Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Ampianaro Hahay Hitondra Tena Tsara ny Zanakao

Ampianaro Hahay Hitondra Tena Tsara ny Zanakao

Hoy i Loida, * reny any Meksika: “Zarazaraina fotsiny ny kapaoty any am-pianarana, ka mihevitra ny tanora hoe tsy mampaninona ny manao firaisana rehefa ‘voaro.’ ”

Hoy i Nobuko, reny any Japon: “Nanontaniako ny zanako lahy hoe inona no hataony raha irery izy sy ny sipany. Namaly izy hoe: ‘Tsy haiko!’ ”

AZO antoka fa niezaka mafy ianao niaro ny zanakao tamin’izy vao niana-nandeha. Mety ho nofonosinao izay zavatra mamoaka herinaratra, nafeninao ny fitaovana maranitra, ary nasianao fefy ny tohatra.

Tsy mora toy izany anefa ny miaro ny tanora! Lehibe kokoa mantsy izao ny mampanahy anao, toy ny hoe: ‘Mijery sary vetaveta ve ny zanako lahy? Mandefa ny sariny miboridana amin’ny finday ve ny zanako vavy?’ Ary ny tena mampahatahotra indrindra dia hoe: ‘Zatra manao firaisana ve ny zanako?’

Vahaolana ve ny manara-maso akaiky?

Misy ray aman-dreny miambina sy manara-maso akaiky izay rehetra ataon-janany. Hitan’izy ireo anefa, tatỳ aoriana, fa lasa mahay manafina izay ataony ny zanany rehefa atao an’izany. Izay zavatra nandrarana azy ireo mihitsy no ataony.

Tsy vahaolana àry ny fanaraha-maso. Na i Jehovah Andriamanitra aza tsy manao toy izany mba hampirisihana ny zavaboary hankatò azy. Mainka fa ny ray aman-dreny! (Deoteronomia 30:19) Ahoana àry no hanampianao ny zanakao hahay hanapa-kevitra momba ny fitondran-tena?—Ohabolana 27:11.

Tena zava-dehibe ny miresaka tsy tapaka amin’ny zanakao, ary manao an’izany dieny izy mbola kely. * (Ohabolana 22:6) Miresaha aminy foana rehefa mihalehibe izy. Tokony ho ianao no voalohany hanome azy fanazavana azo antoka. Hoy i Alicia, avy any Grande-Bretagne: “Maro no mihevitra fa aleo ny namana no iresahana momba ny firaisana, kanefa tsy marina izany. Tianay raha ny ray aman-dreny no manazava izany aminay, satria atokisanay izay lazain’izy ireo.”

Ilaina ny mametraka fitsipika

Mila mahafantatra bebe kokoa momba ny firaisana ny ankizy rehefa mihalehibe, fa tsy ny fomba nisian’ny zazakely fotsiny. Tokony hanana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” koa izy ireo. (Hebreo 5:14) Raha tsorina, dia mila manana fitsipika hentitra momba ny fitondran-tena izy ireo, ary mila miaina mifanaraka amin’izany. Ahoana àry no hanampianao ny zanakao hanana izany fitsipika izany?

Eritrereto àry aloha hoe inona no fitsipika arahinao. Mety hino mafy, ohatra, ianao fa ratsy ny fijangajangana, izany hoe ny firaisan’ny olona tsy mpivady. (1 Tesalonianina 4:3) Azo antoka fa fantatry ny zanakao izany hevitrao izany, ary mety hahay andinin-teny momba izany mihitsy aza izy. Rehefa anontaniana izy, dia mety hamaly avy hatrany hoe ratsy ny firaisana alohan’ny fanambadiana.

Tsy ampy anefa izany. Araka ny boky iray momba ny firaisana, dia mety hisy tanora hilaza hoe ekeny ny hevitry ny ray aman-dreniny. Hoy anefa ilay boky: ‘Tsy manana hevitra hentitra izy ireo. Hany ka sahiran-tsaina izy rehefa tratran’ny tsy ampoizina, na tsy maintsy manapa-kevitra momba ny mety sy tsy mety.’ Tena ilaina àry ny fitsipika momba ny fitondran-tena. Ahoana no hanampianao ny zanakao hanana an’izany?

Ataovy mazava tsara ny fitsipika arahinao.

Ekenao ve fa ny mpivady ihany no mahazo manao firaisana? Resaho mazava tsara amin’ny zanakao izany, ary ataovy matetika. Milaza ny boky iray fa “nisy ray aman-dreny nilaza mazava tsara tamin’ny zanany hoe mbola tsy tiany hanao firaisana izy ireo. Rehefa lehibe kokoa ireny ankizy ireny vao nanao firaisana”, araka ny fanadihadiana natao.

Hita tetsy aloha fa tsy voatery hanaraka ny fitsipika arahinao ny zanakao raha lazainao fotsiny aminy izany. Hahay hametraka fitsipika ho an’ny tenany anefa izy raha lazainao mazava tsara aminy ny fitsipika tianao harahin’ny fianakaviana. Hita tamin’ny fandinihana fa arahin’ny tanora ihany amin’ny farany ny fitsipika omen’ny ray aman-dreniny, na dia toa tsy narahiny aza izany taloha.

ANDRAMO IZAO: Milazà zava-nisy tamin’ny vaovao mba hanombohan-dresaka sy hiresahana ilay fitsipika. Raha nisy vaovao momba ny fametavetana, ohatra, dia milazà hoe: “Maharikoriko mihitsy ny lehilahy sasany manararaotra vehivavy. Iza no mahatonga azy ireo hanao an’izany araka ny hevitrao?”

Ampianaro daholo ny marina momba ny firaisana.

Ilaina ny fampitandremana. (1 Korintianina 6:18; Jakoba 1:14, 15) Lazain’ny Baiboly anefa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny firaisana, fa tsy fandrik’i Satana. (Ohabolana 5:18, 19; Tononkiran’i Solomona 1:2) Mety hanana hevi-diso momba ny firaisana ny zanakao, raha zava-dratsy momba izany fotsiny no resahinao. Hoy i Corrina, tanora any Frantsa: “Nanizingizina loatra momba ny firaisana maloto ny ray aman-dreniko, ka lasa ratsy ny fiheverako ny firaisana.”

Ataovy azo antoka fa fantatry ny zanakao ny marina rehetra momba ny firaisana. Hoy i Nadia, reny any Meksika: “Nataoko takatry ny zanako foana fa zavatra tsara sy voajanahary ny firaisana, ary nataon’i Jehovah Andriamanitra hankafizin’ny olombelona. Ny mpivady ihany anefa no mahazo manao azy io. Hahazoana fahafinaretana izy io na hiteraka fijaliana, arakaraka ny fomba ampiasana azy.”

ANDRAMO IZAO: Zavatra tsara amaranana ny resaka, rehefa miresaka amin’ny zanakao momba ny firaisana ianao. Aza misalasala milaza aminy fa fanomezana mahafinaritra avy amin’Andriamanitra ny firaisana, ary azony ankafizina rehefa hanambady izy. Lazao azy fa matoky ianao hoe ho vitany ny hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra mandra-pahatongan’izany.

Ampio ny zanakao handinika tsara izay ho vokany.

Tokony ho fantatry ny tanora ny safidy rehetra azony atao. Tokony hodinihiny tsara avy eo ny mahatsara sy maharatsy ny safidy tsirairay, mba hahaizany hanapa-kevitra. Aza mieritreritra anefa hoe ampy ho an’ny zanakao ny mahafantatra ny tsara sy ny ratsy. Hoy i Emma, vehivavy kristianina any Aostralia: “Mieritreritra ny tsy nety nataoko taloha aho, ka hitako fa ny hoe mahafantatra ny fitsipik’Andriamanitra akory tsy midika hoe ekenao izy ireny. Tena ilaina ny mahatakatra ny soa azo rehefa manaraka an’ireny fitsipika ireny sy ny vokany raha mandika azy ireny.”

Tena manampy antsika hanao izany ny Baiboly, satria efa lazainy ny vokatry ny fandikana ny lalàna resahiny. Mampirisika ny tovolahy, ohatra, ny Ohabolana 5:8, 9 mba tsy hijangajanga, ‘sao homeny olona ny hajany.’ Araka izany dia mandika ny fitsipika napetrany ny olona manao firaisana alohan’ny fanambadiana, sady mivadika amin’i Jehovah no lasa tsy misy hajany. Tsy hanintona ny olona manana an’ireo toetra ireo koa izy any aoriana any, rehefa te hanambady. Mety harary na ho voan’ny areti-po izy ary tsy hifandray amin’Andriamanitra intsony raha mandika ny lalàny. Raha mieritreritra an’izany àry ny zanakao, dia vao mainka izy ho tapa-kevitra ny hankatò ny lalàn’Andriamanitra. *

ANDRAMO IZAO: Mampiasà fanoharana mba hanampiana ny zanakao hahita hoe mahasoa ny fitsipik’Andriamanitra. Izao, ohatra, lazaina: “Azo ampiasaina andrahoana sakafo ny afo, nefa azo andoroana tanety koa. Inona no maha samihafa an’ireo? Ary ahoana no azonao ampifandraisana an’izany amin’ilay lalàna momba ny firaisana?” Ampiasao ilay tantara ao amin’ny Ohabolana 5:3-14, mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ny voka-dratsin’ny fijangajangana.

Hoy i Takao, 18 taona, any Japon: “Fantatro fa tokony hanao ny tsara aho, nefa miady mafy foana aho mba hanohitra ny filan’ny nofo.” Maro ny tanora mahatsapa toy izany. Na ny apostoly Paoly, Kristianina tsy nivadika, aza niaiky hoe: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.”—Romanina 7:21.

Tokony ho takatry ny tanora fa tsy voatery ho ratsy foana akory ny miady mafy mba hanao ny tsara. Handrisika azy izany handinika hoe inona no toetra tiany hananana. Hahatonga azy hieritreritra koa izany hoe: ‘Te hahay hifehy ny fiainako ve aho sady te halaza ho tsara toetra sy tsy mivadika? Sa te halaza ho mpanara-drenirano izay hataon’ny hafa fotsiny, ary hanaiky ho resin’ny faniriako?’ Hahay hamaly tsara an’ireo ny zanakao raha manana fitsipika momba ny fitondran-tena.

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 10 Misy soso-kevitra mahakasika ny fomba hanombohana ny resaka momba ny firaisana sy ny fomba ampifanarahana an’izany amin’ny taonan’ny ankizy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2010, pejy 12-14.

^ feh. 22 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe... Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?”, ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2010, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

ERITRERETO IZAO:

  • Ahoana no ahalalako fa manana fitsipika hentitra momba ny fitondran-tena ny zanako?

  • Lazaiko amin’ny zanako ve fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny firaisana, fa tsy fandrik’i Satana, rehefa miresaka aminy aho?