Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy An’ireo Ankizy Nidonam-pahoriana?

Inona no Hanampy An’ireo Ankizy Nidonam-pahoriana?

Malahelo ve ianao fa nisy maty ny fianakavianao? Inona no hanampy anao hizaka an’izany? Ho hitanao ato fa nanampy ankizy telo hizaka ny alahelony ny Baiboly.

TANTARAN’I DAMI

Dami

Hoatran’ny nararirary andoha fotsiny i Dada tamin’ny voalohany. Nihombo anefa ilay izy, ka niantso dokotera i Neny. Mbola tadidiko ny nitondran’ny fiara mpitondra marary an’i Dada. Tsy nampoiziko hoe izay no fotoana farany ahitako azy velona. Matin’ny fivontosan’ny lalan-dra izy telo andro tatỳ aoriana. Vao enin-taona aho tamin’izay.

Nanamelo-tena aho nandritra ny taona maro. Niverina tao an-tsaiko foana ilay izy nentin’ny dokotera, dia hozy aho: ‘Fa naninona àry aho no nijery fotsiny, fa tsy mba nanao zavatra?’ Rehefa nahita olon-dehibe tsy salama aho, dia nieritreritra hoe: ‘Fa maninona izy no mbola velona nefa i Dada maty?’ Nampirisihin’i Neny hiresaka an’izay tsapako aho, tatỳ aoriana. Nanampy be anay koa ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah misy anay.

Misy mieritreritra hoe amin’ny fotoana itrangan’ny fahoriana ihany ianao no malahelo, dia afaka ilay izy atỳ aoriana. Fa ny ahy tsy hoatr’izany. Efa folo taona mahery aho vao tena nalahelo.

Izao ny torohevitro ho an’ny ankizy maty ray na reny: “Resaho amin’ny hafa ny zavatra tsapanao. Ho salama kokoa ianao raha tonga dia mamboraka ny ao am-ponao, fa tsy miandry ela.”

Mafy amiko rehefa misy zavatra miavaka eo amin’ny fiainako, nefa tsy eo i Dada. Mampahery ahy anefa ilay resahin’ny Apokalypsy 21:4 hoe tsy ho ela Andriamanitra dia ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’

TANTARAN’I DERRICK

Derrick

Tena nahafinaritra ahy ny niara-nanjono tamin’i Dada, sy niara-nilasy taminy tany an-tendrombohitra. Tiany be mantsy ny nankany an-tendrombohitra.

Efa elaela i Dada no narary fo. Nitsidika azy indray mandeha na indroa tany amin’ny hopitaly aho tamin’ny mbola kely. Tsy fantatro anefa hoe narary mafy izy. Matin’ny aretim-po i Dada tamin’izaho sivy taona.

Nigogogogo nitomany aho rehefa maty izy. Hoatran’ny sempotra izany aho, ary tsy te hiresaka tamin’iza na iza. Mbola tsy nalahelo be hoatr’izany mihitsy aho. Tsy te hanao na inona na inona intsony aho. Anisan’ny fikambanan’ny tanora tao am-piangonana aho, dia nampahery ahy ry zareo saingy tamin’ny voalohany ihany. Nilaza ry zareo hoe: “Izao no lahatra e!” na “Nantsoin’Andriamanitra ny dadanao” na “Efa any an-danitra izy izao.” Tsy tena nahafa-po ahy ireo teny ireo. Mbola tsy nahalala an’izay tena ampianarin’ny Baiboly koa aho tamin’izany.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny tatỳ aoriana. Nianatra koa izaho sy ny zokiko lahy avy eo. Lasa fantatray hoe manao ahoana marina ny maty, ary mbola hanangana azy ireny Andriamanitra. (Jaona 5:28, 29) Fa ny Isaia 41:10 no tena nanampy ahy. Hozy Andriamanitra ao hoe: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.” Nampahery be ahy ny nahalala hoe teo akaikiko teo i Jehovah tamin’izaho nalahelo be, ary mbola mampahery ahy foana izany.

TANTARAN’I JEANNIE

Jeannie

Matin’ny kansera i Neny tamin’izaho fito taona. Hoatran’ny tsy tena tonga saina izany aho. Tadidiko hoe tao an-trano izy no maty, ary teo i Dadabe sy Bebe. Tony daholo ny olona. Tadidiko koa hoe atody no sakafonay hariva. Niova tanteraka ny fiainako nefa hoatran’ny nofy ilay izy.

Nihevitra aho hoe tokony ho mafy be satria mbola manana zandrivavy, dia tsy nasehoko ny alaheloko. Mbola koboniko ho ahy foana ny fihetseham-poko hatramin’izao rehefa malahelo aho. Tsy mahasalama anefa izany!

Tena tia sy nanohana anay ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tanànanay. Nentin’izy ireo toy ny fianakaviany efa fantany ela be izahay, na dia vao nanomboka nivory aza tamin’izany. Tsy nila nahandro sakafo hariva angamba i Dada nandritra ny herintaona, satria nisy nanatitra sakafo ho anay foana teo am-baravarana.

Andinin-teny tena tiako ny Salamo 25:16, 17. Niangavy an’Andriamanitra ilay mpanao salamo ao hoe: “Mba jereo aho ka iantrao, fa irery sy ory. Mihamaro ny fahorian’ny foko. Afaho amin’ny fahorian-tsaina aho.” Mampahery ahy ny mahalala hoe tsy irery aho rehefa malahelo, fa eo foana Andriamanitra. Nanampy ahy tsy hamoy fo ny torohevitry ny Baiboly. Nanampy ahy koa izany hifantoka amin-javatra tsara, toy ilay fampanantenana hoe hatsangana ny maty. Manantena aho fa mbola hihaona amin’i Neny ao amin’ny tany paradisa, ary ho salama tsara izy amin’izay.—2 Petera 3:13.

Misy hafatra mampahery ho an’ireo nidonam-pahoriana ao amin’ny Baiboly. Hahita izany ianao ao amin’ilay bokikely hoe “Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao.” Azo alaina maimaim-poana ao amin’ny www.pr418.com/mg izy io, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY SY BOKIKELY.