Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema Amin’ny Vaovao Tsy Marina

Mitandrema Amin’ny Vaovao Tsy Marina

 Lasa mora kely ny mitady fanazavana amin’izao androntsika izao, anisan’izany ny fanazavana miaro ny aintsika sy ny fahasalamantsika. Rehefa mikaroka anefa ianao, dia mila mitandrina sao dia tsy marina akory ilay izy. Mety ho sendra an’ireto, ohatra, ianao:

 Nampitandrina ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana fa lasa miparitaka be ny vaovao tsy marina, hatramin’ny nisian’ny COVID-19. Nilaza izy hoe: “Miely be ny fitsaboana sandoka sy ny torohevitra mampidi-doza momba ny fahasalamana. Betsaka ny lainga henontsika amin’ny tele sy radio. Miparitaka be koa ny tsaho tsy marim-pototra any amin’ny Internet. Lasa be dia be no mifankahala sy mifampitsara an-tendrony.”

 Marina fa efa nisy foana ny vaovao tsy marina hatramin’izay. Efa nilaza mialoha anefa ny Baiboly hoe amin’izao androntsika izao dia “vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, ka sady mamitaka izy ireo no voafitaka.” (2 Timoty 3:1, 13) Efa misy koa izao ny Internet, ka lasa tsotra sy haingana kokoa ny mahazo vaovao tsy marina sy manaparitaka tsy nahy an’ilay izy. Mety ho feno vaovao namboamboarina na marina amin’ny ampahany àry ao amin’ny e-mail voaraintsika, ny tambazotran-tserasera ampiasaintsika, ary amin’ireo vaovao tonga ao amin’ny fitaovana elektronika ananantsika.

 Inona no azonao atao mba tsy ho voafitak’ireny vaovao amboamboarina sy tsaho tsy marim-pototra ireny? Andao isika handinika toro-lalan’ny Baiboly vitsivitsy.

  •   Aza tonga dia mino an’izay rehetra hitanao na henonao

     Izay lazain’ny Baiboly: “Mino an’izay teny rehetra henony ny olona mora fetsifetsena, fa ny olona malina kosa mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.”​—Ohabolana 14:15.

     Ho mora voafitaka isika raha tsy mitandrina. Miparitaka be, ohatra, ny karazana sary kely misy soratra sy ny video fohy any amin’ny Internet, indrindra any amin’ny tambazotran-tserasera. Natao mba hampihomehy izy ireny matetika. Mora ovana sy amboamboarina anefa izy ireny. Vitan’ny olona mihitsy aza ny mamorona video ahitana olona manao zavatra tsy nataony akory na miteny zavatra tsy noteneniny akory.

     “Avy amin’ny sary sy video namboamboarina ny ankamaroan’ny vaovao tsy marina hitan’ireo mikaroka fanazavana ao amin’ny tambazotran-tserasera.”​—Axios Media.

     Eritrereto hoe: ‘Tena marina ve ity vaovao hitako ity?’

  •   Diniho tsara hoe avy aiza ilay vaovao ary inona no resahin’ilay izy

     Izay lazain’ny Baiboly: “Hamarino tsara daholo ny zava-drehetra.”​—1 Tesalonianina 5:21.

     Aza tonga dia mino na manaparitaka ny vaovao henonao, na dia malaza be sy miverimberina any amin’ny fampitam-baovao aza ilay izy. Hamarino aloha hoe tena marina tokoa ve ilay izy. Inona no hanampy anao amin’izany?

     Diniho hoe azo itokisana ve ilay namoaka an’ilay vaovao. Izao no mety hataon’ny fampitam-baovao na fikambanana sasany: Amboamboariny ilay vaovao, amin’izay tsy manelingelina ny tombontsoany sady mifanaraka amin’ny hevitra ara-politika tohanany. Rehefa mihaino na mijery vaovao àry ianao dia manaova fampitahana, ka jereo izay lazain’ny fampitam-baovao hafa momba an’ilay izy. Mety hampita vaovao tsy marina aminao koa ny namanao indraindray, satria heveriny fa marina ilay izy. Amin’ny alalan’ny e-mail na tambazotran-tserasera, ohatra, no anaovany an’izany. Aza tonga dia mino vaovao iray àry raha tsy efa voamarinao hoe avy aiza ilay izy.

     Ataovy azo antoka hoe zavatra marina no resahin’ilay vaovao sady ny fanazavana farany no azonao. Jereo, ohatra, ny daty nivoahany, ary diniho ny zava-misy sy ny porofo manamarina an’ilay izy. Vao mainka ianao mila mailo raha mahatsikaritra hoe misy fanazavana sarotra nefa notsotsorina fotsiny, na natao mba hampihetsi-po ny olona ilay vaovao.

     “Lasa zava-dehibe hoatran’ny manasa tanana ny manamarina ny vaovao henontsika.”​—Sridhar Dharmapuri, talen’ny fanjarian-tsakafo, ao amin’ny Firenena Mikambana.

     Eritrereto hoe: ‘Sao dia hevitr’olona no lazaina hoe zava-misy amin’ity vaovao ity? Sao dia tsy ny marina rehetra no lazainy?’

  •   Izay tena zava-misy jerena fa tsy izay mahafinaritra anao fotsiny

     Izay lazain’ny Baiboly: “Tsisy saina izay matoky ny fony.”​—Ohabolana 28:26.

     Mora matoky an’izay fanazavana manohana ny hevitra tiantsika hinoana isika. Matetika no mifanaraka amin’izay zavatra mahaliana antsika sy karohintsika ny vaovao alefa amintsika ao amin’ny Internet. Tsy hoe izay mahafinaritra antsika foana anefa no tokony hinoantsika.

     “Afaka misaina tsara ny olombelona. Manana ny zavatra irintsika, antenaintsika, atahorantsika, ary mandrisika antsika koa anefa isika. Lasa mora mino ny fanazavana sasany àry isika raha manohana ny hevitra tiantsika hinoana ilay izy.”​—Peter Ditto, psikology.

     Eritrereto hoe: ‘Matoky an’ity fanazavana ity ve aho satria fotsiny hoe manohana ny hevitra tiako hinoana ilay izy?’

  •   Aza manely vaovao tsy marina

     Izay lazain’ny Baiboly: “Aza manely tsaho.”​—Eksodosy 23:1.

     Tadidio hoe misy vokany amin’ny fomba fisainan’ny hafa sy izay ataony ny zavatra ampahafantarintsika azy. Hisy vokany ratsy amin’ny hafa àry raha mitatitra zavatra tsy marina aminy isika, na dia tsy fanahy iniantsika aza.

     “Alohan’ny hizaranao vaovao iray dia makà fotoana kely ary eritrereto hoe: ‘Tena azoko antoka ve hoe marina ity zavatra tiako hozaraina ity?’ Raha mandinika kely hoatran’izany daholo ny olona, dia hihena be ny vaovao tsy marina miparitaka ao amin’ny Internet.”​—Peter Adams, tale lefitry ny Tetikasa Fampianarana Momba ny Fampitam-baovao.

     Eritrereto hoe: ‘Matoa ve aho mizara an’ity vaovao ity dia satria fantatro hoe marina ilay izy?’