Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny “Jiron’ny” Angisy any Hawaii

Ny “Jiron’ny” Angisy any Hawaii

MAMOAKA hazavana ny angisy any Hawaii rehefa hitady sakafo amin’ny alina. Ampitoviny amin’ny hazavan’ny volana sy ny kintana ilay izy, amin’izay izy tsy hitan’ny biby hafa. Ahoana no hahavitany an’izany? Misy bakteria mpamokatra hazavana miara-miasa aminy. Mety hahasoa antsika ny fandinihana an’izany, satria mety hanatsara ny fahasalamantsika.

Diniho izao: Any amin’ny ranomasina mangalahala any Hawaii no misy an’io angisy io. Mazàna ny biby mpihaza an’ireo angisy no milomano eny ambanimbany, ary tokony ho tazany eny amboniny ilay angisy amin’ny alina tsy semban-drahona. Mandefa hazavana avy ao amin’ny kibony anefa ilay angisy, ary ataony mitovy amin’ny hazavan’ny volana sy ny kintana izany. Samy tsy hita àry na ny alok’ilay angisy na ny vatany. Avo lenta ny teknika ampiasainy. Misy bakteria be dia be manjelanjelatra mantsy ao anatiny, ka ny hazavana avoakan’ireny no mahatonga azy tsy ho hita.

Ilay bakteria koa no mandrindra ny torimason’ny angisy sy ny fifohazany, izay anisan’ny tsingerina ao amin’ny vatan’ny zavamananaina. Mahaliana ny mpikaroka izany satria mety hitranga ao amin’ny zavamananaina hafa. Tsy manampy amin’ny fandevonan-kanina fotsiny, ohatra, ny bakteria ao amin’ny olona, fa misy vokany eo amin’ny tsingerina ao amin’ny vatany koa. Raha mikorontana ireny tsingerina ireny, dia mety ho kivy be foana ilay olona, na ho voan’ny diabeta, na hatavy be, na tsy ho ara-dalàna ny torimasony. Mety ho afaka hanatsara ny fahasalamany àry ny olona raha mandalina ny fomba fiasan’ny bakteria ao amin’ny angisy.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny “jiron’ny” angisy any Hawaii, sa nisy namorona?