Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Matio 6:33: “Katsaho ... Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra”

Matio 6:33: “Katsaho ... Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra”

 “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Matio 6:33, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.”—Matio 6:33, Fandikan-teny Katolika.

Inona no tian’ny Matio 6:33 holazaina?

 Fitondrana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany. (Matio 6:9, 10) Mikatsaka ny Fanjakana aloha ny olona iray raha izany no ataony zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. a Tsy hoe mazoto hianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra fotsiny àry izy, fa mazoto koa hiresaka amin’ny hafa momba ny zavatra tsara hataon’io Fanjakana io. (Matio 24:14) Mivavaka koa izy mba ho tonga ilay Fanjakana.—Lioka 11:2.

 Tafiditra amin’ny hoe fahamarinan’Andriamanitra ny fitsipiny momba izay atao hoe fitondran-tena tsara na ratsy. (Salamo 119:172) Mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra àry ny olona iray rehefa mankatò ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Mahasoa foana mantsy ireny lalàna ireny.—Isaia 48:17.

 Ilay hoe homena anareo izany rehetra izany, dia midika fa mampanantena Andriamanitra hoe hikarakara an’izay mikatsaka aloha ny Fanjakany sy mankatò ny fitsipiny.—Matio 6:31, 32.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Matio 6:33?

 I Jesosy no nilaza an’ireo teny ireo, ary anisan’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra nataony ireo. Resahina ao amin’ny Matio toko faha-​5 ka hatramin’ny faha-​7 io toriteny io. Nahantra ny ankamaroan’ny olona nihaino an’i Jesosy tamin’io fotoana io. Nieritreritra angamba izy ireo hoe izay hahavitana mamelon-tena aloha no tokony ho zava-dehibe aminy, ka tsy hanam-potoana firy hikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Nasain’i Jesosy nandinika ny voninkazo sy ny biby noforonin’Andriamanitra anefa izy ireo. Mampanantena Andriamanitra fa hokarakarainy tsara hoatran’ny hikarakarany an’ireny koa izay mikatsaka ny Fanjakany aloha.—Matio 6:25-30.

Hevi-diso momba ny Matio 6:33?

 Hevi-diso: Ho lasa mpanankarena ny olona mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra.

 Ny marina: Nilaza i Jesosy fa hahazo izay ilainy izay mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Hahazo sakafo sy fitafiana, ohatra, izy ireo. (Matio 6:25, 31, 32) Tsy nilaza anefa izy hoe hanan-karena be izy ireo, na hoe arakaraka ny habetsahan’ny fananany no ahitana hoe tahin’Andriamanitra izy ireo. Nampitandrina ny mpihaino azy aza i Jesosy mba tsy hikatsaka harena, satria ho sarotra kokoa ho an’izay te hanan-karena ny hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha. (Matio 6:19, 20, 24) Niasa mafy ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny apostoly Paoly, nefa indraindray aza izy zara raha nanan-kohanina. Nampitandrina ny hafa hoatran’ny nataon’i Jesosy koa izy, hoe hahita loza izay miezaka mafy ny hanan-karena.—Filipianina 4:11, 12; 1 Timoty 6:6-10.

 Hevi-diso: Tsy mila mitady asa fivelomana ny Kristianina.

 Ny marina: Milaza ny Baiboly fa mila miasa ny Kristianina mba hamelomana ny tenany sy hamelomany ny fianakaviany. (1 Tesalonianina 4:11, 12; 2 Tesalonianina 3:10; 1 Timoty 5:8) Tsy nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe ny Fanjakana ihany no tokony hokatsahiny. Nilaza kosa izy hoe mila mikatsaka ny Fanjakana aloha izy ireo.

 Afaka matoky izay manao loha laharana ny Fanjakan’Andriamanitra aloha sady vonona hiasa, fa hanampy azy Andriamanitra mba hananany izay ilainy.—1 Timoty 6:17-19.

a Nadika avy amin’ny matoanteny grika ilazana fanaovana zavatra mitohy ilay teny hoe “katsaho foana.” Tokony hatao loha laharana eo amin’ny fiainana àry ny hoe mikatsaka an’ilay Fanjakana, fa tsy hoe atao tsindraindray fotsiny na vetivety fotsiny.