Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | ILAINA VE NY MAHAZO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Ilaina ve ny Mahazo Izay Lazain’ny Baiboly?

Ilaina ve ny Mahazo Izay Lazain’ny Baiboly?

“Bokim-pivavahana be mpahafantatra ny Baiboly. Tsy hainay Sinoa anefa izy io sady tsy zava-dehibe aminay.”—LIN, ANY CHINE.

“Na ny boky masina ao amin’ny fivavahanay Hindoa aza tsy azoko tsara akory, ka ahoana moa no hahazoako izay lazain’ny Baiboly!”—AMIT, ANY INDE.

“Manaja ny Baiboly aho satria boky efa ela be izy io. Henoko hoe io no boky be mpividy indrindra. Mbola tsy nahita Baiboly mihitsy anefa aho.”—YUMIKO, ANY JAPON.

Be dia be ny olona manaja ny Baiboly eran-tany. Zara raha mahafantatra izay voalaza ao anefa izy ireo, na tsy mahalala mihitsy. Tena marina izany ho an’ireo olona an-tapitrisany any Azia. Hoatr’izany koa ny any amin’ireo tany betsaka olona manana Baiboly.

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Tena ilaiko ve ny mahafantatra izay lazain’ny Baiboly?’ Raha azonao tsara izay voalaza ao, dia hanampy anao izany mba...

  • Ho sambatra sy ho afa-po

  • Hahavita hiatrika olana ao an-tokantrano

  • Tsy hanahy be loatra

  • Hahay hifandray tsara aman’olona

  • Hahay hitantam-bola

Te hahafantatra izay voalazan’ny Baiboly, ohatra, i Yoshiko, any Japon, ka tapa-kevitra ny hamaky azy io. Hoy izy: “Nanampy ahy hanana tanjona ny Baiboly, sady lasa manantena zavatra tsara aho amin’ny hoavy. Tsy mahatsiaro intsony aho hoe misy banga ny fiainako.” Nanapa-kevitra ny handinika ny Baiboly koa i Amit, ilay voaresaka tetsy aloha. Hoy izy: “Gaga be aho hoe hay ve misy torohevitra ho an’ny olon-drehetra ao amin’ny Baiboly e!”

Nanova ny fiainan’ny olona an-tapitrisany ny Baiboly. Nahoana àry raha mandinika azy io koa? Ianao mihitsy amin’izay no hahita fa tena mahasoa izy io.