Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ankoatra ny ao amin’ny Baiboly, inona koa no porofo hoe andevo tany Ejipta ny Israelita?

Lazain’ny Baiboly fa rehefa avy nentin’ny Midianita ho any Ejipta i Josefa, dia niala tany Kanana koa i Jakoba rainy sy ny fianakaviany. Nifindra tany Ejipta ry zareo ka nipetraka tany Gosena, faritra iray eo amin’ny Vinanin’i Neily. (Gen. 47:1, 6) “Nihanitombo isa sy nihanahery tsy nisy toy izany” ny Israelita (na Hebreo). Lasa natahoran’ny Ejipsianina ry zareo ka nataony andevo.​—Eks. 1:7-14.

Milaza ny mpitsikera sasany fa angano fotsiny io tantara io. Tena misy porofo anefa hoe efa andevo tany Ejipta ny Semita. *

Nanao fikarohana tany amin’ny faritra avaratr’i Ejipta ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany, dia nahita sisana tanàna fahiny. Araka ny tatitra nataon’ny manam-pahaizana antsoina hoe John Bimson, dia nisy tanàna semita 20 na mahery tao amin’io faritra io. Nanamafy an’izany i James Hoffmeier, mpikaroka momba an’i Ejipta fahiny. Hoy izy: “Tian’ny Semita avy any amin’ny faritra andrefan’i Azia [izany hoe ilay toerana niavian-dry Jakoba] ny nifindra tany Ejipta, teo anelanelan’ny taona 1800 sy 1540 T.K. teo ho eo.” Nilaza koa izy hoe: “Mifanitsy amin’ny fotoana niainan’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba io fotoana io, ka mifanaraka amin’ny fotoana sy ny zava-nitranga resahin’ny Genesisy.”

Misy porofo hafa koa hita tany amin’ny faritra atsimon’i Ejipta. Taratasy papyrus ilay izy, ary nosoratana teo anelanelan’ny taona 2000 T.K. sy 1600 T.K. teo ho eo. Misy anarana andevo niasa ho an’ny fianakaviana iray tany amin’ny faritra atsimon’i Ejipta ao amin’ilay taratasy, ary anarana semita ny 40 mahery. Mpahandro sy mpanenona ireo andevo ireo, ary nisy koa nanao asa mafy hafa. Hoy i Hoffmeier: “Matoa 40 mahery ny Semita niasa ho an’io fianakaviana iray tany Thébaïde io, dia azo inoana hoe be dia be ny Semita nanerana an’i Ejipta, indrindra fa teo amin’ny [Vinanin’i Neily].”

Nilaza i David Rohl, mpikaroka ny any ambanin’ny tany, fa “hoatran’ny hoe nalaina avy ao amin’ny Baiboly mihitsy” ny anaran’ny andevo sasany ao amin’ilay taratasy papyrus. Misy anarana mitovitovy amin’ny hoe Isakara sy Asera ary Sifra, ohatra, ao amin’ilay taratasy. (Eks. 1:3, 4, 15) Hoy i Rohl: “Porofo tsy azo lavina izany fa andevo tany Ejipta ny Israelita.”

Nilaza i Bimson hoe: “Tena porofoin’ny tantara fa andevo tany Ejipta ny Israelita, ary niala tany tatỳ aoriana.”

^ feh. 4 Avy amin’ny hoe Sema ny hoe Semita. Sema no anaran’ny iray amin’ireo zanak’i Noa telo lahy. Toa anisan’ny taranak’i Sema ny Elamita, ny Asyrianina, ny Kaldeanina voalohany, ny Hebreo (na Israelita), ny Syrianina, ary ny foko arabo maromaro.