Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafoy Tena Izy Ireo: Brezila

Nahafoy Tena Izy Ireo: Brezila

NANAO dia lavitra ny anabavy iray, taona vitsivitsy lasa izay. Rúbia no anarany, izay 30 taona izao. Nitsidika an’i Sandra, mpisava lalana ao amin’ny fiangonana kely iray any amin’ny faritra atsimon’i Brezila, izy. Nisy zava-nitranga nanohina ny fony tany, ka niova be ny fiainany. Fa inona no nitranga? Aleo i Rúbia no hitantara.

“TSY NAMPINO ILAY IZY!”

“Nentin’i Sandra nampianatra vehivavy iray aho, indray mandeha. Nilaza ilay vehivavy hoe misy namany telo te hianatra Baiboly any am-piasany. Nilazany anefa ireo namany ireo hoe tsy maintsy miandry, satria efa feno ny fotoanan’i Sandra mandritra ny taona. Tsy nampino ilay izy! Be dia be ny olona te hahalala an’i Jehovah, ary voatery miandry ny olona sasany. Tsy hoatran’izany anefa tany aminay, fa sahirana be aho vao nahazo mpianatra iray. Te hanampy mafy an’ireo olona tao amin’ilay tanàna kely àry aho, ka niala tany amin’ny tanàn-dehibe nipetrahako, tsy ela taorian’izay.”

Nanao ahoana ny vokatr’izany? Hoy i Rúbia: “Roa volana monja aho dia nanana mpianatra 15, ary tsy ela taorian’izay dia tsy arako koa ny fampianarako. Tsy maintsy nampiandrasina ny sasany.”

NANDINIKA NY FANOMPOANY INDRAY IZY

Nitsidika mpisava lalana vitsivitsy tany Prudentópolis, tanàna kely any amin’ny faritra atsimon’i Brezila i Diego, rahalahy 20 taona mahery kely izao. Nisy akony be taminy izany, ka lasa nandinika ny fanompoany indray izy. Hoy izy: “Tsy dia nafana fo tamin’ny fanompoana aho taloha, fa afa-po rehefa nahavita ora vitsivitsy isam-bolana. Rehefa nitsidika an’ireo mpisava lalana ireo anefa aho ary nihaino azy ireo nitantara ny fanompoany, dia tsapako fa falifaly izy ireo. Izaho kosa hitako hoe tsy dia niraharaha ny fanompoana. Hitako hoe mahafinaritra sy misy dikany ny fiainan’izy ireo, ary tiako ho hoatr’izany koa ny fiainako.” Nirotsaka ho mpisava lalana i Diego taorian’izay.

Tanora Vavolombelona toa an’i Diego ve ianao, ary mandray anjara amin’ny fitoriana, nefa tsapanao hoe hoatran’ny lasa fahazarana fotsiny ny fanompoana fa tsy tena mahafinaritra? Nahoana raha manao fiovana mba hahafahanao mifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa? Tena hahafinaritra anao izany! Marina aloha fa mety hampahatahotra kely ny hoe hiala amin’ny fiainana mahazatra. Tanora maro anefa no nanao izany. Be herim-po izy ireo, ka nanova ny tanjony sy ny faniriany, mba hahafahany manompo an’i Jehovah bebe kokoa. Diniho koa ny nataon’i Bruno, izay 28 taona izao.

NY FITENDRENA ZAVAMANENO SA NY FANOMPOANA?

Nianatra tany amin’ny sekoly malaza iray mampianatra mozika i Bruno, taona vitsivitsy lasa izay. Ny tanjony dia ny ho lasa mpibaiko mpitendry zavamaneno. Nahay be izy, ka imbetsaka no nasaina hibaiko andiana mpitendry zavamaneno maro be. Toa namirapiratra erỳ ny hoaviny! Hoy anefa izy: “Tsapako hoe nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainako. Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah aho, nefa fantatro fa tsy nanompo azy tamin’ny foko manontolo. Nanenjika ahy ny eritreritro. Noresahiko tamin’i Jehovah ny fihetseham-poko, ary niresaka tamin’ny rahalahy matotra koa aho. Nandinika tsara aho, ka nanapa-kevitra fa ny fanompoana no ataoko alohan’ny mozika. Niala tamin’ilay sekoly àry aho, ary nandeha nanitatra tany amin’ny toerana iray tena nila mpitory, na dia tsy mora aza izany.” Inona no vokany?

Nifindra tany Guapiara i Bruno, tanàna misy mponina 7 000 eo ho eo, 260 kilaometatra avy ao São Paulo. Fiovana be ilay izy. Hoy izy: “Trano kely no nipetrahako. Tsy nanana frizidera na tele aho, ary tsy afaka nampiasa Internet aho tao. Nanana zavatra hafa mbola tsy nananako mihitsy anefa aho, satria nisy zaridaina kely nambolena legioma sy voankazo tao!” Nanampy an’ilay fiangonana kely tany i Bruno, ary nandeha nitory tany ambanivohitra izy ireo isan-kerinandro. Mandeha môtô izy amin’izany, ary efa mivatsy sakafo sy rano ary boky sy gazety. Maro ny olona mbola tsy nandre ny vaovao tsara tany amin’ilay toerana. Hoy i Bruno: “Nanana mpianatra 18 aho, ary tena faly aho nahita azy ireo nanova ny fiainany! Tamin’izay vao tsapako fa mahita fifaliana ianao rehefa manao loha laharana ny fanompoana. Tsapako hoe izany no tsy ampy tamin’ny fiainako. Tsy ho nahatsapa izany aho, raha mbola variana tamin’ny mozika.” Rehefa nanontaniana i Bruno hoe inona no asa fivelomany tany Guapiara, dia nitsiky izy sady namaly hoe: “Nampianatra gitara aho.” Mbola nibaiko mpitendry zavamaneno ihany àry izy!

“TSY MAINTSY NIJANONA AHO”

Mitovy amin’ny zavatra niainan’i Bruno ny an’i Mariana, izay 30 taona latsaka kely izao. Mpisolovava izy ary be karama, kanefa tsy afa-po. Hoy izy: ‘Toy ny “nisambo-drivotra fotsiny” no fahatsapako ny tenako.’ (Mpito. 1:17) Nisy rahalahy sy anabavy maromaro nampirisika azy hieritreritra momba ny asan’ny mpisava lalana. Nandinika tsara àry i Mariana ary nanapa-kevitra hiaraka hanitatra faritany izy sy i Bianca, Caroline, ary Juliana namany. Nandeha tany amin’ny fiangonana iray any Barra do Bugres, izy ireo, any amin’ny tanàna mitokana tsy lavitra an’i Bolivia, any amin’ny an’arivony kilaometatra miala eo amin’ny misy azy. Inona no vokatr’izany?

Hoy izy: “Nieritreritra hijanona tany telo volana aho. Nanana mpianatra 15 anefa aho rehefa tapitra ny telo volana! Mbola nila fanampiana be izy ireo, ka tena tsy sahiko ny niteny hoe handeha aho. Tsy maintsy nijanona aho.” Ary dia nijanona tany daholo izy efa-bavy. Lasa nisy dikany kokoa ny fiainan’i Mariana noho io asany vaovao io. Hoy izy: “Faly aho hoe ampiasain’i Jehovah mba hanampy ny olona hiova. Mahatsiaro ho sambatra aho, satria fantatro fa zavatra tena mahasoa no andaniako ny fotoanako sy ny heriko.” Mahalaza ny fihetseham-pon’izy efa-bavy koa ny tenin’i Caroline hoe: “Rehefa matory aho amin’ny alina, dia tena afa-po satria niezaka mafy nanompo an’i Jehovah. Ny fanampiana ny mpianatro no zava-dehibe indrindra amiko izao. Mahafinaritra ny mahita azy ireo mandroso. Tena marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: ‘Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.’ ”—Sal. 34:8.

Azo antoka fa faly i Jehovah mahita hoe mihamaro ny rahalahy sy anabavy tanora maneran-tany ‘manolo-tena an-tsitrapo’, mba hitory any amin’ny toerana lavitra! (Sal. 110:3; Ohab. 27:11) Omeny fitahiana tondraka ireny mpiasa mazoto ireny, ho setrin’izany.—Ohab. 10:22.