Hijery ny anatiny

Andriamanitra Mahery Indrindra ve i Jesosy?

Andriamanitra Mahery Indrindra ve i Jesosy?

Valiny ara-baiboly

 Nolazain’ny mpanohitra azy fa nampitovy ny tenany tamin’Andriamanitra i Jesosy. (Jaona 5:18; 10:30-33) Tsy nilaza mihitsy anefa i Jesosy hoe mitovy amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Hoy izy: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jaona 14:28.

 Tsy nihevitra an’i Jesosy ho mitovy amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ireo mpanara-dia azy voalohany. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly fa ‘nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa’ i Jesosy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Hita avy amin’izany fa tsy nihevitra an’i Jesosy ho ilay Andriamanitra Mahery Indrindra i Paoly. Tsy ho afaka hanome azy toerana ambony kokoa mantsy Andriamanitra raha izany no izy. —Filipianina 2:9.