraiki-po Be Tamin’i Davida’ i Jonatana.”