Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe tsy mety ny mianiana?

AZO natao tsara ny nianiana, raha araka ny Lalàn’i Mosesy. Lasa fahazarana fotsiny anefa ilay izy, tamin’ny andron’i Jesosy. Nianiana foana ny Jiosy isaky ny niteny. Amin’izay, hono, ny olona matoky kokoa an’izay lazainy. Tsy nisy nilana an’izany anefa, ary indroa be izao i Jesosy no niteny hoe tsy mety izany. Izao no torohevitra nomeny: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Mat. 5:33-37; 23:16-22.

Milaza ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy) fa hita ao amin’ny Talmoda hoe “tena fanaon’ny Jiosy ny mianiana mba hanamafisana an’izay rehetra lazainy.” Voalaza ao amin’ny an-tsipiriany mantsy hoe inona ny fianianana tsy maintsy notanterahina, ary inona no tsy voatery notanterahina.

Tsy i Jesosy irery no nilaza hoe tsy mety ny mianiana befahatany toy izany. Izany koa no fomba fihevitry ny antokom-pivavahana jiosy iray noresahin’ilay Jiosy mpahay tantara atao hoe Flavius Josèphe. Hoy izy: “Tsy nianiana mihitsy izy ireo. Mitovy amin’ny mandainga ihany aminy ny mianiana.” Nihevitra izy ireo hoe mpandainga ny olona iray, raha toa ka tsy maintsy mianiana amin’Andriamanitra izy vao azo inoana ny teniny. Izao koa no voalaza ao amin’ilay boky jiosy antsoina hoe Ny Fahendren’i Siràka: “Zatra mandika lalàna ny olona iray matoa zatra mianiana.” Tsy mahagaga àry raha nilaza i Jesosy hoe tsy mety ny hoe zatra mianiana tsy amin’antony. Raha milaza ny marina foana isika, dia tsy voatery hianiana vao hino izay lazaintsika ny olona.