Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Tena “avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra” tokoa ve ireo Jiosy tonga tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33?

Lalana feno olona tany Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33

Tsy ny Asan’ny Apostoly 2:5-11 ihany no miresaka momba an’ireo vahoaka tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, fa i Philon koa. Jiosy izy sady mpanoratra, ary niaina tamin’ny taonjato voalohany.

Izao no nosoratan’i Philon: “Tsy voaisa ny olona tonga isaky ny nisy fety. Tsy voatanisa koa ny tanàna niavian’izy ireo. Nisy namakivaky tanety, nisy niampita ranomasina. Tao ny avy any atsinanana sy andrefana ary avaratra sy atsimo.” Noresahiny koa ny momba an’ilay taratasy nalefan’i Agripa I, zafikelin’i Heroda Lehibe, ho an’i Caligula mpanjaka romanina. Izao no nolazain’i Agripa momba an’i Jerosalema: ‘Tsy renivohitr’i Jodia irery fotsiny ilay Tanàna Masina, fa lasa renivohitry ny ankamaroan’ny firenena hafa koa. Be dia be mantsy ireo Jiosy lasa nifindra tany amin’ireny firenena ireny.’

Nataon’i Agripa lisitra ireo firenena nandehanan’ny Jiosy, anisan’izany ireo toerana lavitra indrindra toa an’i Afrika Avaratra, Azia Minora, Gresy, Mezopotamia, ary ireo nosy any amin’ny Ranomasina Mediterane. Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Joachim Jeremias: “Marina fa tsy niresaka momba an’ireo Jiosy nankany Jerosalema io taratasy io. Izany ihany anefa no tiany holazaina, satria tsy maintsy nandeha nivavaka tany Jerosalema ny lehilahy jiosy rehetra.”—Deoteronomia 16:16.

Taiza no nipetraka ireo Jiosy an’arivony tonga tany Jerosalema rehefa fety?

Dobo fandroana hita tany Jerosalema

Intelo isan-taona no nisy fety tany Jerosalema. Tsy inona izany fa ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Ana hetsiny tamin’ny taonjato voalohany ny Jiosy tonga tao Jerosalema mba hankalaza an’ireo fety ireo. Avy any amin’ny firenen’Israely sy avy any an-toeran-kafa izy ireo. (Lioka 2:41, 42; Asan’ny Apostoly 2:1, 5-11) Tsy maintsy nitady toerana hipetrahana àry izy ireo.

Ny sasany tamin’izy ireo nipetraka tany amin’ny namany, fa ny hafa kosa nanofa trano na hotely. Maro koa no nipetraka tao anaty tranolay tao amin’ny tanànan’i Jerosalema na tany ivelany. Tany Betania, tanàna tsy lavitra teo, ohatra, i Jesosy no nipetraka, tamin’izy tany Jerosalema farany.Matio 21:17.

Nahitana trano nisy koveta fandroana maromaro teny akaikin’ny tempoly. Hotely angamba izy ireny, ary afaka nipetraka tao ny vahiny sady afaka nandro, talohan’ny nidirana tao amin’ny tempoly. Nahitana soratra ny iray tamin’ireo trano ireo hoe nanorina synagoga i Théodote, mba hamakiana ny Torah. Mpisorona sady lehiben’ny synagoga izy. ‘Nanorina trano sy efitrano maromaro koa izy mba hipetrahan’ireo vahiny, ary nasiany fakana rano ireny toerana ireny.’